Kolombia: Ny fandriky ny tahiry piramidaly

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 11 Septambra 2008)

Hameçon, ligne et plomb, par ToastyKenTany aminà blaogy maro, tamin'ny alalan'ny lahatsary ary tamin'ny Facebook, manazava ny fitaka ataon'ireo rafitra tahiry piramidaly, izay famitahana fa tsy fitaovana tena izy ilay Kolombiana Diego Alejandro. Any amin'ny firenena izay tsy manisy dikany ny fananana tahiry satria ambony noho ny zanabola azo ny saran'ny fitazonana kaonty, tena mampilendalenda be ireo tetika mampanantena fananan-karena haingana ireo, raha toa ka mandoa saram-pidirana ary mampiditra mpandray anjara fito hafa mialohan'ny hahazoana zanabola tena ambony be (eo amin'ny 40 sy 70% eo) amin'ny tahiry vitany. Mitombo be ny isan'ny olona voafandrik'ity rafitra ity, ary ezahan'ny governemanta ny mitady fomba hanasaziana ireo manararaotra ny lasibatry ny fitaka ataony .

Nampiakatra lahatsary iray izay mampiseho olona milahatra eo alohan'ny DRFE, iray amin'ireo toeram-pametrahambola ireo, i Diego Alejandro, mba haka ny volan'izy ireoy, taorian'ny nanirahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna hisava ny toerana sy nakàny ny vola izay mety ho afaka nandoavana azy ireo, avy amin'ireo tahiry napetraka tao anivon'ity fikambanana ity. Na izany aza, notsaraina ho toy ny tsy ara-dalàna izany fisavana izany ary mbola miasa foana ilay fikambanana piramidaly.

https://www.youtube.com/watch?v=BmVQAe4Cv8U&amp=&hl=en&amp=&fs=1

Ao amin'ny blaoginy Denuncias y Más [amin'ny teny Espaniola], izay anarahany ny fivadihan-javamiseho mikasika ireo orinasa piramidaly maro hafa, manao ity fanehoankevitra ity i Diego Alejandro :

Para mi tristeza y la de los FUTUROS estafados, DRFE se escurrió por una grieta de nuestra “excelente” justicia; fueron allanados por la fiscalía y tomaron posesión de bastante dinero que pudo haber servido para reparar a las víctimas una vez colapse la pirámide. Pero como siempre pasa en Colombia; el juez de garantías declaró ilegal el allanamiento. El allanamiento se realizó tras el colapso de tres pirámides en Pitalito Huila.

Tena amin'ny alaheloko lehibe sy ny an'ireo HO LASIBATRY ny famitahana, tafavoaka maina noho ny antandrevaky ny fitsarana ”tsara be” antsika ny DRFE ; nosavain'ny Mpampanoa Lalàna Jeneraly ny teny an-toerana ary nalaina ny vola ampy tsara mba hamerenana ny vola tamin'ireo lasibatry ny firodanan'ilay piramida. Fa toy ny mahazatra ao Kolombia, nambaran'ny mpitsaran'ny fahalalahana fa tsy ara-dalàna ilay fisavana. Nitranga taorian'ny firodanan'ny piramida telo hafa tao Pitalito Huila [tanàna iray any Atsimon'i Kolombia] ity fidinana teny an-toerana ity.

Ao amin'ny sehatra fifanakalozankevitra Laneros [amin'ny teny Espaniola] (sehatra fifanakalozan-kevitea Kolombiana mikasika ny teknolojia, izay lasa iraisam-pirenena) dia misy resaka natokana ho an'ireo ”fantson'i Ponzi” ireo. Ao amin'ny resaka natokana ho an'ny DMG [amin'ny teny Espaniola], manohana azy ny mpanjifan'ity rafitra fampiasambola ity, izay ividianana akora mba hamarotana azy any aoriana amin'ny vidiny in-droan'ny nividianana azy, amin'ny filazana fa tamy aloha dia nandaitra taminy taloha ilay rafitra, hoe tsy nanana olana tamin'ny fahazoana ny volany izy ireo ary resy lahatra fa nateraky ny isan'ny varotra ny karaman'izy ireo, raha toa kosa ka manambara ny hafa fa tsy miteraka na mitombo ilay vola, fa raha ny marina dia volan'olonkafa ireo anjara tombombarotra, volan'ireo vao manomboka mampiasa vola.

Tamin'ny volana Jona 2008, niharana fanadihadiana polisy ary tsy maintsy nihidy nandritra ny fotoana voafetra ny DMG. Manana ny fantsony manokana ao amin'ny YouTube [amin'ny teny Espaniola] ny DMG, ary nametraka tety anaty tambajotra ny fanambarana an-gazety (Fizarana voalohany sy Faharoa) ny filohany, i David Murcia Guzmán izay nanamelohany ny sotasota nataon'ny governamanta taminy, mitaky ny fitoviana, fanadihadiana lalina sy fanapahankevitry ny fitsarana mialohan'ny hanamelohana ny orinasany ho mpamitaka, ary mangataka ny governemanta mba hihevitra ny famoronana asa 12.000 vaovao mivantana sy tsy mivantana nataon'ny DMG. Sarin'ny “diabe DMG” [amin'ny teny Espaniola] ireo sary manaraka :

Toy ny asehon'ireo ohatra teo aloha ireo, toa tsy mihevitra ny tolotra ara-barotry ny DMG ho toy ny rafitra piramidaly ny ankamaroan'ireo Kolombiana satria tsy mitaky ny fakàna mpanjifa bebe kokoa hatrany, ary tena mahazo fanohanana be i David Murcia Guzmán. Afaka jerena araka ny fifandanjan-kery tao anatin'ity ady ity tao amin'ny Facebook : misy mpikambana 35 ilay vondrona manohitra ny rafitra piramidaly sy ny famitahana, raha toa ka mihoatra ny 60.000 mpikambana kosa ny vondrona ”naman'i David Murcia Guzmán” , ary raha kely indrindra dia  misy vondrona am-polony maro manohana ny DMG.

Sary: Hameçon, Ligne, Plomb avy amin'ny ToastyKen.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.