- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kroasia: Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Fisamborana An'i Karadžić

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bosnia Herzegovina, Kroasia, Serbia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: lahatsoratra navoaka tamin'ny Jolay 2008)

News

Ireo sary fandrakofana avy amin'ny  Jutarnji  List [1] sy Slobodna Dalmacija [2]

Na dia tsy nijaly be loatra noho ireo Bosniaka teo an-tanan'i Radovan Karadžić aza, mizarazara be ny hevitr'ireo Kroaty, na dia afa-po aza tamin'ny fisamborana azy ny ankamaroany ary niandry amim-paharetana ny andro izay hitsaràna azy. Ireto hevitra vitsivitsy avy amin'ny tontolombolongana Kroaty:

Manoratra toy izao [3] (HRV) ny Tinolovka:

Tsy afaka hitsangan-ko velona indray ireo niharam-boina natao sorona ary sarotra ny hitondràna fitsaràna tsy mitanila sy mifanaraka amin'ny tokony ho izy izay afaka hanome fahafahampo amin'ny ratsy rehetra nitranga tao Bosnia sy Herzegovina, sarotra ny mahita fiononana ho an'i Srebrenikà, saingy efa fiantombohana tsara io, ankehitriny fotsiny, tsy tokony hitsahatra izy ireo raha tsy tapitra tonga eo anatrehan'ny fitsarana daholo ireo tomponandraikitra rehetra amin'ny farany.

Manoratra [4] i Tonique DeWeen (HRV) mikasika ny tsy finoany an'i Karadžić hoe niaina niharihary tao Belgrade, nefa tsy nisy nahita.

Karazana sarimihetsika iray mbola tsy nitranga tao Hollywood mihitsy ny toy izany, mpanao heloka bevava an'ady miery ao an-drenivohitra amin'ny alalan'ny taratasy hosoka milaza azy ho mpitsabo manokana misahana ireo fanafody fanolo, nandefa lahatsoratra tany anatinà gazetiboky sady nipoitra tamin'ny fahitalavitra, dia hoe tsy nisy olona nahafantatra azy mihitsy ve?

Manao dingana [5] (HRV) misimisy kokoa mankany ambadiky ny fiheverana iray tsara i Angel&Wolf mba handraisana hevitra iray mahakivy kokoa:

…Manana fihetsehampo tsy dia mamèahazo aina aho hoe tsy mavesa-danja intsony izany. Ny fisamborana an'i Radovan dia raharaha iray  handalo herinandro ary aty aoriana, ary indray mandeha fanampiny, hanohy hisitraka ny lova navelan'i Radovan isika rehetra…

Ny Žuta Minuta (“Yellow Minute”) mahatsiaro [6] ny fiainana (VRS) tao Sarajevo nandritra ny ady, sy ireo fihetsehampony tamin'ny andro izay nanambaràna ny nahasamborana an'i Karadžić:

… ny fahatsiarovana mikasika ny tena tahotro voalohany tamin'ny ady. Tamin'ny taona 1992 izay. Niaraka tamin-dreniko, ny anadahiko ary izaho, nipetraka tao amin'ny zaratanin'i Dobrinja. […] izahay. Araka izany, tsy nankalaza ny Vidovdan [St. Vitus Day [7]] tao Dobrinja i Radovan Karadzic. Ny tena marina, angamba nannkalaza izy, taty aoriana kely, saingy tsy nisy nahafantatra azy. Tsy haiko hoe tamin'ny fotoana toa inona no natoriako, nefa amin'izao fotoana izao aho mandritra ny tontolo andro salama tsara ary afa-bizana. Am-pahatsorana no hilazako, very ny finoako fa tsy ho azon'izy ireo mihitsy i Radovan Karadzic, noho izany ravoravo aho.