- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARIPIKA: “Drone” andefasana vakisiny any amin'ny nosy lavitra any Vanuatu

Sokajy: Oseania, Vanuatu, Fahasalamàna, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tanora, Teknolojia
[1]

Ny vondrom-piarahamonina mivory manodidina hanao vakisiny rehefa tonga tao amin'ny Cook’s Bay niaraka tamin'ny vakisiny ny tatelimby (drone). Saripika natolotry ny Swoop Aero ho an'ny UNICEF, nahazoana alalana.

“Vikina lehibe mankany amin'ny fahasalamana manerantany ny sidina kely nataon'ny tatelimby androany,” hoy i [2]Henrietta H. Fore tale mpanatanteraky ny UNICEF rehefa nahomby tamin'ny fitondrana baoritra iray misy vakisiny tany amin'ny nosy iray lavi-dalana any Vanuatu tamin'ny 18 desambra lasa teo ny tantelimby (drone) iray.

Vanuatu, tangoronosy miisa 83 mivondrona ho firenena iray mieli-patrana ao anatin'ny velarana 12.189 kilaometatra toradroa, no firenena voalohany eto ambonin'ny tany [3] mampiasa tantelimby hitondrana vakisiny any amin'ireo vondrom-piarahamonina lavi-dalana.

Ankilan'ny fahasarotana ara-jeografia, dia ny ampahatelon'ny nosy misy mponina ihany no manana seranam-piaramanidina na lalana vita amin'ny asfalta (tara).

Ankizy iray amin'ny dimy no tsy voaaro feno ao Vanuatu.

Nisidina efa ho ora iray ny tantelimby nalefan'ny Swoop Aero avy ao Aostralia hiampitana ny elanelana 40 kilaometatra avy ao amin'ny Oalan'i Dillon avy amin'ny ilany andrefana amin'ny nosy Erromango mankany amin'ny Oalan'i Cook. Notontosaina nanomboka tamin'ny 5 ka hatramin'ny 7 desambra ny sidina fanandramana nataon'ny tantelimby.

Tsy manana tobim-pitsaboana na herinjiro ireo vondrom-piarahamonina lavitra [4] manavatsava ny Oalan'i Cook ary amin'ny alalan'ny dia an-tongotra na sambo madinika ihany no ahatongavana any.

[5]

Andrana sidina tantelimby tamin'ny 5 desambra 2018. Saripikan'ny UNICEF, nahazoana alalana.

Miakatra, miakatra ary lasa!!! Asehon'ny Swoop Aero ny fomba hitondran'ny tantelimby ireo vakisiny amin'ity herinandro ity ao Vanuatu

Koa satria moa mila apetraka amin'ny toerana mangatsiatsiaka ny vakisiny, dia natao tao anaty baoritra styrofoam ahitana vondran-dranomandry izany nialoha ny ametahana azy amin'ny tantelimby.

[13]

Jery avy any an'habakabaka ny vondrom-piarahamonina lavi-dalana ao amin'ny Oalan'i Cook izay nahombiazan'ny tantelimby iray nitondrana vakisiny. Saripikan'i Jason Chute/UNICEF, nahazoana alalana.

Nandray ny vakisiny nentin'ny tantelimby ny mpanampy mpitsabo Miriam Nampil ary nampiditra izany tamin'ny ankizy miisa 13 sy vehivavy bevohoka dimy. Ny zaza iray volana Joy Nowai, izay notsindronina vakisinin'ny hepatita sy ny raboka, no zaza voalohany [14] eto ambonin'ny tany notsindronina vakisiny nentin'ny tantelimby nanao sidina ara-barotra.

[15]

Mpiasan'ny fahasalamana notarihan'ny mpanampy mpitsabo Miriam Nampil (ankavanana) nandray ny vakisiny voalohany nentin'ny tantelimbin'ny Swoop Aero ao amin'ny Oalan'i Cook. Saripikan'i Jason Chute/UNICEF, nahazoana alalana.

Feno fankalazana i Nampil:

As the journey is often long and difficult, I can only go there once a month to vaccinate children. But now, with these drones, we can hope to reach many more children in the remotest areas of the island.

Noho ny halavirana sy ny hasarotan'ny lalana, dia indray mandeha isam-bolana ihany aho no  mba afaka mankany hanao vakisiny ny ankizy. Saingy ankehitriny, noho ny fisian'ny tantelimby, afa-manantena isika hahatratra ankizy betsaka kokoa any amin'ny faritra tena saro-dalana indrindra eto amin'ny nosy.

[16]

ny fokonolona mivory manodidina ny fanaovam-bakisiny taorian'ny fahatongavan'ny tantelimby nitondra ny vakisiny tao amin'ny Oalan'i Cook. Saripikan'i Jason Chute/UNICEF, nahazoana alalana.

Tamin'ny voalohany, tamin'ny taona 2017, i Vanuatu sy ny UNICEF nanolotra ny fampiasana ny tantelimby hanatsarana ny velarantany hanaovam-bakisiny ao amin'ny firenena. Farafahakeliny 13 ny isan'ny kompania nametraka ny fikasany handray anjara [17] amin'ny fanandramana fandefasana tantelimby miahy tena, saingy ny fanamby ara-pampitaovana sy ara-bola no nahatonga ny maro hiala an-daharana [18]. Tamin'ny farany i Vanuatu nanome loka fifanarahana telo tamin'ny mpandraharaha roa izay nahatonga ny sidina andrana tamin'ny 5 desambra.

Andrew Parker, lehiben'ny UNICEF Vanuatu, nampitony [19] ny tahotra sao dia hanaisotra ny mpiasan'ny fahasalamana ny fandefasana ny tantelimby:

We are not seeking to replace jobs, we are seeking to complement instead. Think of the nurse at the aid post level, who doesn’t have the medicines and therefore cannot treat a sick child. She or he will be frustrated, knowing what’s needed but can’t do anything about it.

Tsy mitady ny hanoloana asa izahay, fa mitady ny fifamenoana kosa indray. Eritrereto hoe misy mpanampy mpitsabo eo amin'ny toeram-panampiana iray, izay tsy manana ny fanafody ary tsy afaka mitsabo ankizy marary. Hisy lonilony ao aminy, mahafantatra ny zavatra ilaina saingy tsy afa-manao na inona na inona ny amin'izany.

Efa eo am-pamakafakana ny fahafahana mampiditr [20]a amin'ny fomba ofisialy ny fampiasana ny tantelimby ao amin'ny rafi-pitsaboana amin'izao fotoana izao ny governemantan'i Vanuatu.