- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Fisamborana mpianatra avy amin'ny elatra havia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosamborin'ny governemanta Iraniana ireo mpianatra avy amin'ny elatra havia tany Teheran sy Mazandaran – angamba natao ho hetsika fanafihana mialoha ny “Andron'ny Mpianatra” (16 Azar). Nampahafantatra izao tontolo izao momba izany tamin'ny alàlan'ny bilaoginy ny vondrona mpianatra avy amin'ny elatra ankavia “Mpianatra ho an'ny Fahalalahana sy ny Fitoviana”, ary nahavita nikarakara famoriam-bahoaka maromaro ho amin'ny fahalalahana, ny fandriampahalemana ary ny fitoviana tao amin'ny oniversite samihafa tany Iran na dia nisy aza ny fisamborana .

iranian student protestSary avy amin'i azady-barabary-01.blogspot.com [1]

Misy zavatra telo farafahakeliny mahaliana momba ny hetsiky ny mpianatra avy amin'ny elatra havia: 1- Taorian'ny famonoana faobe ireo mpikatroka elatra ankavia an'arivony [2] tamin'ny taompolo 1980 dia mbola nahavita manentana ny vahoaka tao Iran ny hevitra Marksista / Sosialista. 2- Mitranga ao amin'ny firenena izay manana fifandraisana akaiky amin'ireo mpitarika sosialista ao Amerika Latina, anisan'izany i Hugo Chavez [3] sy Daniel Ortega [4] ny famoretana ireo mpianatra sosialista . 3-  Miankina amin'ny bilaogy indrindra ity hetsika ity mba hifandraisana sy hanaovana ny fandaminana.

Fandriampahalemana , Fitoviana ary Fahalalahana

Nanoratra [5] ny bilaogy Barabary Azadi (midika hoe “fahalalahana mitovy”) izay an'ny mpianatra elatra havia, fa raha iny nanomana fihetsiketsehana ho azy ireo iny ireo mpianatra ny 2 Desambra 2007 dia nanomboka nisambotra ireo mpikatroka tao Teheran ny manampahefana.

Nanampy ny bilaogy:

… But the demonstration was held by the Radical Left on Tuesday, in the University of Tehran in front of the Engineering Faculty. The demonstration started with singing revolutionary songs by the students; many students carring posters and slogans defining their wants and aims such as “The University Is Not a Garrison”, “Liberty of Women Is Liberty of Society”, “NO WAR”, “Hands Off the People of Iran”, “Free the Political Prisoners”, “There IS an Alternative”, “Free Our Classmates”, “The Student Movement is Allied with the Workers and Women's Movements”, “We Want Independent Unions.

… Saingy ny fihetsiketsehana dia notontosain'ny Mahery Fihetsika Havia ny Talata, tao amin'ny Oniversiten'i Teheran teo anoloan'ny Sampam-pampianarana ho an'ny Injeniera. Nanomboka tamin'ny fihirana ireo hira revolisionera nataon'ny mpianatra ny fihetsiketsehana; maro ny mpianatra nilanja sora-baventy sy teny filamatra izay namaritra ny fitakian'izy ireo sy ny tanjony toy ny hoe “Tsy Toby Miaramila ny Oniversite”, ” Fahalalahan'ny Fiarahamonina ny Fahalalahan'ny Vehivavy”, “TSY MILA ADY”, “Omeo Fahalalahana ny Vahoakan'Iran”, “Avotsory ireo Gadra Politika”,” Misy ny Fomba Hafa”,” Avotsory ny Mpiara-mianatra aminay “,” Ny Hetsiky ny Mpianatra dia Miaraka amin'ny Mpiasa sy ny Hetsiky ny Vehivavy “,” Mitaky ny Fiombonana Mahaleotena izahay.”

Namoaka ny lisitry ny anaran'ireo mpianatra izay nosamborina ihany koa ny bilaogy ary nampanantena fa hiroso ny hetsika, na firy na firy no voasambotra.

Nitatitra [6] ny Schhr, bilaogin'ny Mpitati-baovaon'ny Zon'olombelona an'ny Komitin'ny Mpianatra fa nanahy ny fepetra hitazomana azy ireo any am-ponja ireo mpianatra nogadraina. Ny ankamaroan'ireo mpianatra ireo dia voatazona ao amin'ny efitrano mitoka-monina ao amin'ny fonjan'i Evin malaza ratsy. Nilaza tamin'ireo fianakavian'ny mpianatra ny Minisiteran'ny Fitsikilovana fa afaka mitazona azy ireo mandritra ny 90 andro sady tsy manome vaovao momba azy ireo ry zareo.

Miverina any amin'ny taompolo 1980 ve ?

Nilaza ny bilaogy Mbulletin izay an'ny mpianatra elatra havia any Mazandaran, any avaratr'i Iran, fa mpianatra dimy no voasambotra ary mampahatsiahy azy ireo ny andro ratsy nandritra ny taompolo 1980 izany izay nisamborana sy namonoana ireo mpikatroka elatra havia an'arivony tany Iran.

Nanoratra [7] ny bilaogy :

Once more Islamic Republic Intelliegence failed in its calculation, and “Students for Freedom and Equality” organized the Student Day in different universities all over country. Demonstrators showed their solidarity with jailed students. Students in universities in Tehran, Shiraz, Ahwaz, Mashad, Isfahan, Sanandaj and Mazandaran called for freedom for their fellow students.

Tsy nahomby tamin'ny kajikajiny indray ny Sampam-pitsikilovan'ny Repoblika Islamika, ary nikarakara ny Andron'ny Mpianatra tany amin'ireo oniversite samihafa manerana ny firenena ny “Mpianatra ho an'ny Fahalalahana sy ny Fitoviana”. Naneho ny firaisankinany tamin'ireo mpianatra nogadraina ireo mpanao fihetsiketsehana. Niantso ho amin'ny fanafahana an'ireo mpiara-mianatra aminy Ireo mpianatra ao amin'ny oniversite ao Tehran, Shiraz, Ahwaz, Mashad, Isfahan, Sanandaj ary Mazandaran .

Kintana maro voafatotra

Nilaza [8] i Salam Demokrat fa nafindra tany amin'ny fonjan'i Evin ireo mpianatra. Nilaza ny bilaogy fa mbola misy gadra politika maro hafa toy ny mpiasa sy ny mpikatroka ny zon'ny vehivavy. Nanamarika ity bilaogera ity fa “feno kintana mamirapiratra” ny fonjan'i Evin.