- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

”Tsy Vitsika Isika” : Boky Vaovao Manindrahindra ny Fijerena ny lafitsaram-piainana

Sokajy: Eoropa Andrefana, Espaina, Fanabeazana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2011)

[Amin'ny teny Anglisy avokoa ireo rohy raha tsy misy filazàna manokana]

”Amin'izay toerana andraisana ny tsy fahalalana ho hasambarana, adalàna ny fahendrena” hoy ny soratr'i Thomas Gray tamin'ny 1742. [1] Amin'izao vanimpotoan'ny tambajotram-piarahamonina sy ny haino amanjery elektronika izao, indraindray toa tsy misy afa-tsy vaovao ratsy ary tsy misy azon'ny olompirenena tsotra atao.

Mahafantatra ilay anatra taloha ny ankamaroan'ny olona, izay milaza fa mitondra mankany amin'ny hasambarana ny tsy fahalalàna, nefa mety ho ny mifanohitra amin'izay ve no mitranga, hoe ny tsy fahalalana no miteraka ny fahantrana?

Ny boky No somos hormigas [2] [amin'ny teny Espaniola] (Tsy vitsika isika) dia fanoherana ny fijerena ny lafiratsim-piainana misy eran'ny tontolo, sy ny fahatsapana ankapobeny ny fahaverezan'ny maha izy azy ny olona. Mihoatra nóho ny boky tsotra izy io, paikady feno anoherana ny hakiviana sy ny tsy fihetsehana. Kanefa tsy boky baranahiny, ankosotra na koa hoe ‘best-seller’ izy io. Ireo tanora Espaniola efatra mpanoratra [3] (rohy maty), izay mampitambatra traikefa amin'ny toekarena, fanaovangazety, fampandrosoana iraisam-pirenena, fandraharahana, varotra ary asa famoronana, dia manolotra ilay tetikasa toy ny

Boky fanoherana, torolàlana ho an'ireo mahita ny lafitsaram-piainana izay nahazo fampianarana/fahalalàna, tetikasa an-dalam-panatanterahana ao amin'ny http://nosomoshormigas.org/ [2] [amin'ny teny Espaniola], hiakam-panantenana manohitra ny krizy.

Toy izao ny fanazavàna ilay boky:

Raha vitsika isika, ho karazana biby sambatra ny olombelona. Nanjanaka ny planeta iray manontolo isika, lava kokoa ny fe-potoana iainantsika ary mahatalanjona ny zava-bitantsika ara-teknika. Na izany aza, tonga saina amin'ny halehiben'ireo fanamby tsy maintsy atrehintsika sy ireo loza ary ireo tsy rariny mbola mitoetra isika. Vondrompiarahamonina isika ary ny zavatra ataontsika, ataontsika miaraka, mitovy fiaviana isika ary, miaraka amin'ny planeta Tany, mizara hoavy itambarana. Hoavy izay miankina amintsika ny hanapahana azy.

Mizara ho toko telo ilay boky:

[4]

”Manana fahafahana lavitra nóho ny hatramin'izay hisoroka sy hitsabo ny aretina isika.”

Capítulo  1. El mundo va bien.

Los humanos hemos hecho progresos increíbles en muchísimos ámbitos en las últimas décadas: vivimos más, somos capaz de alimentar a más, a educar a más, hemos erradicado muchas enfermedades que antes eran mortales y somos más solidarios.

Toko 1. Salama izao tontolo izao.

Nanatanteraka fivoarana maro tsy mampino tamin'ny sehatra maro samihafa ny olombelona nandritra izay folo taona maro lasa izay: miaina “tsara kokoa” isika, afaka mamahana sy mampianatra olona maro nóho ny hatramin'izay, nahafongatra aretina maro nahafaty taloha ary misy fihavanana bebe kokoa nóho ny hatrizay.

No somos hormigas, chapter 2, from the press release [5]

”Saingy mbola manavakavaka ireo andrim-panjakana iraisam-pirenentsika”

Capítulo 2. Hay cosas que todavía van mal.
Muchos dirán que eso no es suficiente y que los humanos no hemos sido capaces de resolver los principales retos sociales. Es verdad. Pero vamos mejor de lo pensamos y de lo que los pesimistas nos quieren hacer creer.

Toko 2. Mbola misy zavatra tsy zarizary. 
Maro ireo hilaza fa tsy ampy izany ary tsy afaka namaha ireo fanamby ara-piarahamonina fototra ny olombelona Marina izany. Kanefa manao tsaratsara kokoa nóho ny fiheverantsika azy sy ny tian'ireo mpanahy lava hinoantsika isika.

no somos hormigas chapter 3, from press release [6]

Capítulo 3. Qué puedes hacer tú para mejorarlo.
¡Basta ya de quejarnos! El mundo está lleno de innovadores sociales, de personas que crean ideas y herramientas que nos permiten a todos vivir mejor, más sostenible y con más oportunidades para todos sin tener que renunciar al progreso. Si quieres conocerlas y saber lo que puedes hacer para vivir en concordancia con tus ideales encontrarás una selección de 120 en el libro y más en esa web.

Toko 3. Inona no atao mba hanatsaràna ny zava-misy.
Aoka izay ny fimenomenomana. Feno mpanavao ara-piarahamonina, olona mamorona hevitra sy fitaovana mba hahafahantsika rehetra miaina tsaratsara kokoa izao tontolo izao, amin'ny fomba maharitra sy ahitàna tombontsoa bebe kokoa ho an'ny rehetra, izay tsy ilàna ny famoizana ny fivoarana. Raha toa ka te hahafantatra azy ireo ianao ary maniry ny hahalala izay azonao atao mba hiainana mifanaraka amin'ny fotokevitra hijoroanao, hitanao ao anatin'ny fantina ahitàna fanavaozana ara-piarahamonina miisa 120 ao anatin'ity boky ity izany ary mbola misy bebe kokoa ao amin'ny vohikala.

Mampiditra ny Global Voices ao anatin'ny fifantenany sehatra mpanavao ny No somos hormigas.

Mampihatra ny zavatra asainy tanterahina ny ekipan'ilay tetikasa. Amin'ny alàlan'ny fampiasàna mivoatra ny infografia sy ny fanakambanana ny haino amanjery nentim-paharazana sy niomerika, manome jery mahitsy mitombina momba ny toetry ny planeta ny No somos hormigas ary manome safidy mari-pototra ho an'ny fiovàna marina.

Afaka mitopy maso ilay boky [7] (rohy maty) ao amin'ny vohikalan-dry zareo ianao ary mividy [8](rohy maty) dika printy na niomerika iray. Afaka mamaky ny bilaoginy [9]ihany koa [amin'ny teny Espaniola] ianao hahazoana vaovao sy hevi-baovao, sy hanaraka azy ireo ao amin'ny Twitter @NoSomosHormigas [10].