- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ekoadaoro: Ny taona 2009 ho an'ny tontolon'ny bilaogy Ekoadaoreana

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanam-panantenana betsaka ho an'ity taona vaovao ity (2010) ireo bilaogera Ekoadaoreana. Taorian'ny firariantsoa nentim-paharazana ho an'ny taona 2010, dia hiverenana sy hisaintsainana ny taon-dasa (2009).  Nanoratra lahatsoratra famintinana tamin'ny antsipiriany [1] tao amin'ny bilaoginy Bitácora de Calú momba ny zava-nitranga tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Ekoadaoreana, isam-bolana, nandritra ny taona 2009 ilay bilaogera Carlos Correa. Nanasa ireo mpamaky azy hanampy, ao amin'ny fizarana voatokana ho an'ny fanehoan-kevitra, ny hetsika manan-danja rehetra na fihetsiketsehana rehetra izay hadinony izy. Mamintina izany ity manaraka ity .

Nandray anjara betsaka tamin'ny hetsika mifandraika amin'ny teknolojia ireo Oniversite nasionaly toy ny Oniversite Teknika tao Loja (UTPL amin'ny teny Espaniola), izay nampiantrano ny  Kongresy CAMPUS voalohany [2] sy ny Sekoly Ambony Politeknika Amoron-tsiraka (ESPOL amin'ny teny espaniola) izay nanohana ny Facebook Developer Garage [3] (atrikasa Facebook ho an'ny mpandrafitra an-tserasera) tao Guayaquil.

Ankoatra izany, dia maro ireo tranonkala tao an-toerana no nisy nijirika tamin'ny taona 2009, amin'ny ampahany noho ny anaran-tsehatra marefo ao Ekoadaoro [4] (nic.ec) [4] . Toy izany no nahatonga ny tranonkala ao amin'ny Birao Nasionaly ho an'ny Fiarovana Ara-tsosialy [5], ny Teathra Nasionaly ao Sucre [6] sy ny Sekoly ary ny Sekolin'ny Mpanamory ao Ekoadaoro [7] lasibatry ny fanafihan'ny piraty. Na izany aza, tsy ny zava-drehetra tamin'ny taona 2009 rehetra akory no lasibatra toy izany .

Nisy ny fihaonana vitsivitsy nataon'ny bilaogera nandritra ny taona, sy ny Fihaonan'ny Fampitam-baovao An-tserasera Voalohany [8] nokarakarain'ny Ciudadania Informada (Fampitam-baovao ho an'ny Olom-pirenena) ary ny Seminera Anaty Tambajotra Sosialy ho an'ny Hoavin'ny Serasera any Ekoadaoro izay vatsian'ny Fundapi vola ihany koa. BarCamp miisa dimy no natao ary nahitana fahombiazana tao an-tanàndehiben'i Quito, [9] Guayaquil [10], Santa Elena [11], Milagro [12], ary Loja [13] .

Hetsika maro hafa no namelona ny tontolon'ny bilaogy Ekoadaoreana tamin'ny taona 2009 ary nasongadin'i Correa:

* Ny fifohazan'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogy EcuaBlogs [14] izay tantanan'i Max Souffriau

* Ny zava-nitranga samihafa, ny fianjeran'ny fiaramanidina kely iray tao an-drenivohitra, Quito, izay notantarain'ny mpisera tao amin'ny Twitter [15].

* Ny famoronana ny podcastEC [16], izay mitantara amin'ny rakipeo, ny sehatry ny teknolojia sy ny tontolon'ny aterineto.

* Ny fanombohana ny hetsika Iguana Valley [17] , “vondrom-piarahamonina an-tserasera misokatra, natsangana mba hanentanana sy hanohanana ny hetsika manodidina ny teknolojia vaovao, ary hampiroboroboana ity sehatra ity any Ekoadaoro.”