Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Hanomboka ny asany ny Tonia mpanatanteraka vaovao amin'ny janoary 2019!

Filip Noubel.

Mientanentana izahay manambara fa hanana ny tonia mpanatanteraka vaovao manomboka amin'ny 14 janoary 2019 ho avy izao!

Filip Noubel no anarany ary mpandray anjara tato amin'ny GV izy hatramin'ny taona 2015 no mankaty, ary niasa niaraka tamin'ny ekipa Azia atsinanana sy ny Lingua frantsay tamin'ny ankapobeny.

Monina ao Prague amin'izao fotoana izao, za-draharaha eo amin'ny sehatry ny famoahan-dahatsoratra, fanavaozana sy fampivelarana ny fampitam-baovao i Filip; manana fahalalàna lalina momba an'i Eoropa afovoany, Azia afovoany, Shina sy ampahany maro amin'i Azia atsimo; ary mailaka amin'ny fitenenana maro toy ny frantsay, anglisy, tsheky, rosiana ary shinoa Mandarin.

Manantena zavatra maro avy amin'ny fitarihan'i Filip ny fanoratam-baovao izahay amin'izao fametrahana ny vokatry ny fizotran'ny Vaomieram-Piarahamonina izao sy ny fijery vaovaon'ny GV amin'ny taona 2019.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.