- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manampahefana Syriana telo karohin'i Lafrantsa noho ny fahafatesan'ny Frantsay-Syriana miisa roa

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Frantsa, Syria, Ady & Fifandirana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Mazen Dabbagh (ankavanana) sy ny zananilahy Patrick (ankavia). sary voazara imbetsaka ao amin'ny media sosialy. Nahazoana alalana.

Tao anatin'ny hetsika tsy fahita firy lazaina ho kintana fitarikandron'ny vanim-potoana vaovao anjakan'ny rariny ho an'ny lasibatry ny heloka an'ady sy ny heloka mandripaka ny zanak'olombelona ao Syria, namoahan'ny [1] mpitsara frantsay didy fampisamborana tamin'ny novambra 2018 lasa teo ny manampahefana syriana ambony ara-pitsikilovana miisa telo izay voampanga ho miray tsikombakomba amin'ireo heloka voalaza etsy ambony ireo.

Karohina ireo manampahefana ambony miisa telo ireo noho ny fitazonana sy ny fanjavonan'olona roa mizaka zom-pirenena frantsay-syriana miisa roa: Mazen Dabbagh sy ny zananilahy Patrick [1]. Nosamborin'ny mpiasan'ny fitsikilovan'ny Tafika an'habakabaka Syriana izy mianaka ireo tamin'ny novambra 2013 ary notazonina tao amin'ny seranam-piaramanidina ara-miaramila Mezzeh.

Nolazaina taty aoriana ny fianakaviana Dabbagh fa maty nandritra ny fitazonana azy tamin'ny novambra 2017 sy janoary 2014 i Mazen sy i Patrick.

Namela alo-pahafatesana sy faharavana ny ady Syriana. Ny tombana no nametraka ny isan'ireo nanjavona hatramin'ny marsa 2011 ho mihoatra ny 95.000 [2], ka mihoatra ny 80.000 no inoana fa nampanjavonin'ny fitondram-panjakana syriana. Maro ireo maty tany am-pihazonana noho ny fampijaliana malaza ratsy ataon'ny fonja sy ny toeram-pihazonan'ny fanjakana.

Namoahan'ny mpitsara didy fampisamborana ny Major General Ali Mamlouk, Abdul-Salam Mahmoud, ary Jamil Hassan.

Teraka tany Syria tamin'ny taona 1946 ny Major General Ali Mamlouk. Anarana fanta-daza tamin'ny famoretana ny fitroarana tamin'ny taona 2011 izany Mamlouk izany.

Izy no talen'ny fitsikilovan'ny tafika an'habakabaka tanelanelan'ny taona 2003 ka hatramin'ny taona 2005 ary niaka-boninahitra hatrany nandritra ny fitondran'i Hafez Assad sy ny fiakaran'ny zananilahy Bashar Al-Assad ho eo amin'ny fahefana.

Tamin'ny taona 2005, notendren'i Assad hitarika ny departemantan'ny fiarovana ankapobeny nandritra ny fotoana mavesatry ny famonoana ny praiminisitra libaney teo aloha Rafik Hariri, izay noheverina fa teo am-pelantanan'ny fitondrana, izy.

Ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona mandrohy azy ho mpiantsoroka ny fanarahamaso ny fitaovam-piadiana shimika ao Syria sy mampiasa izany amin'ireo gadra politika tao amin'ny fonjan'i Palmyra tanelanelan'ny taona 1985 ka hatramin'ny taona 1995.

Taorian'ny fandarohana baomba [3] ny ‘vaomieran'ny krizy’ (cellule de crise) tao Damaskosy tamin'ny Jolay 2012, dia notendrena ho Talen'ny Biraon'ny Fiarovam-Pirenena i Mamlouk, misolo toerana an'i Hisham Bakhtiyar izay maty noho ny ratra nahazo azy tamin'io fandarohana baomba io.

Minisitry ny fampahalalam-baovao Libaney teo aloha, Michel Samaha, nanao fiaikena [4] ho nandray vola avy amin'i Mamlouk hamono olo-malaza ara-politika libaney. Namoahan'ny manampahefana Lobaney didy fampisamborana [5] i Mamlouk tamin'ny 4 febroary 2013.

Tamin'ny taona 2015 niely ny tsaho [6] fa nanam-pikasana ny hiala an-daharana izy ka nosamborina sy napetraka tamin'ny trano manokana tsy azony ivoahana. Nisy ihany koa ny tsaho momba ny toe-pahasalamany milaza fa eo am-pialan'aina ao amin'ny hopitalin'i Damaskosy izy. Ho fandravana izany tsaho izany, nitsidika an'i Jeddah, Arabia Saodita ary Muscat, Oman izy. Nitsidika an'i Rome [7], Italia ihany koa izy tamin'ny faran'ny volana febroary 2018, tsy miraharaha ny sazin'ny Vondrona Eoropeana (EU) tamin'ny May 2011 izay mandrara azy tsy hahazo hivezivezy sy ny fanagiazana volany any amin'ny banky izay mifandraika amin'ny fiampangana azy ho mitarika ny herisetra atao amin'ireo mpanao fihetsiketseham-panoherana ny governemanta syriana.

Notendrena ho talen'ny fitsikilovana ao amin'ny tafika an'habakabaka i Abdul-Salam Mahmoud tamin'ny taona 2010. Voarohirohy amin'ny famonoana sivily syriana izy ka tafiditra amin'izany ireo lasibatry ny fandripahana tao Saida tamin'ny Avrily 2011, anisan'izany i Hamza al-Khatib, zazalahy 13 taona izay tapatapaka ny vatany taorian'ny fisamborana azy ka lasa saombôlin'ny [8] revolisiona Syriana sy endriky ny habibian'ny fitondrana amin'ny mpanao fihetsiketsehana. Voasazin'ny Vondrona Eoropeana i Mahmoud hatramin'ny taona 2012.

Jamil Hassan indray teraka tany Qarniya ambanivohitr'i Homs, Syria tamin'ny taona 1952. Notendrena ho talen'ny fitsikilovana ao amin'ny tafika an'habakabaka izy tamin'ny taona 2009. Talohan'izany izy no nitantana ny sampan'ny fitsikilovan'ny tafika an'habakabaka tany atsinanan'i Syria nandritra ny taona 2009 ary niasa ho manampahefanan'ny Fitsikilovan'ny tafika an'habakabaka tao amin'ny seranam-piaramanidina ara-miaramila tao Mezzeh hatramin'ny taona 2007.

Ny anaran'i Hassan dia mifandrohy akaiky amin'ireo famoretana ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2011. Voatonona izy indray mandeha ho nanolo-kevitra nandritra ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety fa tokony naka tahaka ny paikady feno habibiana nampiasain'ny rainy tamin'ny fandripahana tao Hama tamin'ny taompolo 1980 i Bashar.

Tamin'ny volana jona lasa teo, efa namoaka didy fampisamborana an'i Hassan ihany koa i Alemaina [9]. Nitatitra ny gazety alemà Der Spiegel fa nampangain'ny mpitsara mpanao famotorana ho manaramaso ny heloka nataon'ny fiarovana syriana izy ka tafiditra anatin'izany ny fampijaliana, ny fanolanana ary ny famonoana olona anjatony tanelanelan'ny taona 2011 ka hatramin'ny taona 2013.

Saimbôlika fotsiny ihany ve ireo didy fampisamborana ireo?

Nilaza tamin'ny Global Voices i Mohammad Al-Abdullah, mpikatroky ny zon'olombelona sady tale mpanatanteraky ny Syria Justice & Accountability Centre [foiben'ny rariny sy ny tamberin'andraikitra ao Syria] fa natao ireo didy fampisamborana ireo hanerena ireo manampahefana ao amin'ny fitondrana:

These warrants are symbolic up to a point. They serve more as a tool of pressure than a means of criminal prosecution, as the possibility of the three officials visiting Europe is very unlikely. Some opine that the warrants would diminish their role in Syria’s future and spell an end for their political life, and that negotiations shall exclude them from security posts during the interim phase. There are no guarantees that this would be the case, though. Until now, these opinions are mere wishful thinking.

Saimbôlika ireo didy ireo miainga amin'ny dingana iray. Natao ho fitaovam-panerena kokoa izy ireny fa tsy natao hanenjehana loatra, satria sarotra be ny hiheverana fa hitsidika an'i Eoropa izy telo mirahalahy mianaka ireo. Ny sasany manamarika fa natao hampihena ny anjara andraikiny amin'ny hoavin'i Syria ireny didy fampisamborana ireny ary natao hamarana ny fiainandry zareo ara-politika, ary manilika azy ireo tsy hisahana ny andraikitry ny fiarovana mandritra ny fotoana vonjimaika izay fifanarahana ho atao. Tsy misy anefa ny antoka fa izany no hitranga. Hatramin'izao fotoana izao dia mbola mitoetra ao anatin'ny faniriana ihany ireo hevitra ireo.

Tsy nanasonia ny Satan'i Roma [10] i Syria ka tratran'ny veto [11] apetrak'i Shina sy i Rosia izay rehetra fikasana hiantso ny Fitsarana Ady Heloka Iraisampirenena (CPI) — hery anankiroa manana veto ao amin'ny Vaomieran'ny Fiarovana ao amin'ny Firenena Mikambana sady mpiara-dia tsy mivena amin'i Assad — manakana tanteraka ny fahafaha-mamotopototra heloka an'ady ao Syria sy izay mety hitondrana ireo mpanao izany heloka an'ady izany eny amin'ny fitsarana.

Tsy dia misy loatra noho izany ny safidy ho an'ny fianakavian'ny niharam-boina ankoatra ny fitsarana ivelan'ny sisintany, voafaritra ho fahafahan'ny governemanta iray hampihatra ny fahefana ara-pitsarana ivelan'ny sisintanim-pireneny. Efa nametraka fitoriana eny amin'ny fitsarana ivelan'i Syria sy ao amin'ny firenena onenany, toa an'i Alemaina, Soeda ary Frantsa ireo mpikatroka sy fianakavian'ny niharam-boina.

Tamin'ny Aogositra 2010, nolanian'ny parlemanta frantsay ny lalàna iray manome alalana ny fitsarana frantsay handray raharahan-keloka bevava an'ady sy fandripaham-bahoaka natao tany amin'ny firenenkafa. Ao amin'ny lalàna frantsay, izay rehetra ahiahiana hita ao amin'ny sisintany frantsay dia azo enjehina sy tsaraina noho ny fampijaliana. Izany no mahatonga ny lasibatry ny fampijaliana sy ny fampanjavonana ankaterena afa-mametraka fitoriana any amin'ny mpitsara frantsay na aiza na aiza ny firenena onenany.

Na izany aza dia kely ny fanantenana hahazoana ny rariny sy fanonerana. Tamin'ny jolay  2018 ny governemanta syriana namoaka nisesisesy tsy nisy tahaka izany filazana manjò [12] ireo gadra politika, milaza ny antom-pahafatesana ho “fihetsehan'aretim-po.”

Mety hanozongozona ny tsy fihetsehana amin'ny mahazo ireo Syriana lasibatry ny ady an'aliny ireny didy fampisamborana ireny. Kitro ifaharana tokoa ny tamberin'andraikitra mba hanambatambarana indray an'i Syria ravan'ny ady ary maro ny manantena fa dingana lehibe mankany amin'izany zotra izany ireo didy fampisamborana ireo.