- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo mponina sisa tavela ao amin'ilay tanànakely Armeniana an-dalam-pahafatesana 

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna

Ity manaraka ity dia lahatsoratra fiarahamiasa [1] avy amin'ny Chai-Khana.org [2], mpiara-miasa amin'ny Global Voices. Lahatsoratra sy lahatsary avy amin'i Lilit Mkhitaryan.

Andalam-pahafatesana i Lernagyugh, tanànakely Armeniana any amin'ny 150 kilometatra miala ny renivohitra Yerevan .

Raha vondrom-piarahamonina matanjaka izy tany aloha dia olona efatra monja sisa no mijanona ao. Lavitra ity tanànakely ity, tafasaraka amin'ny faritra sisa hafa ao amin'ny firenena mandritra ny ririnina, ary tsy misy na dia ny servisy fototra, toy ny sekoly aza.

Nanjary mafy ny toe-draharaha rehefa nieritreritra ny handao ilay tananakely i Nikol Martirosyan, 60 taona, sy ny vadiny Haykush Nikoghosyan – iray amin'ireo fianakaviana roa sisa ao an-tanàna.

Nonina tao an-tanànakely nandritra ny 30 taona i Hrant Minasyan sy ny vadiny Margarit Kchoyan, ilay fianakaviana iray hafa sisa tavela ao. 62 taona i Hrant ary kely ny fanantenany fa hijanona ao Lernagyugh ny fianakaviany aorian'ny fahafatesany satria dia miasa any ivelan'ny firenena iray amin'ireo zanany roa lahy ary efa nanorim-ponenana any amin'ny tanànakely iray hafa ny faharoa.