- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Artista tompotany avy ao amin'ny firenena Ramapough Lenape mampiranty ireo tantara nofafana

Sokajy: Etazonia, Mediam-bahoaka, Teratany, Rising Voices

Sary nomen'ny artista Ótaés ary nahazoana alalana.

Tsy mba tsikaritry ny ankapoben'ny ao Etazonia loatra ny fiainan'ireo tompotany. Ótaés, artista iray avy ao amin'ny firenena Ramapough Lenape [1] no nanapa-kevitra hanova izany toe-javatra izany.

Avy amin'ny fampiasana markera menaka sy lakaolin-dafarinina [2] dia azo jerena manerana ny firenena ny asan-dry zareo ary “mifantoka manodidina ny tsy rariny mianjady amin'ny vondrom-piarahamonina vazimba tompotany sy ireo tantara voakosoka na voavily lalana any amin'ny faritra afovoany andreana sy ny faritra Appalachian,” hoy ny nolazainy tamin'ny Rising Voices.

Ny Ramapough Lenape Nation no nonina tamin'ny tany izay fantatra ankehitriny ho New York sy New Jersey. Nanangona ny fikarohana avy amin'ny loharanom-baovao maro miainga amin'ny fandraketana arkeolojika hatramin'ny lovantsofina avy amin'ireo zokiolona ny artista.

Amin'ny alalan'ny Instagram (@ndn.o [3]) ry Ótaés no namoaka singan-javakanto mihoatra ny 110. Ohatra, ity iray ity manintona ny fifantohana amin'ny zavamisy fa ampahatelon'ny ankizy Amerikana Tompotany (vazimba) [4] no miaina ao anaty fahantrana:

View this post on Instagram

Native Americans experience the highest rate of poverty, nearly double the national average (and triple in areas). [5]

A post shared by Òtaès [6] (@ndn.o) on

Ny Amerikana Tompotany (teratany) no mizaka ny fahantrana lalina indrindra, efa ho avo roa heny amin'ny taha manerana ny firenena ( na intelo avy heny any amin'ny faritra sasany

Amin'ny alalan'ny zavakanto ry Ótaés no miresaka hantsana eo amin'ny rafi-pitsarana, herisetra atao amin'ny vehivavy, olona aretin-tsaina, ary fanavakavaham-bolonkoditra atrehin'ny vahoaka Amerikana tompotany (vazimba).

Ny sasany amin'ireo hafatra dia mifantoka amin'ny tantara vao haingana nitorian'ny Firenena Ramapough Lenape teny amin'ny fitsarana [7] ny Ford Motor Company. Ampangain'ny Rampapough Lenape Nation io orinasa io amin'ny fanariana fako mety hitera-doza any amin'ireo toeram-pitrandrahana ao New Jersey efa nilaozana saingy nahatratra ny tanin-dry zareo vazimba tompotany, izay miteraka olana ara-pahasalamana eo amin'ny mponina:

View this post on Instagram

Happy birthday, mom [8]

A post shared by Òtaès [6] (@ndn.o) on

[ny soratra: Tokony mbola velona ny reniko raha tsy nanary fotaka taimbiraty 30 tapitrisa gallons ta min'ny tanin'ny Ramapough Lenape tao anatin'ny roapolo taona ny Ford Motor Company. Mararin'ny aretina sy homamiadana tsy fahita firy ny reniko, ny zanaky ny iray tampo amin'ny ray aman-dreniko, ny fianakaviako. Ny tany nahalatsahan'ny tavoninay (ny taninay) no nataon-dry zareo fanariam-pako.]

Soa ny tsingerintaonanao r'ineny

Matetika i Ótaés no manipy antontanisa mampihoronkoditra momba ny fiainan'ny Amerikana Tompotany (teratany) ao amin'ny asany hanaovana fanairana amin'ny tsi-rariny mianjady amin'ny vahoakany.

View this post on Instagram

A post shared by Òtaès (@ndn.o) [9] on

Ny tompotany no manana taham-pahavelomana fohy indrindra amin'ny foko rehetra

 

View this post on Instagram

Invading and murdering nations then wearing a disrespectful parody of the culture you tried to erase is unacceptable. We will not allow you to profit off our indigenous identity. [10]

A post shared by Òtaès [6] (@ndn.o) on

Mananibohitra sy mamono firenena ary avy eo mitafy hala-tahaka am-panesoana ny kolontsaina tianao hofafana dia tsy azo ekena. Tsy ho avelanay hanararaotra ny mari-panondroana maha-tompotany anay ianareo.

View this post on Instagram

Only 47 of the nation’s 570+ federally recognized tribes are part of DOJ’s crime statistic/occurrence exchange. Virtually no information is being collected by the US government on missing people, murders, abuse. Why? Because the tribes must PAY (!!!) to be involved and meet other very rigorous guidelines that Nations struggling to stretch budgets can not afford. Again, most crime committed against natives is by non-natives (70-90%) and the US government feels no need to ensure they know how much crime is being caused by their own citizens… #mmiw [11]

A post shared by Òtaès [6] (@ndn.o) on

Ny 47 amin'ny foko mihoatra ny 570 ankatoavina fisiana ihany no ao anatin'ny antotanisan'heloka noraketin'ny DOJ. Ara-virtoaly dia tsy misy torohay voarakitry ny governemantan'i Etazonia amin'ny isan'ny olona nanjavona. Nahoana? Satria tsy maintsy MANDOA (!!!) amin'ny fandraisana anjara sy amin'ny fanarahana ny torolalan'ny Firenena miady mafy hahatratra ny tetibola tsy ho zaka akory. Averina holazaina indray, ny ankamaroan'ny famonoana tompotany ho faty dia nataon'ny tsi-tompotany (70-90%) ary mahatsapa tena ho tsy mila mahafantatra izay isan'ny heloka bevava ataon'ny olom-pireneny ny governemantan'i Etaonia…

 

Raha te-hijery ny andiany manontolo ianao dia tsidiho ny kaonty Instagram an'i @ndn.o [3].