- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Anio, tohano ny Global Voices!

Sokajy: Mediam-bahoaka

Iray amin'ny zavatra nampientanentana indrindra nataonay tamin'ity taona ity ny fiainana ombam-panandramana fanapahan-kevitra nandraisan'ny maro ato amin'ny vondrom-piarahamonina anjara. Mpikambana ato amin'ny Global Voices manakaiky ny 200 manerana izao tontolo izao no nandany roa volana nifanakalozan-kevitra amin'ny fomba hanohizan'ny vondrom-piarahamonina hitondrana ny entana amin'ny filazana ireo tantara iankinan'ny ain-dehibe manampy ny mpamaky hahatakatra izay mitranga ankoatra ny ao amin'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo sy ny sisintanim-pirenen-dry zareo.

Io firosoana mankany amin'ny fampiainan-draharaha nosahanin'ny maro tato amin'ny vondrom-piarahamonina io no nametraka anay ho amin'ny toerana tsara amin'ny taona 2019. Tao anatin'izay 13 taona izay, Nitatitra tantara sy namolavola fifandraisana lalina nahatakatra kolontsaina, fiteny ary fahasamihafan-kevitra maro ity vondrom-piarahamonina matanjaka sy vory hery ity. Ny asanay no porofo fa afa-manova ny fahafantaran'ny olona izao tontolo izao ny fifandraisan'ny olona mihoatra ny tsipiky ny fahasamihafana.

Raha mandray anjara amin'ny fanomezana $25 izay rehetra mamaky ity bilaogy ity, dia afaka misahana ny lany amin'ny fampandehanana ny efitra fanoratana ato aminay izahay.

Miangavy hanome [1] hanampy anay hanohy ny asanay!

Tohanako ny asan'ny Global Voices! [1]