Ejipta: Bilaogera roa nosamborina

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nitatitra  ny bilaogy Egyptian Watchman fa nosamborina i Ahmed El Geizawy avy ao amin'ny bilaogy  ana Bahebek ya Masr (Tiako ianao Ejipta) sy Moataz Adel avy ao amin'ny bilaogy Manfa .

Teo am-panatontosana ny fitantarana ny raharaha fitsarana miaramila ho an'ny Mpirahalahy Miozolomana any Egypta ireo bilaogera roa. Niantso ireo antoko rehetra voakasika amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fanehoan-kevitra mba hijoro ho an'ireo bilaogera roa voatazona ny bilaogy Egyptian Watchman.

Naneho hevitra momba ny fisamborana izy tamin'ny filazana hoe “toa matahotra bilaogera ny fiarovana (sampan-draharaha) amin'ny fitaterana fitsarana ara-politika izay nanatontosan'izy ireo ny asa goavana  .”

Nanomboka tamin'izay no nitatitra ny famotsorana an'i Moataz Adel ny bilaogy Tahyyes, izay vaovao tsara. Etsy ankilany dia mbola eo ambany fanadihadiana i Geizawy.

Lasa fomba fanao matetika tato ho ato ny fisamborana ireo bilaogera, indrindra ho an'ireo bilaogera izay mikasa ny hitatitra mikasika ny sehatra ara-politika any Ejipta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.