- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Meksika: Nantenaina Hanova Zavatra ilay Ezaka Fandarohana Baomba

Sokajy: Amerika Latina, Azia Afovoany sy Kaokazy, Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Japana, Kazakhstan, Korea Atsimo, Korea Avaratra, Meksika, Rosia, Tajikistan, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008)

Tanatinà distrika fizahantany iray ao Roma [1] ao amin'ny Tanànan'i Meksika, nipoaka ny baomba iray vita tànana mialoha ny nahatrarany ny tanjony, izay inoana ho ny foiben'ny polisy [2], araka ny fanamarihan'i Phillippe Saez avy ao amin'ny Defecito [es]. Vokany, maty nandritra izany ilay ahiahiana ho mpandaroka baomba, nefa dia namela fanontaniana tsy misy valiny momba ny antony sy ny tompon'andraikitra. Misy ireo manao tsoakevitra fa asan'ireo tambajotra mpikirakira zavamahadomelina izany, ho fomba iray hamaliana ireo mpitandro filaminana noho ny fiakaran'ny fanamafisana lalàna izay nikendry ireto vondrona ireto tato ho ato. Araka ny voalazan'i Gabriel Infante avy ao amin'ny Esquisy [es], nitombo ireo fisamborana sy fangiazana rongony natao, ary niafara tamin'ny fahaverezana 60 tapitrisa dolara an'ilay tambajotra [2].

Na dia tsy nitranga aza ilay fahavoazana goavana sy ny fahasimbàna noketrehina, mieritreritra ireo bilaogera sasany toa an'i Victor Hernandez avy ao amin'ny Sendero del Peje [es]  fa “nanana fikasana MIBARIBARY hiteraka aretin-tsaina fisavorovoroana io daroka baomba io, mba hampidiran'i Marcelo Ebrard (ben'ny tanàna) miaramila ao amin'ny Tanànan'i Meksika [3].” Maminavina fiovàna anatin'ny governemanta sy ny fomba fiatrehan'ny fiarahamonina ny fiainana andavanandro kosa ireo bilaogera hafa. Manoratra [4] i Sobreexpuesto [es] fa tsy maintsy mailo dia mailo ireo mponina ao amin'ny Tanànan'i Meksika [4]:

Hay varios mensajes sociales, que nuestra sociedad se está contagiando de la violencia, que pudo ser respuesta del crimen organizado a las autoridades, que debemos estár alerta y que si no somos
precavidos, perderemos nuestra ciudad por completo.

Misy ireo hafatra maro ho an'ny fiarahamonina, fa mora andairan'ny herisetra kokoa ny fiarahamonintsika, fa mety ho valin-kafatr'ireo mpanao heloka voarindra ho an'ireo manampahefana izao, fa tsy maintsy mailo isika ary raha tsy mandray fepetra isika, dia mety hamoy ity tanànantsika ity tanteraka.

Manahy ny amin'ireo vokatr'ilay daroka baomba tsy nahomby [5]i Emiliano Balerini avy ao amin'ny Humanos Los Derechos [es]:

Por eso es que el bombazo que hace unos días estalló en las calles de Chapultepec y Monterrey toma una importancia vital en estos momentos de absoluta confusión política. Seguramente los diputados y sanadores de esta país lo usarán como excusa para avalar la reforma de justicia y así con ello permitir, entre otras cosas, cateos a nuestras casas sin órdenes judiciales y la detención hasta por 40 días ilegalmente para averiguar los antecedentes que la gente tenga.

Izany no mahatonga ireo baomba nipoaka tany amin'ny araben'i Chapultepec sy Monterrey ho manan-danja goavana anatin'ireny fotoan'ny savorovoro ara-politika tanteraka ireny. Azo antoka fa hampiasa izao ho fanamarinan-tena mba hiantohana fanovàna ara-pitsaràna ireo solombavambahoaka sy senatora, ary miaraka amin'izany, hamela, anivon'ireo zavatra hafa, ny fikarohana trano tsy misy didy sy famonjàna maherin'ny 40 andro mba hanadihadiana ny mombamomba ny mponina.

Kanefa, tsy manahy ny bilaogera iray noho ny tsy maha-matihanina ny fiasan'ilay mpandaroka baomba. Manoratra [6] i Tome Chango Su Banana [es]:

Ahora resulta que el terrorismo y los bombazos llegaron a mexico, personificados en el infame chapubomber, que explotó en avenida chapultepec intentando demoler las oficinas de la ssp, parece que le falló la sincronia con el amigo que tenía el detonador. A quien quieren engaÑar? Toda la escena fue grotesca y completamente actuada, lo mas divertido fue la chambonez del personaje que no atinó a salvarse de su propio bombazo. La verdad si estos son los terroristas en méxico, estamos bastante a salvo.

Ankehitriny, toa tonga ao Meksika ny asa fampihorohoroana sy ny baomba, asehon'ilay Chapubomber malaza izay nipoaka tany amin'ny Làlamben'i Chapultepec tanatin'ny ezany hamotika ireo biraon'ny SSP (foiben'ny mpitandro filaminana). Toa tsy nety ny rindra nataony niaraka tamin'ny namany izay nitazona ilay fanapoahana. Iza no tian-dry zareo hofitahina? Mampihomehy sy voarindra ilay seho iray manontolo. Ny nampihomehy dia tsy afaka nanavotra ny tenany tamin'ilay daroka baomba nataony akory ilay vendrana. Raha ireo no karazana mpampihorohoro ananantsika aty Meksika, tsy misy atahorana.

Kanefa tsy zarain'ny ankamaroan'ireo mponina ao amin'ny Tanànan'i Meksika izany fihetsehampo izany. Taitra kely tamin'ireo vaovao [7] ilay bilaogera ao amin'ny La Vida es Sueño [es] ary nanao ity tsoakevitra ity:

Y de esta forma perdí lo poca noción de seguridad que me quedaba para caminar por las calles de esta Cuidad de México, en la cual he vivido durante 25 años

Miaraka amin'ity, very ny fiheverana hany sisa nananako momba ny fiarovana handehanana eny an-dàlamben'ny Tanànan'i Meksika, izay nonenako 25 taona izao.