Bolivia: Toby Miaramila Any Amin'ny Sisintany Ary Fifandirana Anaty

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 23 Oktobra 2006)

Resahina eny anivon'ireo blaogy miresaka politika avy any Però sy Shily ny fifanarahana teo amin'i Bolivia sy Venezoela ny hanao fotodrafitrasa ara-tafika eo amin'ny sisintany iraisan'i Paragoay, Shily, Però ary i Brezila.

Miombon-kevitra ireo blaogera Shiliana mpifikitra amin'ny nentindrazana  manoratra ao amin'ny El Rincón de Michelle [Espaniola] fa tokony heverina ho toy ny porofon'ny maha-loza mitatao misoko miafina ny Filoha Venezoeliana, Hugo Chávez, ho an'ireo firenena Tatsimo” ilay fifanarahana.

Mifanohitra amin'izany; tsy mihevitra ireo fanehoankevitray ny mpifikitra amin'ny nentindrazana ho toy ny fanitarana be loatra ireo mpandray anjara tamin'ny tafatafa tao El Morrocotudo - gazetin'olontsotra iray mivoaka isanandro ao Arika. Asongadin'i Ignacio Lozano fa mety manana tanjona handemena ny tanjona kendren'i Venezoela hahazoana toerana ao amin'ny Filankevi-Piarovana ao amin'ny Firenena Mikambana ilay adihevitra be (mikasika izany, henoy ny Reporte Duna / podcast [Espaniola]). Asongadin'i Emanuel González fa ambony noho izay kasain'i Bolivia hampiasaina ny antontam-bola ampiasain'i Shily sy Però amin'ny fitaovam-piadiana.

Chile a gastado en armamentos alrededor de 3,000 millones de dolares ultimamente, Peru se dispone a gastar 600 millones de Dolares y nos vamos a preocupar por que Bolivia va gastar 50 millones de dolares? (sic)

Vao haingana, nandany teo amin'ny manodidina ny 3.000 tapitrisa dolara teo i Shily ho an'ny fitaovam-piadiana. Vonona ny handany 600 tapitrisa dolara i Però, koa hanahy amin'ny handanian'i Bolivia 50 tapitrisa dolara ve isika?

Azo antoka fa hampiasa 49 tapitrisa dolara mba hananganana toby miaramila roa ao Bolivia i Venezoela: Puerto Quijaro (ao amin'ny sisintanin'i Paragoay) ary El Prado (ao amin'ny sisintanin'i Brezila). Na izany aza, hitarina amin'ny fananganana fotodrafitrasa ara-tafika miisa 24 ilay fifanarahana, na dia tsy tena hoe toby miaramila loatra avokoa aza izy ireo fa toby tsotsotra fonenan'ny miaramila.

Mihevitra i Brujo Político avy any Pero fa ny tena tanjona amin'ilay fifanarahana ara-tafika eo amin'i Venezoela sy Bolivia dia mety ny ”hamoretana ireo tolom-bahoaka izay, raha mbola mitohy, dia mety hidika tsy fahombiazan'ny governemantan'i Evo Morales” [“reprimir las causas populares que de continuar creciendo pondrían en jaque al gobierno de Evo Morales”].

Manohana hatrany izany fiheverany mikasika ireo andiana fifandirana tao Bolivia nandritra ny volana Oktobra izany i Brujo Político [Espaniola], izay maha-zava-dehibe ny  fifanandrinana Huanuni. Ao amin'ity tanàna fitrandrahana arintany ao Oruro ity, nifandona hanana ny zo hitrandraka foiben'ny firapotsy ireo mpiasa sy mpikambana amin'ny koperativa mpitrandraka. Olona 16 maty ary farafahakeliny olona 78 naratra no setrin'izany. Niteraka fikomiam-bahoaka ity krizy Boliviana ity, izay nitaky ny tsy maintsy haneken'ireo roa ampahatelon'ny Antenimieram-panorenana ny lalàm-panorenana vaovao, ny hetsiky ny mpamokatra coca, ireo tsilian-tsofina mikasika ny fikasana hanongana an'i Evo Morales ary fandrahonana ny hanao ady an-trano.

Mitazona i Bolivia-Eclipse (Avy any amin'ny nosy Utopia ao amin'ny ranomasimben'i Bolivia) fa:

Ver a Bolivia como posible agresor es un despropósito total: Bolivia es el país más pobre de Sudamérica, tiene una población muy reducida en relación a todos sus vecinos (excepto Paraguay), y no tiene las condiciones económicas, políticas, militares ni sociales para representar una amenaza militar para países como Perú, Chile o Paraguay.

Tsy misy dikany tanteraka ny fahitana an'i Bolivia ho toy ny mety ho mpisetrasetra. I Bolivia no firenena Amerikana Tatsimo mahantra indrindra, ary tena vitsy ny mponina ao aminy raha oharina amin'ny an'ireo manodidina azy (ankoatra an'i Paragoay). Ary koa, tsy mahafeno ny fepetra ara-toekarena, politika sy ara-tafika mba ho lasa loza mitatao ara-tafika ho an'ireo firenena toa an'i Pero, Shily na Paragoay i Bolivia.

Na izany aza, manontany ny tombontsoa azon'ireo vahoaka Boliviana amin'izany sy ny tena tanjona amin'ity fifanarahana ara-tafika ity i Bolivia Eclipse.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.