- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny herinandro tao Bahrain

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Angletera, Bahrain, Emirà Arabo Mitambatra, Italia, Jordania, Palestina, Soisa, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika, Teknolojia, Tsidika, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2006)

Herinandro hafa mafana ny tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Bahrainita, ahitana bilaogera mitolona ao ambadiky ny fanentanana fanoherana ny sektarisma antsoina hoe Just Bahraini [1] (Bahrainita fotsiny); ny hafa kosa vao tafaverina tamin'ny fialantsasatra lavalava; ary misy iray mankalaza ny andro nahaterahany (?)!

Eo amin'ny politika eo an-toerana, Mahmood Al Yousif [2] mampahafantatra antsika ny zava-mitranga eny ifotony.
Tsy toa faly loatra izy fa voafidy noho ny tsy fisian'ny hafa ny vehivavy Bahrainita voalohany nahazo ny seza tao amin'ny parlemanta  [3]ka tsy nitsitsy ny  teniny momba izany izy.

She somehow changed her residence to the islands of Hawar, those strips of land rich in bird life (it’s supposed to be a natural reserve with even osprey nesting there habitually) and very rich sea life around it too with the dugong making their home in the deep water channels around the islands. But in that constituency there are only 1,000 voters, and I’m not sure if the dugong and the shags are actually counted too, but I’ll give them the benefit of the doubt and say she won fair and square. However, before doing that completely, I must confess my confusion that in an election that every single seat is fought and every single constituency fielding at least 2 candidates, how come the political societies didn’t wake up to the fact that Hawar was up for the taking?

Nanova toeram-ponenana izy ka nifindra tany amin'ireo nosy Hawar, ireo tetezatany manankarena fiainam-borona (heverina ho tahirin-tany voajanahary ahitana ireo “(vorona lehibe mpihinana trondro)” monina mahazatra ao izany) sy fiainana an-dranomasina manankarena manodidina azy koa ahitana dugong manori-ponenana ho any amin'ny rano lalina manodidina ireo nosy. Ao amin'io faritra io dia 1.000 fotsiny ny mpifidy, ary tsy azoko antoka raha nisaina ihany toa ireo dugong sy ny [biby], saingy omeko tombony amin'ny fisalasalana ry zareo ary hilaza fa nandresy ara-drariny sy marina izy. Na izany aza, alohan'ny hanaovana izany tanteraka, tsy maintsy miaiky ny fikorontanako aho fa amin'ny fifidianana izay hiadiana ny seza tokana amin'ny fari-pifidianana tokana tokony manana kandidà roa farafahakeliny, ahoana no nahatonga ireo fiarahamonina ara-politika tsy nifoha tamin'ny zava-misy fa vonona horaisina i Hawar?

Tamin'ny fifidianana teo an-toerana nokarakaraina tamin'ny 25 Novambra, tsy faly ihany koa i Mahmood fa mbola nirotsaka indray ny mpitondrateny teo aloha [4] – na dia efa nilaza aza izy tany am-boalohany fa tsy hirotsaka.

The last minute entrance, although he would like to think is being dramatic, the fact of the matter Harry is much better at it. Nevertheless, his excuse is that he was in conference with God, as he does every Ramadhan in the last 10 days. Don’t know what they were talking about (I think it really was just a single-sided conversation if you ask me, and Dhahrani has the hammer) but I guess he interpreted the conversation that he has to do his public duty and place his posterior on an already reserved Speaker of the House leather seat.

Ny fidirana amin'ny minitra farany, na dia te-hieritreretra aza izy fa mampihetsi-po, ny zava-misy fa tsara kokoa i Harry amin'izany. Na izany aza, ny fialantsiny dia hoe nanatrika ny fihaonambe niaraka tamin'Andriamanitra izy, tahaka ny nataony tamin'ny Ramadana rehetra tao anatin'ny 10 andro farany. Tsy fantatro izay noresahin'izy ireo (mihevitra aho fa resaka tokana antsisiny ihany izany raha manontany ahy ianao, ary i Dhahrani no manana ny martòa) saingy heveriko fa nandray ny resadresaka izy hoe tsy maintsy manao ny adidiny ara-panjakana ary mametraka ny ivohony eo amin'ny seza hoditra natokana ho an'ny filohan'ny antenimiera .

Eo amin'ny tontolon'ny bilaogy mamindra aretina, namindra ny aretina tany amin'ny rahalahiny Hani, izay monina any Angletera i Mahmood.

Amin'ity herinandro ity, milaza amintsika momba ny hadalana vaovao – iphones [5] i Hani, mampiseho antsika horonantsary avy amin'ny fampisehoana talenta Japoney [6] izay mahatonga azy hiari-tory ary mampahafantatra antsika mpanakanto vaovao [7].

Manao izany rehetra izany izy raha sahirana amin'ny fakàna sary dokambarotra Johnnie Walker [8]!

Lavitry ny asa, mankalaza ny tsingerintaona nahaterahany i Blayde [9] mahita mailaka marobe avy amin'ny forum misy azy. Midira ao ary arahabao i Blayde noho ny tsingerintaonany mba hahatonga azy hahatsapa ho sambatra kokoa!

Mandritra izany fotoana izany dia niverina tany Bahrain i Bint Battuta [10] taorian'ny iraka fiteteza-tany nitondra azy tany Emirà Arabo Mitambatra, Italia, Angletera ary Soisa, araka izay nangoniko tao amin'ny bilaoginy.

Tafasisika tanelanelan'ireo tovovavy Maraokana [11] tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenen'i Bahrain, taitra i Bint Batutta raha niezaka nihoa-pefy ireo tovovavy tao ambadika.

Lavitra ireo olana ao an-toerana, Haitham Sabbah [12], ‘Bilaogera Palestiniana [13]‘ monina any Bahrain, namoaka sary iray momba ny Fianakaviana Voalohany any Jordania eo am-pankafizana sakafo amin'ny alina [14] tao amin'ny trano fisakafoanana “manetry tena” sy “feno olona” ao Amman.

Tsy fahita firy tokoa izany hita izany satria amin'ny angano ihany no mba ahitana ny fianakaviam-panjaka ao amin'ny tontolo toy izany!