- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistana: Hamehana/ Onjam-peo Ilaina Maika Ho An'ireo Tràboina Tamin'ny Horohorontany

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 2005)

Nangataka fihetsehana avy hatrany mba hampiroboroboana ny fikorian'ny vaovao mankany amin'ireo tràboina tamin'ilay horohorontany lehibe tao Pakistana tamin'ny 8 Oktobra [1], izay nahafaty olona mihoatra ny 53.000 sy niteraka fisianà 3 tapitrisa mahery tsy manan-kialofana ny Internews, fikambanana iraisam-pirenena iray miasa ho an'ny fampandrosoana ny haino aman-jery. Tena voa be ny haino aman-jery teny amin'ny toerana nitrangan'ny loza, miaraka amin'ny fahasimbàna be nanjo ireo fandefasana onjam-peo ho an'ny daholobe sy ara-barotra ary ny fanaovana printy ny gazety sy ireo toerana fanapariahana.

Efa nanaparitaka andianà mpamokatra onjam-peo iray ahitana ekipana iray misy 12 mpanao tatitra an-gazety ny Internew mba hamokarana fandaharana hanasongadinana ny filàna maika ho an'ireo olona monina eny amin'ny faritra tratran'ny horohorontany amin'ny fiteny eny an-toerana. Alefa amin'ny onjampeo FM manokana napetraka ao amin'ny tanànan'i Abbottabad ireo fandaharana ireo, ao amin'ny Sisintany Avaratra Andrefana (NWFP) [2], miaraka amin'ny onja izay afaka mahatratra saika ny faritra rehetra voakasik'ilay horohorontany ao Pakistàna Avaratra sy ny Kashmir tantanin'i Pakistàna.

Toy izao ireo zavatra tena ilaina amin'ny resaka fotodrafitrasa fampielezana/ haino aman-jery, fanampiana  amin'ny  famokarana & fampiofanana:

- fampitàna, tandroka vy, toerana fampielezampeo mandehandeha, ary mpihary herinaratra
– mpandrakitra minidisk, solosaina finday, finday mandeha zanabolana, fitaterana, ary fanohanana ara-teknika
– fitaovana famokarana afaka hoentina tanana & mitoboka

Raha toa ka afaka manampy amin'izany filàna izany ianao na mahafantatra olona afaka manampy amin'ny fahazoana ireo fametrahana onjam-peo vonjimaika ireo dia mba mifandraisa amin'i Adnan Rehmat amin'ny laharana +92(300) 850 6354 na mifandraisa amin'ny Biraon'ny Internew ao Pakistana amin'ny laharana +92(51) 287 7984, azafady. Raha tsy izany dia afaka mandefa imailaka amin'i Adnan [3] sy i Ivan Sigal [4] ianao (Marihana hatrany fa efa tamin'ny 2005 ny lahatsoratra teny anglisy).

Loharano: ReliefWeb [5] & Fifandraisana amin'ny ekipa eny an-kianja