- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fitsidihan'ny Sekreteram-panjakana Hillary Clinton tany Ekoadaoro 

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandritra ny ora efatra, ny Sekreteram-panjakana Amerikana [1], Hillary Clinton, no vahiny nisongadina tao Quito, renivohitr'i Ekoadaoro. Tonga tao amin'ny Lapan'ny Carondelet [2] i Clinton ny hariva, ilay foiben'ny governemanta Ekoadaoreana, mba hihaona amin'ny filoha Ekoadaoreana sady filohan'ny Fikambanan'ny Firenena Amerikana Atsimo (UNASUR), Rafael Correa [3]. Tao amin'ny hafany, nanambara mazava i Clinton fa: “ Maniry ny hiara-hiasa amin'i Ekoadaoro sy ireo firenena hafa ny Amerikana mba hamahana ny olan'ny taonjato faha 21 [4]. “

[5]

Tao amin'ny Trano Mavo ao amin'ny Lapan'i Carondelet. Clinton sy Correa nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety. Sary avy amin'ny Presidencia de la República del Ecuador

Nihaona tamin'i Correa i Clinton mba hiresaka momba ny olan'ny fifindra-monina, ny fiaraha-miasa, ny varotra ary ny filaminam-paritra, araka ny nambaran'ny ambasadaoron'i Ekoadaoro any Etazonia, hoy i Luis Gallegos [6] . Ny fifanakalozan-kevitra momba ny olan'ny fifindramonina sy ny fananganana ilay antsoina hoe Lalànan'i Arizona no laharam-pahamehana tamin'ny fandaharam-potoana, hoy i Gallegos nanamafy. Araka ny tombatombana, Ekoadoreana manodidina ny 2 tapitrisa no monina any Etazonia; Noho izany, zava-dehibe ho an'ny Ekoadoreana ny firesahana ny olan'ny fifindramonina. Tsy tokony hisalasala amin'ny fifampiresahana miaraka amin'ny hery manerantany i Ekoadaoro sy i Amerika Latina, hoy i Gallegos.

Namintina ny zava-nitranga tany Quito ny 8 Jona 2010 ny CRE Blog [7]. Tamin'ny ankapobeny dia niteny izy ireo fa samy nanaiky ny hiara-hiasa ny roa tonta mba hahatrarana ny hetaheta iraisan'ny tsirairay. Nanamarika i Correa fa misy ny fifandirana, saingy voavaha avokoa izy rehetra; Nanampy izy fa nanaiky ny lohahevitra ifampiresahana ry zareo, toy ny fanajana ny demokrasia, ny ady amin'ny fanondranana zava-mahadomelina, ary ny fifindra-monina. Nilaza ihany koa i Correa fa taorian'io fitsidihana io dia hiara-hiasa ao anatin'ny fahavitrihana bebe kokoa ny firenena roa tonta.

Naneho ny fihetsem-pony mikasika ny fitsidihan'i Clinton an'i Ekoadaoro ireo mpisera Twitter. Nanontany tena ny mpisera sasany toa an'i Pablo Cozzaglio [8] (@pablocozzaglio) hoe:

[…] Qué buscarán los gringos, con ese súbito interés por Ecuador?

[…] Inona no tadiavan'ireo vahiny Amerikana, amin'ny fahalianana tampoka an'i Ekoadaoro ity?

Etsy ankilany, mahatsapa fanantenana kokoa i Andy Martinez [9] (@ andrs78) . Nisioka izy:

Hillary Clinton en Ecuador….quizas algo esta cambiando?

Hillary Clinton any Ekoadaoro …. angamba hisy zavatra hiova?

Amin'ny maha mpitondra lehibe azy any Amerikana Avaratra dia nanandratra fanantenana lehibe i Clinton. Saingy tsy ny Ekoadaoreana rehetra no faly tamin'ny fitsidihany. Nisy vondrona mpikatrotra elatra havia [10] nanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny Lapan'i Carondelet; Nanohitra ny fitsidihan'ity Sekretam-panjakana Amerikanina ity izy ireo ary nandoro mihitsy ny sainan'i Etazonia aza. Fantatra fa mpikambana ao amin'ny Hetsika Demokratika Malaza (MPD [11]) sy ny Antoko Komonista Marksista Leninista ao Ekoadaoro (PCMLE [12]) ireo mpanao hetsi-panoherana. Nasehon'izy ireo ny sora-baventy izay mivaky hoe “Tsy mila lalànan'ny fifindramonina manavakavaka” sy ny hoe “Tsy mila an'i H. Clinton eto Ekoadaoro. “

Na izany aza, tsy niombon-kevitra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ilay mpisera Twitter Vicente Alvarado [13]. Hoy ny sioka nalefany :

Ecuador avanza en relaciones con USA… MPD atrasa pueblo,protestando contra de Clinton. Saben cuanto comercializamos con USA? Ignorantes

Mivoatra ny fifandraisan'i Ekoadaoro amin'i Etazonia… Mifehy ny vahoaka ny MPD , manohitra an'i Clinton. Fantany ve hoe ohatrinona ny varotra antsika any Etazonia? Vendrana.