- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

KISARY FANAZAVANA: Vola Bebe Kokoa Ho An'ny Polisy Mizihi-kibo Ao Okraina

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 25 Martsa 2013)

Mahasolo teny an'arivony maro ny sary sasany – ary toy izany koa ireo kisary fanazavàna vitsivitsy.

Milaza amintsika ilay angondrakitra an-tsary momba ny fampiharana ny lalàna izay nifampizaràn'ireo Okraina maro mpampiasa Facebook fa tena lehibe ny polisin'ny firenena ary mahazo famatsiam-bola bebe kokoa hatrany avy amin'ny fanjakana nandritra izay taona vitsivitsy lasa izay.

Araka ilay kisary fanazavàna voalohany, izay nozarain'ireo 1.160 mpampiasa Facebook , manana polisy 644 isaky ny vahoaka 100.000 i Okraina. Eo alohan'i Okraina i Belarosia izay manana polisy 1441, Rosia 975, ary Kazakhstana 713. Kanadà no farany, izay 193 polisy fotsiny isaky ny olontsotra 100.000 ao aminy.

The number of police officers per 100,000 of population. [1]

Polisy isaky ny 100.000 amin'ny mponina. Loharano: censor.net.ua

Ireo ambany ireo ny sasany amin'ireo valinteny miavaka avy tamin'ny mpampiasa Facebook.

Wladislav Stromecki [2] [Rosiana]:

Fomba [sovok [3]] iray matetika hita – habetsahana mihoatra ny kalitao…

Alexander Goosecow [4] [Rosiana]:

Tena matahotra mafy ny vahoakany ny fitondram-panjakana. Tena miteny tsara.

Nikolay Chupashkin [5] [Rosiana]:

Toa afaka mahomby tsotra ihany amin'ny famoronana tsy ny [Sendikàn'ny Fadin-tseranana [6]], fa ny Sendikan'ny Polisy ireo firenena efatra voalohany ireo! Vonona avokoa ny zavatra rehetra!!!

Volodymyr Bury [7] [Okrainiana]:

Iray amin'ny fomba mety handikana ny hevitry ny famoronana asa.

Mitodika any amin'ny famatsiana ny Biraon'ny Lehben'ny Fampanoavana, Minisitry ny Atitany, ary ny Sampam-piarovana ao Okraina ity kisary fanazavàna manaraka ity. Nahazo 15 lavitrisa hryvnias (eo amin'ny 1,8 lavitrisa dolara eo) ny sampandraharaha miandraikitra asan'ny polisy (ilay sary eo afovoany) tamin'ny 2013, izay mihoatra ny 3.2 lavitrisa hryvnias (eo amin'ny 400 tapitrisa dolara) mihoatra noho ny azony tamin'ny 2010.

Victor Yanukovych's Police State: how funding for law enforcement agencies has been growing in 2010-2013, in billions of hryvnias. [8]

Ny Fanjakana Polisin'i Victor Yanukovych: manao ahoana ny fitomboan'ny famatsiambola ho an'ny sampandraharaha misahana ny fampiharana ny lalàna teo anelanelan'ny taona 2010 sy 2013, amin'ny lavitrisa hryvnias maro.

Nanoratra [9] i Anatoliy Kostyukh [Okrainiana]:

Fanjakana Polisy iray – ampitoniany sy ampitahoriny amin'ny alàlan'ny fanampian'ny ministeran'ny atitany isika, ary toy izany koa no hiarovany ny zavatra nobaboin'izy ireo… […]

Asehon'ilay kisary fahatelo, izay nozaraina im-402 tao amin'ny Facebook, fa ny siansa, miaraka amin'ireo 3,1 lavitrisa hryvnias ireo (eo amin'ny 100 tapitrisa dolara eo) avy amin'ny volam-panjakana tamin'ny 2012, dia tsy laharam-pahamehana ao Okraina – tsy mitovy amin'ny polisy, izay nahazo efa ho in-dimy avy heny amin'io antontam-bola io  tamin'ny taona lasa.

Ukraine: state funding of police vs. state funding of science in 2010-2012. Source: RFE/RL. [10]

Okraina: famatsian'ny fanjakana vola ny polisy vs. famatsian'ny fanjakana vola ny siansa tamin'ny 2010-2012. Loharano: RFE/RL

Nanoratra [11] i Mamay Kozak [Okrainiana]:

Asehon'ny haavon'ny famatsiambola ny siansa ny toetra mpanjanaka ananan'ny governemanta Okraniàna .

Nanoratra [12] i Violeta Magarit [Okrainiana]:

Ho azontsika ireo dinôzaoro: matanjaka, mahery setra, nefa ny atidoha toy ny haben'ny pitipoa.

Mba hanasongadinana ny zavatra bebe kokoa, ity misy lahatsary fanazavàna fohy [13] [Rosiana] tamin'ny volana Janoary 2012 mikasika ny polisy Okrainiana, izay novokarin'ny “Prostyye Chisla” (”Ireo Isa Tsotra”; Rosiana; ao amin'ny Facebook [14], ao amin'ny VKontakte [15]) :

Manomboka miaraka amin'ilay ampahany miresaka ”habetsahana” izay efa vaoresaka  tetsy ambony ilay lahatsary – fa miresaka mikasika ny endrika ”kalitao” ihany koa: