- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ethiopia: Bilaogy nanjavona

Sokajy: Afrika Mainty, Etiopia, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tototry ny fanombatombanana sy ny fiampangana ny tontolon'ny bilaogy ao Ethiopia rehefa nanjavona tao anatin'ny efijerin'ny solosaina ireo tranonkala rehetra tao amin'ny firenena ka niantrano tao amin'ny sehatra Blogger [1] malaza.

Bilaogy telo amby roapolo tamin'ireo bilaogy Ethiopiana miisa 32 arahin'ny Global Voices no tsy afaka nidiran'ny mpiserasera Ethiopiana – izay miankina avokoa amin'ny ampihimamban'ny fanjakana Ethiopian Telecommunications Corp [2] amin'ny fifandraisany.

Tsy nanana olana tamin'ny fitsidihana ny rohy ireo mpisera aterineto ivelan'i Ethiopia (sy ny ao anaty foiben'ny Firenena Mikambana ao an-drenivohitra izay manana ny fifandraisany amin'ny aterineto manokana).

Nanome vaovao niaraka tamin'ny lohateny ara-kolontsaina ranoray toy ny vao noeritreretiko [3] … .ny bilaogy ara-politika be mpamaky toy ny Weichegud! ET Politics [4] , sy ethiopundit [5].

Tamin'ny fotoana nanoratana, dia tsy nisy ny filazana ofisialy avy amin'ny Orinasan'ny Fifandraisandavitra Ethiopiana mba hanazavana ireo fanjavonan'ireo bilaogy. Kanefa tsy nitaredretra tamin'ny fanamarihana ireo bilaogera .

Seminawork [6] nanamarika ny vaovao tamin'ny filazàna fa nosakanana niaraka tamin'ireo tranonkala hafa ao amin'ny ‘blogspot’ amin'ny URL -n'izy ireo izany. Nitatitra ilay bilaogera monina any Ethiopia fantatra amin'ny anarana hoe Ethio-Zagol hoe:

Over the last two days, all blogspots blogs including http://www.seminawork.blogspot.com/ have been blocked in Ethiopia. Those who seek political quips fron weichegud or intelligent analysis form other bloggers can't access the sites via the telecom servers. In addition, the government has blocked Ethiopian Review, cyber ethiopia, quatero and Free our leaders websites. My sources told me this is done by tel. with the advise and help of the chinese.

Tao anatin'ny roa andro farany, voasakana tao Ethiopia ny bilaogy blogspots rehetra anisan'izany ny http://www.seminawork.blogspot.com/ . Ireo izay mitady fantsy ara-politika ao amin'ny weichegud na fanadihadiana mafonja avy amin'ny bilaogera dia tsy afaka niditra tamin'ireo tranonkala tamin'ny alàlan'ireo lohamilina fifandraisandavitra. Ankoatra izay, nosakanan'ny governemanta ny tranonkala  Ethiopian Review, cyber ethiopia, quatero ary ny Free our leaders (Afaho ny mpitarika anay). Nilaza tamiko ny loharanom-baovao fa natao tamin'ny alalan'ny fifandraisandavitra izany niaraka tamin'ny toro-hevitra sy ny fanampiana avy amin'ny Shinoa.

Fanta-daza amin'ny fanehoan-kevitra manohitra ny governemanta ireo tranonkala rehetra voatonona ao amin'ny lahatsorany.

Nandefa ny hafatra tao amin'ny lahatsoratra Vaovao Mafana – Nosakanan'ny Governemanta ny Bilaogy! [7] ny Ethiopian Politics [8], bilaogin'ny Blogger iray hafa tsy hita tao anatin'ny sisintany Ethiopiana:

According to Ethio Zagol all “blogspot” blogs have been blocked in Ethiopia including “the Ethiopian Review” and “Free our leaders” websites. Ethio Zagol further states that this was done by the Ethiopian Telecommunications Corporation with the advise and help of the Chinese government.

Araka ny hevitr'i Ethio Zagol, voasakana ao Ethiopia avokoa ireo bilaogy “blogspot” rehetra, anisan'izany ny tranonkala “Ethiopian Review” sy “Free our leaders”. Nanambara i Ethio Zagol avy eo fa nataon'ny Orinasan'ny Fifandraisandavitra Ethiopiana miaraka amin'ny toro-hevitra sy fanampiana avy amin'ny governemanta Shinoa izany.

Ny Meskel Square [9], izay mampiasa ny sehatra MovableType ao amin'ny lohamiliny manokana hofainy dia nitsahatra noho ny fiampangana, saingy nanamafy ny fanjavonana misitery tamin'ny fahalasanan'ny billaogy [10]:

Where have all of Ethiopia's Blogspot bloggers gone? … Is there a big conspiracy? Or is it just another day of dodgy ETC dial-up connections? How will we ever know?

Lasa aiza daholo ny bilaogera Blogspot ao Ethiopia? … Misy firaisana tsikombakomba lehibe ve? Sa andro hafa amin'ny fifandraisana ratsy avy amin'ny ETC? Ahoana moa no hahafantarantsika izany?