Uyghur: Silamo Vitsy an'Isa Voaenjika any Avaratra Andrefan'i Sina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2009)

Androany, ifantohantsika ny toedraharaha atrehin'ireo Uyghur, silamo vitsy an'isa monina any Xinjiang any Sina, ny kolontsainy izay fongoran'ny governemanta fiobe sinoa, voalohany, satria noheverina ho toy ny mpitaky fizakan-tena ry zareo, ary izao dia raisina ho mpampihorohoro ihany koa, taorian'ireo fanafihana tamin'ny 11 Septambra tany Etazonia.

Tsy dia mazava amin'ireo Tandrefana ny fijalian'ireo Uyghur (Uyghur amin'ny teny anglisy fa fampiasa ihany koa ny Uygur, Uigur na Uighur) raha oharina amin'ny an'ny Bodista, ireo Uyghur izay miatrika maro amin'ireo olana atrehin'ny Tibetana noho ny finoany, toy ireo famefena ara-pinoana, ireo fanalan-jaza an-tery setra, ireo sazy an-tranomaizina sy ireo famonoana ho faty. Tanatin'ireo lahatsoratra teo aloha navoaka teto amin'ny Global Voices, afaka nanaraka ny fivoaran'ny toedraharaha iainan-dry zareo isika, izay ahitàna ny fanakatonan'ny governemanta sinoa ny sehatra fifanakalozan-keviny anaty Aterineto [amin'ny teny anglisy toy ireto rohy manaraka ireto] tamin'ny 2008, fa ihany koa ireo famoretana ataon'ny governemanta sinoa amin'ny firenena hafa mba handavany ny fanomezana fialokafolana ho an’ireo heveriny ho olo-meloka, toy ny nataony tamin'ireo gadra Uyghur 17 tany Guantanamo izay navotsotra kanefa nanaovan'i Sina hery famoretana ireo firenena sasany mba tsy hanaiky azy ireo.

Fantatra ihany koa amin'ny fomba mampiady hevitra ho Uyghurstann na Tiorkestana Atsinanana ny faritra mahaleotana Uyghur ao Xinjiang ary asongadin'ity lahatsary manaraka izay nomen'ny tetikasa Saving East Turkistan (Ndao Vonjena i Tiorkestana Atsinanana) antsika fa noho ny fanenjehana ara-pinoana, indrindra ireo fanalan-jaza an-tery setra izay saromana ho toy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ireo fahafatesana maro noho ny fanandramana nokleary, mety hanjavona ny kolontsaina Uyghur:

 

Famonoana faobe tao Tiorkestana Atsinanana (Uyghur) nataon'i Sina – lahatsary mandeha ho azy ao amin'ny Metacafe

Intý ary ankehitriny ny fanadihadiana an-dahatsary mikasika ireo Uyghur nataon'ny Fikambanana Stanley izay mampiseho fa ankoatra ny fihenan'ny isan'ireo Uyghur, miatrika famerana ihany koa izy ireo eo amin'ny fomba fanabeazana ny zanany, izay tena manafoana tanteraka ny fampitàna ny fomban-drazany ara-pinoana any amin'ny taranany, ka mamorona izay antsoin'izy ireo hoe famonoana faobe ara-kolontsaina:

Navoakan'i Juliana Rincón Parra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.