- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampitambatra sary kanto miboridana miaraka amin'ny tanjona fanangonambola ho an'ny asa soa amin'ny mahaolombelona ny andiany vaovao amin'ny tetiandro Makedoniana ao amin'ny Twitter

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 27 Desambra 2018)

[1]

Sombin-tsary vitsivitsy avy ao amin'ny Tetiandro Twitter ho an'ny 2019 navoaka tany Makedonia. Sary avy amin'i Zvonko Plavevski, CC BY-NC-ND 4.0

Navoaka tamin'ny Alahady 23/12/2018 alina tany Skopje ny andiany vaovao tamin'ny Tetiandro Twitter (#ТвитерКалендар [2]), izay manasongadina andiana sary miboridana maro. Ity no andininy faha-5 tamin'ity hetsika fisantarana ity izay manolotra ny vola ho fanohanana hetsika maro ho an'ny mahaolombelona. Homena ny Fikambanana Tsy Miankina iray izay miara-miasa amin'ireo tsy manan-kialofana ny vola azo amin'ity taona ity.

Tsy misy ifamatorany mihitsy amin'ny Twitter amin'ny maha-orinasa azy ilay hetsika. Amin'ny fomba fitenin'ireo Makedoniàna mpampiasa tambajotra sosialy, ny fanatovanana ny teny hoe ‘Twitter’ aminà hetsika iray dia midika hoe hetsika nokarakarain'ny Twitter ary mampiaty ireo mpampiasa azy ao an-toerana. Ohatra, #TwitterBasket (#ТвитерБаскет) dia fomba iray malaza hikarakarana lalao baskety ho fialana voly eo amin'ny samy mpibitsika Twitter

Ilay mpaka sary Zvonko Plavevski (@Giotto_mkd [3]) no nanao ny  Tetiandro Twitter 2019 [4], ary mpilatsaka an-tsitrapo avy ao amin'ny vondrom-piarahamonina Makedoniana ao amin'ny Twitter ireo lasibika, izay namaly ny antso malalaka nanerana ilay tambajotra sosialy.

Sary nataon'ilay mpaka sary matihanina sady mpikatroka niomerika Zvonko Plavevski, natao tao amin'ny fampahafantarana ilay Tetiandro Twitter.

Manaraka ny fomba nentim-paharazana hita tamin'ireo andiany teo aloha, hatolotra amin'ny tanjona mahaolombelona ny vola voaangona mandritra ny famarotana ilay dika printy amin'ny taratasy malamalama. Amin'ity taona ity, ho ampahafantarina ao amin'ny trano fisotroana iray ao afovoan'i Skopje amin'ny alàlan'ny fampirantiana izay manasongadina ireo sary.

#TetiandroTwitter [toerana fampiratiana]

Tamin'ny  2013 [13], namoaka ny Tetiandro Twitter voalohany indrindra [14] ny vondrona mpikatroka iray mba hampiroboroboana ny fanentanana mikasika ny homamiadan'ny nono. Nampahafantatra ny fanabeazana ara-nofo sy ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ny tetiandro ho an'ny taona 2014 [15]. Ny 2016, nanolotra fehezana taokantony fiboridanana ny tetiandro, nentina nanampiana ilay atleta Gorazd Nikoloski [16] amin'ny adiny ain'ny aretina homamiadana izay voahangona tamin'izany.

Tamin'ny Desambra 2016, [17] notohizan'i Plavevski ilay fomba fanao, rehefa namoaka ny tetiandro ho an'ny 2017 [18] izy, izay nanentanany momba ny fisorohana ny aretina VIH/SIDA [18].  Nanapa-kevitra ny hanome ilay vola voaangona ho an'ny Fikambanana Tsy Miankina  Real Acts of Kindness [19] izay manome ireo filàna fototra toy ny sakafo sy akanjo ho an'ireo olona tsy manan-kialofana ary fianakaviana miaina ao anatin'ny fahantrana farahidiny ilay ekipa nandray anjara tamin'izany.

Tao anatin'ny fanambarana iray ho an'ny Global Voices, nanazava i Plavevski fa teo amin'ny roa volana teo no nilaina nanaovana na nanomanana ilay izy.

Naniry mafy noho ny teo aloha ny handray anjara tamin'ireo fakàna sary ireo mpandray anjara tamin'ity taona ity. Ary koa, niova ny fihetsiky ny vahoaka, ary tsy dia mahita ilay fiboridanana ho toy ny zavatra mahatohina loatra izy ireo. Toa lasa zatra amin'ny fiboridanana ara-kanto ny vahoaka, ary niandry ilay tetiandro no sady koa nanome tsikera ny kalitao ara-kanton'ilay izy.

Hetsika isantaona fanaon'ny Vondrom-piarahamonina Twitter

Ankoatra ilay Tetiandro Twitter, nametraka fomba fanao maro hafa ny vondrom-piarahamonina Makedoniana ao amin'ny Twitter izay ahitana hetsika roa hafa fanampiny fanao isantaona, tanterahana rehefa faran'ny taona.

Ny fomba fanao voalohany, manangana Hazo Noely vita avy amin'ny tavoahangy plastika nangonina, natao hampiroboroboana ny fanentanana mikasika ny hasarobidin'ny fanodinana akora. Nanomboka tamin'ny 2011 [20] izy io, izay nentanin'ny ohatra iray avy tany Kraunas, Litoania.

Miomana amin'ny alalan'ilay tenifototra #ЕлкаМК ireo mpandray anjara, manakambana ny teny ”elka” izay midika hoe hazo kesika [21] ary koa ny soratra famantarana ny firenena MK. Ny dikanteny Makedoniana an'ilay fiteny hoe ”Hazo Krismasy” dia ”Hazon'ny Taombaovao” (новогодишна елка [22]) ary ampifandraisina amin'ny fankalazana ny Taombaovao, fa tsy dia hoe ilay fankalazana ny Krismasy araka ny fomban'ny Kristiana Ortodoksa loatra, izay ankalazaina araka ny Tetiandro Ntaolo rehefa 7 Janoary.

Ahitana fivoriana izay itondran'ny mpandray anjara tavoahangy plastika amin'ny lokony maro samihafa ilay hetsika fandraisana andraikitra, manakambana azy ireo haka endrika  hazo. Karazana fankalazana ny fanahin'ny fihavanana ihany koa ilay hetsika, miaraka amin'ny sakafo sy zava-pisotro ifampizaràna.

Antsoina hoe #LokaTwitter (#ТвитерНагради [26]) ilay hetsika mahazatra fahatelo ary mampiditra fifidianana iombonana ao amin'ny sokajy toy ny ”tenifototra tsara indrindra” ary lehilahy na vehivavy mpampiasa Twitter ”tsara indrindra”, ary hatramin'ny hoe ”mpahay rafibika tsara indrindra” sy fanomezam-boninahitra hafa. Mahatonga azy ho somary miteraka adihevitra ny natiorany, satria tena kely ny fahatokisan'ny vahoaka ao anatin'ny fiarahamonina Makedoniana noho ny fanararaotan'ny rafi-pifidianana ataon'ireo antoko politika, noho izany ananan'ny olona ahiahy daholo ny karazana fifidianana rehetra.

Dona kely ho an'ireo mpikarakara ny #LokaTwitter tamin'ny fikirizan'izy ireo izay nitazona ity hetsika ity ho velona foana na teo aza ireo fanehoankevitra feno fankahalana…

Aorian'ilay fifidianana an-tambajotra, atlotra mandritra ny hetsika ho an'ny daholobe ireo loka izay ahitana seho an-tsehatra ary fifaneraserana eo anivon'ireo samy mpampiasa Twitter mety mbola tsy nihaona nivantana mihitsy taloha. Manome hasina ihany koa ireo mpikambana ao aatin'ny vondrom-piarahamonina izay nodimandry [29]nandritra ny vanim-potoana teo aloha ny Loka Twitter.

Nankany amin'ny #LokaTwitter aho omaly, nanao ezaka mba hampifaly anay rehetra i @vikoheyeah, noho izany toy izao no hamintinako azy…
– Izaho no olona antitra indrindra tao anaty efitrano
– Feno tovolahy sy tovovavy tanora ary tsara tarehy
– Tsy tany ireo ”Andriamanitry ny Twitter”, toy ireo [sangany] hafa ao amin'ity firenena ity, naneho avonavona izy ireo ary tsy nipoitra…
– Manja be i @kamijon007!

Na dia tsy mahatonga ny Twitter Makedoniana ho tsy manam-paharoa aza ilay tetiandro, ilay hazo Krismasy, ary ireo fety fizarana loka, mampiseho ny fahafahan'ity tambajotra sosialy ity hamorona vondrom-piarahamonina sy hitondra fiovàna sosialy tsara izany.