(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Nandritra ny ora efatra, ny Sekreteram-panjakana Amerikana, Hillary Clinton, no vahiny nisongadina tao Quito, renivohitr'i Ekoadaoro. Tonga tao amin'ny Lapan'ny Carondelet i Clinton ny hariva, ilay foiben'ny governemanta Ekoadaoreana, mba hihaona amin'ny filoha Ekoadaoreana sady filohan'ny Fikambanan'ny Firenena Amerikana Atsimo (UNASUR), Rafael Correa. Tao amin'ny hafany, nanambara mazava i Clinton fa: “ Maniry ny hiara-hiasa amin'i Ekoadaoro sy ireo firenena hafa ny Amerikana mba hamahana ny olan'ny taonjato faha 21. “
Nihaona tamin'i Correa i Clinton mba hiresaka momba ny olan'ny fifindra-monina, ny fiaraha-miasa, ny varotra ary ny filaminam-paritra, araka ny nambaran'ny ambasadaoron'i Ekoadaoro any Etazonia, hoy i Luis Gallegos . Ny fifanakalozan-kevitra momba ny olan'ny fifindramonina sy ny fananganana ilay antsoina hoe Lalànan'i Arizona no laharam-pahamehana tamin'ny fandaharam-potoana, hoy i Gallegos nanamafy. Araka ny tombatombana, Ekoadoreana manodidina ny 2 tapitrisa no monina any Etazonia; Noho izany, zava-dehibe ho an'ny Ekoadoreana ny firesahana ny olan'ny fifindramonina. Tsy tokony hisalasala amin'ny fifampiresahana miaraka amin'ny hery manerantany i Ekoadaoro sy i Amerika Latina, hoy i Gallegos.
Namintina ny zava-nitranga tany Quito ny 8 Jona 2010 ny CRE Blog. Tamin'ny ankapobeny dia niteny izy ireo fa samy nanaiky ny hiara-hiasa ny roa tonta mba hahatrarana ny hetaheta iraisan'ny tsirairay. Nanamarika i Correa fa misy ny fifandirana, saingy voavaha avokoa izy rehetra; Nanampy izy fa nanaiky ny lohahevitra ifampiresahana ry zareo, toy ny fanajana ny demokrasia, ny ady amin'ny fanondranana zava-mahadomelina, ary ny fifindra-monina. Nilaza ihany koa i Correa fa taorian'io fitsidihana io dia hiara-hiasa ao anatin'ny fahavitrihana bebe kokoa ny firenena roa tonta.
Naneho ny fihetsem-pony mikasika ny fitsidihan'i Clinton an'i Ekoadaoro ireo mpisera Twitter. Nanontany tena ny mpisera sasany toa an'i Pablo Cozzaglio (@pablocozzaglio) hoe:
[…] Qué buscarán los gringos, con ese súbito interés por Ecuador?
[…] Inona no tadiavan'ireo vahiny Amerikana, amin'ny fahalianana tampoka an'i Ekoadaoro ity?
Etsy ankilany, mahatsapa fanantenana kokoa i Andy Martinez (@ andrs78) . Nisioka izy:
Hillary Clinton en Ecuador….quizas algo esta cambiando?
Hillary Clinton any Ekoadaoro …. angamba hisy zavatra hiova?
Amin'ny maha mpitondra lehibe azy any Amerikana Avaratra dia nanandratra fanantenana lehibe i Clinton. Saingy tsy ny Ekoadaoreana rehetra no faly tamin'ny fitsidihany. Nisy vondrona mpikatrotra elatra havia nanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny Lapan'i Carondelet; Nanohitra ny fitsidihan'ity Sekretam-panjakana Amerikanina ity izy ireo ary nandoro mihitsy ny sainan'i Etazonia aza. Fantatra fa mpikambana ao amin'ny Hetsika Demokratika Malaza (MPD) sy ny Antoko Komonista Marksista Leninista ao Ekoadaoro (PCMLE) ireo mpanao hetsi-panoherana. Nasehon'izy ireo ny sora-baventy izay mivaky hoe “Tsy mila lalànan'ny fifindramonina manavakavaka” sy ny hoe “Tsy mila an'i H. Clinton eto Ekoadaoro. “
Na izany aza, tsy niombon-kevitra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ilay mpisera Twitter Vicente Alvarado. Hoy ny sioka nalefany :
Ecuador avanza en relaciones con USA… MPD atrasa pueblo,protestando contra de Clinton. Saben cuanto comercializamos con USA? Ignorantes