- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Mitady Fanendrena ny Tranombakoky ny Kolikoly

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2010)

Kasaina ho atsangana ao amin'ny faritany atsimo-atsinanan'i Sichuan ny tranombakoka iray momba ny kolikoly, araka ny tatitry ny China Daily, izay mitanisa avy tamin'ny gazety iray tao an-toerana. Mitady fanendrena avy amin'ireo mpampiasa aterineto hanondro ireo mpiasam-panjakana 100 voafatotry ny kolikoly be indrindra nandritra ny taonjato farany teo ilay tranombakoka.

Natolotra voalohany tao amin'ny blaogy bitika an [1]‘i Fan Jianchuan, mpanangana ny Tranombakoka Jianchuan any Chengdu ilay tetikasa. Nilaza izy fa hanaiky fanendrena avy amin'ny vahoaka izay afaka mifidy ao amin'ny tranonkalan [2]‘ilay tranombakokany ity farany. Ny msontsivana hahafahana misafidy ireo 100 voalohany dia ny fahanteran'ilay mpiasam-panjakana voafatotry ny kolikoly, ny masombla voakasik'izany, ny fomba nampiasaina, ny toe-javatra sy ny fiantraikany teo amin'ny fiarahamonina.

The Jianchuan Museum is a cluster of 15 museums located in Chengdu, Sichuan Province

Vondrona tranombakoka 15 miorina ao Chengdu, Faritanin'i Sichuan ilay Tranombakoka Jianchuan

Nilaza i Fan fa hangataka fanohanana avy amin'ny kaomitim-pifehezan'ny Antoko Kaominista mba hamadihana ilay hetsika santatra ho lasa foibe fanabeazana hiadiana amin'ny kolikoly. Nilaza izy fa tena malaza be ao amin'ny firenena ny fampiratiana mikasika ny kolikoly ataon'ny kaomitim-pifehezan'ny antoko, fa mbola mila foronina ny tranombakoka. Mihevitra izy fa hiteraka fiantraikany tsara eo amin'ny fiarahamonina ilay tranombakoka. Nanomboka nanavaka ireo ‘rakitry ny ela momba ny kolikoly’ avy amin'ny angona nanànany izy, izay ahitana ireo didim-pitsarana sy antontan-taratasy fiaikena heloka.

Mahazo valiny totoafo maro avy amin'ny aterineto ilay sosokevitra. Mihevitra i Qian Guilin (钱桂林) fa hevitra tena mampandroso hisy fiantraikany tsara eo amin'ny lafiny fanabeazana izany:

雨果说过:“多办一所学校,就可以少建一座监狱。”教育的力量是伟大的,没有什么比教育能够对人的思想产生更大的影响了。建贪官博物馆,比单纯让干部听一两次反腐报告或参观一两个图片展览更具震撼力和震慑力,能教育和警醒广大干部,让他们树立正确的人生观、权力观、地位观和价值观

Nilaza i Victor Hugo: ‘Izay manokatra varavaram-pianarana dia manidy fonja.’ Afaka manana fiantraikany lehibe ny fanabeazana. Lehibe noho ny fivoriana na fampiratiana roa hiadiana amin'ny kolikoly ny hery sy dona ateraky ny tranombakoka iray. Afaka manampy amin'ny fametrahana soatoavina tena izy eo amin'ny fiainana sy fahefana eo anivon'ireo Sinoa manampahefana izy.

Mandritra izany fotoana izany, manondro ireo lesoka maro ao anatin'ilay sosokevitra i Sun Jindong (孙金栋):

从内容看,百强以何标准衡量?如果以官员级别最高者入选,以贪污金额最多者入选,以手段最阴险者入选,以年龄最大、最小者入选,它是一个动态的过程,不可能象抗日战争、解放战争那样,成为已经过去、不再变化的一个静止点。因此,这个“百强”之最只能是相对而言,新的百强随时在产生,百强纪录将被不断刷新,“百强贪官”最终成为名不符实。

Eo amin'ny lafiny votoaty, ahoana no hanapahanareo hevitra momba izay ho 100 voalohany? Tsy afaka tsarainao izany amin'ny alàlan'ny toerana misy ireo manampahefana, masombola voakasika, fomba nanaovana ilay kolikoly na ny taona aza, satria miovaova ireo singa fototra ireo. Tsy mitovy amin'ireo tranga ara-tantara toy ny ady nanoherana ny Japoney na fanafahana izany, izay tsy mihontsona. Noho izany, miovaova ny hevitr'ilay hoe 100 voalohany; hipoitra any aoriana any ny vaovao hanamontsana ny tampondaka eo anivon'ireo 100 voalohany, izay tsy hampisy dikany ilay ‘100 voalohany’ intsony.

从冠名看更不确切,“百强贪官”强在何处?从本质上说,他们都是纸老虎。得势、得志、在位时,一个个貌似强大,呼风唤雨,猖狂之极。一旦败露,就成了不齿于人类的狗屎堆,成了人民的阶下囚,或者受到极刑严惩成为历史的罪人,他们强在何处?

Amin'ny lafiny fanondroana anarana, voalohany indrindra, nahoana moa izany no faritana toy ny ‘lohany’ ireo ‘100 voalohany’ ireo? Tigra vita taratasy avokoa ny ankamaroan'izy ireo. Manararaotra ny fahefana amin'ny toerana maha-manampahefana azy izy ireo. Vao voasambotra, lasa gadra ary teboka mainty eo amin'ny tantara. Nahoana no faritana toy ny ‘lohany’ izy ireo?

Raha ny mikasika ny trangana kolikoly, mihevitra i Wu Min (吴敏) fa tsy afaka manao na inona na inona manoloana ireo tomponandraikitra voafatotry ny kolikoly toy ireny ny vahoaka Sinoa. Ny manangana tranombakoka iray atokana ho an'ny kolikoly ho toy ny karazana ‘sangy ratsy’ sisa no hany azony atao.

“贪污、潜规则已经成为现在中国社会的一种文化。既然是文化,应该加以保护并好好研究。不但要建博物馆,同时,还应向联合国申请国际文化遗产。”有网友不无风趣地说到。笔者认为,导致建设“贪官馆”的根源是社会道德出现了短路。道德短路,致使良善缺失、黑白不分、公平失衡等,这种大社会背景,成为滋生腐败的温床。加之社会制度的不完善,催生着种种贪腐劣迹,充斥在民众的眼前。

Naneho hevitra ny mpampiasa aterineto iray fa ‘efa ao anatin'ny kolontsaina Sinoa ny kolikoly sy ny fitsipika miafina. Satria kolontsaina izany, tsy maintsy ho arovana tsara sy ho karohina. Tsy ampy ny fananganana tranombakoka; tokony hampiditra izany ao amin'ny Lisitry ny Lovan'ny Kolotsaina Tsy Azo Tsapain-tanana any amin'ny Firenena Mikambana’ isika. Mino aho fa misy kazarana ‘fiviliantsaina ara-moraly’ ao – misy tsy fahampian'ny rariny, hitsiny ary fahatsorana eo anivon'ny fiarahamonintsika. Ao anatin'ny tranga toy izao, ampiarahana amin'ny lesoky ny rafitra ara-tsosialintsika, no mahatonga ny kolikoly hiparitaka.

Nilaza ny Praiminisitra Sinoa Wen Jiabao tamin'ny volana Martsa fa mbola ‘voakasiky ny kolikoly’ ary iharan'ny “fampiharana tsy rariny ny lalàna sy fitondram-panjakana tsy mahomby” foana i Shina na teo aza ireo taona maro nanaovana ezaka hiadiana amin'ny kolikoly. Namoaka fitsipika etika [3]ho an'ireo manampahefana tany am-piandohan'ity taona 2010 ity i Shina, izay mamaritra tsara ireo fomba fanao 52 tsy azo ekena.