Ejipta: Olo-malaza tsy Mahay Miresaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2009)

Nitatitra tantara roa nifanelanelana andro vitsivitsy i Bikya Masr mikasika ny hadisoan'ny olomalaza sy ny tsy fahaizany miserasera.

Niantso ny ‘pop-star’ Amerikana Beyonce ho ”olona vendrana” nandritra ny fitsidihany fohy ireo piramidan'i Giza ilay lehiben'ny Ejiptolojista ao Ejipta, Dr. Zahi Hawass:

Nandritra ny fitsidihana notarihin'i Hawass, nilaza izy ”Nasehoko azy ny Sphinx ary nomeko boky mikasika ny Mpanjaka Tutankhamun izy”, nefa avy eo, niakatra ny hatezerany sy ny hasosorany.

Avy eo nitsahatra ny fahaizany miresaka ary nilaza izao tamin-katezerana izy, ‘Olona vendrana ary tsy mahazo na inona na inona izy sady tsy he hahazo mihitsy’,” hoy i Summer al-Gamal nanoratra tao amin'ny Gazety Al Shorouk.

Fantatra amin'ny hatezerany i Hawass. Vahiny maro no nilaza tamin'i Bikya Masr fa nampiasa teny Arabo hanompàna ireo hafa nandritra ireo fotoana fisakafoana sy fivoriana izy, nihevitra fa tsy hahazo ny teny Arabony ireo tsy Ejipsiana. Mazava ho azy fa tsy azon'i Beyonce ny tsindrony, hoy i Gamal.

Ary nandritra ny fandraisany fitenenana tamin'ny naha-vahiny manan-kaja azy tamin'ny Fetibe Iraisam-pirenena Ho An'ny Sarimihetsika tao Caire, namaritra ny fanorisorenana ara-pananahana nahazo azy tao Ejipta tamin'izy 17 taona i Salma Hayek :

Nilaza i Hayek fa nandeha nizaha ny Caire izy, nitsidika ny Piramida hatramin'ny nahatongavany tany am-piandohan'ity volana ity ary naneho ny hafaliany tamin'ny fitsidihany fanindroany an'i Ejipta tao anatin'ny fiainany ary hoe mihevitra izy fa tena azo antoka be ilay firenena, nilaza fa afaka nanaraka ny zanany vavy tany amin'ny araben'i Caire tsy misy tahotra izy. Tsy faheno izany any amin'ny tanindrazany any Meksika, izay toerana mahazatra isehoan'ny fakana an-keriny; hoy ilay Olomalaza nilalao tanatin'ny Frida, From Dust till Dawn ary Fools Rush tamin'ireo mpijery.

Fa kosa, tadidiny ny fitsidihany voalohany an'i Caire 26 taona lasa izay tamin'ny faha-17 taonany, izay niteraka tehaka avy tamin'ny mpijery avy hatrany noho ny famborahany ny taonany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.