- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Antony Itiavan'ny Governemanta Senegaley ireo Fihetsiketsehana Manohitra ireo Mpifankatia Mitovy Fananahana

Sokajy: Afrika Mainty, Senegal, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008)

Vaovao farany: Araka ny voalazan'ny African Global News sy ny vohikalam-baovao Senegaley rewmi.com, noravan'ny mpitandro filaminana ihany ilay fihetsiketsehana manohitra ny fiarahan'olona mitovy fananahana natao tao Dakar ny Zoma teo, izay nisamborana olona am-polony [1], tanatin'izany ny imam iray. Nisambotra olona maro tao amin'ny moske lehiben'ilay renivohitra ny mpitandro filaminana.

Tany am-piandohan'ity volana ity, dimy no voasambotra voasaringotra tanatinà fanadihadiana iray [2] momba ny fanambadian'olon-droa mitovy fananahana, araka ny voalazan'ny Le Monde [3], ary fikambanana Silamo maro no nitoroka izay antsoin-dry zareo ho fitomboan'ireo tia ny mitovy fananahana aminy ao Senegaly. Natao hanoherana ny fanapahankevitra hamoaka ireo gadra dimy tsy misy fitsaràna ilay diabe.

Heloka ny fitiavana olona mitovy fananahana amin'ny tena ao Senegaly, ary mety hahazoana sazy hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina.

* * *

Manazava ny bilaogera Senegaley Naomed, izay manoratra ny Blog politique au Senegal, fa misy karazany roa ireo hetsipanoherana ao Senegaly [4], “ireo izay tsy manakorontana ny filaminam-bahoaka ary eken'ny fiarahamonina, izay vitsy an'isa, ary ny maro an'isa, ireo izay [eritreretina fa] mandrahona ny rindram-piarahamonina” [Fr].

Raha lazaina amin'ny fomba hafa, misy ireo hetsipanoherana tian'ny governemanta ary misy kosa ireo tsy leferiny. Fa aiza no fetra apetrak'ireo manampahefana?

Atolotr'i Naomed ho ohatra iray ity hetsika natao androany tao Dakar ity enti-manohitra ireo tia ny mitovy fananahana aminy, izay nahazo ny tsodranon'ny governemanta.

Clairement haineuse, réclamant au choix : leur égorgement, leur mise sur une pirogue en direction des iles Canaries (leur famille ne refusera pas l'argent qu'ils pourraient envoyer malgré leur tare), leur bastonnade pour les plus modérés.

Fankahalàna mazava be, manolotra ireto safidy manaraka ireto: ny fanapahana ny lohany [ireo olona tia ny mitovy fananahana aminy], famarana azy ireo ambony lakana halefa any amin'ireo Nosy Canaries (tsy handà ny vola azon-dry zareo alefa aty an-tanindrazany ny fianakaviany, na dia eo aza ny tsy fahatomombanan-dry zareo). Nanolo-kevitra ny handaroka azy ireo ny loha tony kokoa.

Une manifestation visant à refuser le droit à l'existence d'une partie de la population sénégalaise n'est clairement pas un trouble à l'ordre public. J'ai souvent parlé sur ce blog de la nécessité pour un régime aux abois de se fabriquer des ennemis afin de focaliser la haine et la frustration populaires qui risqueraient de se retourner contre le pouvoir. Les campagnes pour la pureté des moeurs font elles aussi parti de l'arsenal des pays faschisants.

Mazava fa tsy manakorontana ny filaminam-bahoaka ny hetsipanoherana iray izay mikendry ny handà ny zon'ny ampahan'ny vahoaka Senegaley hiaina. Matetika aho no niresaka tato amin'ity bilaogy ity momba ny filan'ny fitondràna iray hanangana fahavalo mba hifotoran'ny fankahalan'ny vahoaka sy ny sorisoriny izay mety hifototra amin'ireo mpitondra raha tsy misy izany. Tafiditra anatin'ireo fitaovam-piadiana maro an'ireo firenena fasista ihany koa ireo hetsipanentanana ho an'ny fahadiovan'ny fitondran-tena.

Tohizan'i Naomed amin'ny fanolorany santionanà lisitra (maneso) mirakitra ireo hetsipanoherana misy ao Dakar anatin'ny herinandro iray izany:

Aujourd'hui : manifestation contre les homosexuels du Sénégal, autorisée par le préfet.
Aujourd'hui : manifestation pour le ramassage des poubelles, refusée.
Samedi : manifestation contre la corruption, la mal gouvernance. Interdite
Samedi : manifestation contre l'esclavage des petits talibés. Interdite
Samedi : manifestation pour l'application des lois sur le mariage de mineures, forcés, arrangés… Interdite
Lundi : Manifestation pour le bon déroulement du sommet de l'Oci. Autorisée.
Mardi : Manifestation pour l'obligation de déclaration du patrimoine des hommes au pouvoir. Refusée
Mercredi : Manifestation de soutien à la génération ConCret. Autorisée
Jeudi : Manifestation pour des élections locales sincères et transparentes. Interdite.
Jeudi : manifestation pour rendre fériés tous les jours de Magal au Sénégal. Autorisée
Vendredi : ….

Anio: hetsipanoherana ireo tia ny mitovy fananahana aminy ao Senegaly, neken'ny mpiadidy
Anio: diabe ho fanadiovana ny loto, nolavina
Sabotsy: hetsipanoherana ny fanandevozana ireo ankizy an-dàlambe. Voarara.
Sabotsy: diabe ho fampidirana lalàna manasazy ny fanambadiana an-tery setra, ny vady atolotra, ary ny fanambadian'ny zaza tsy ampy taona…Voarara.
Alatsinainy: diabe ho fanohanana ny fahombiazan'ny fihaonamben'ny OCI (Fikambanan'ny valandresaka Silamo). Nekena.
Talata: hetsipanoherana entina hanerena ireo manampahefana hamboraka ampahibemaso ny fananany. Nolavina.
Alarobia: diabe ho an'ny Taranaka ConCret (antoko politika vaovao [5] natsangan'ny zanaky ny filoha). Nekena.
Alakamisy: diabe ho an'ny fifidianana mangarahara sy tsy mitanila. Voarara.
Alakamisy: hetsipanoherana hamadihana ny Andron'ny Magal [6] rehetra ao Senegaly ho andro tsy fiasàna. Nekena.
Zoma: ….