- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hanomboka ny asany ny Tonia mpanatanteraka vaovao amin'ny janoary 2019!

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, efitrano famoahambaovao

Filip Noubel.

Mientanentana izahay manambara fa hanana ny tonia mpanatanteraka vaovao manomboka amin'ny 14 janoary 2019 ho avy izao!

Filip Noubel no anarany ary mpandray anjara tato amin'ny GV izy [1] hatramin'ny taona 2015 no mankaty, ary niasa niaraka tamin'ny ekipa Azia atsinanana sy ny Lingua frantsay tamin'ny ankapobeny.

Monina ao Prague amin'izao fotoana izao, za-draharaha eo amin'ny sehatry ny famoahan-dahatsoratra, fanavaozana sy fampivelarana ny fampitam-baovao i Filip; manana fahalalàna lalina momba an'i Eoropa afovoany, Azia afovoany, Shina sy ampahany maro amin'i Azia atsimo; ary mailaka amin'ny fitenenana maro toy ny frantsay, anglisy, tsheky, rosiana ary shinoa Mandarin.

Manantena zavatra maro avy amin'ny fitarihan'i Filip ny fanoratam-baovao izahay amin'izao fametrahana ny vokatry ny fizotran'ny Vaomieram-Piarahamonina izao sy ny fijery vaovaon'ny GV amin'ny taona 2019.