- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Bilaogera roa nosamborina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nitatitra  [1] ny bilaogy Egyptian Watchman fa nosamborina i Ahmed El Geizawy avy ao amin'ny bilaogy  ana Bahebek ya Masr [2] (Tiako ianao Ejipta) sy Moataz Adel avy ao amin'ny bilaogy Manfa [3] .

Teo am-panatontosana ny fitantarana ny raharaha fitsarana miaramila ho an'ny Mpirahalahy Miozolomana any Egypta ireo bilaogera roa. Niantso ireo antoko rehetra voakasika amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fanehoan-kevitra mba hijoro ho an'ireo bilaogera roa voatazona ny bilaogy Egyptian Watchman.

Naneho hevitra momba ny fisamborana izy tamin'ny filazana hoe “toa matahotra bilaogera ny fiarovana (sampan-draharaha) amin'ny fitaterana fitsarana ara-politika izay nanatontosan'izy ireo ny asa goavana  .”

Nanomboka tamin'izay no nitatitra [4] ny famotsorana an'i Moataz Adel ny bilaogy Tahyyes, izay vaovao tsara. Etsy ankilany dia mbola eo ambany fanadihadiana i Geizawy.

Lasa fomba fanao matetika tato ho ato ny fisamborana ireo bilaogera, indrindra ho an'ireo bilaogera izay mikasa ny hitatitra mikasika ny sehatra ara-politika any Ejipta.