- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sina: Ny Fanorenana Repoblika

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2009)

Ho fankalazana ny faha-60 taona niorenan'ny Repoblikam-Bahoaka ao Sina ny 1 Oktobra, halefa rahampitso 17 Septambra ny sarimihetsika ”Ny Fanorenana Repoblika”. Niteraka resabe mafana tao amin'ny Aterineto ilay sarimihetsika – tsy noho ilay sarimihetsika manokana, fa noho ny fiavian'ireo mpanakanto

Founding of a Republic

Nilaza ny tatitra am-baovao [1] sasany tamin'ny Aogositra fa tamin'ireo mpilalao sarimihetsika 172 sy talen-koronantsary malaza nandray anjara tamin'ilay sarimihetsika, 21 no manana zompirenena vahiny.

Niresaka mikasika izany tao amin'ny bilaoginy  [2]i Han Han (韩寒), mpanoratra fanta-daza ao amin'ny tanibe Sina, ny 12 Aogositra:

我认为,一个国家,能让这么多艺人转变国籍,这个国家一定是有他的责任的。

Ny hevitro manokana dia hoe raha toa ka afaka miteraka ny fanovan'ireo mpilalao sarimihetsika maro ny zompireneny ny firenena iray, mila mizaka andraikitra sasantsasany io firenena io.

他们变换了国籍,是他们的选择,这个选择就像离婚一样,可能是感情破裂了,可能是遇见了更好的,在道德层面上是可以谴责的,但是在人格层面上是没有任何问题的。

Safidin'izy ireo manokana ny hanova ny zompireneny. Mitovy amin'ny fisaraham-panambadiana ihany izany: angamba nanjavona ny fitiavany ny tanindrazany, na koa nahita tsaratsara kokoa izy. Misy fomba fijery ara-pitondrantena afaka hitsikerantsika azy ireo, kanefa tsy misy zavatra mibirioka amin'ny toetrany manokana.

对于普通老百姓来说,也就是吃不起住不起玩不起结不起生不起病不起死不起,但最关键的是,还移民不起,所以,看见你们跑了,不爽是肯定的。

Ho an'ireo olontsotra Sinoa, izany hoe, ho an'ireo tsy afaka misakafo tsara, na miaina tsara, na miala voly, na mametraka fifandraisana tsara, na miteraka, na marary na maty, ny teboka lehibe dia ny tsy fahafahan'izy ireo mifindra monina. Noho izany, voajanahary ho azy ireo ny mitsiriritra ireto mpilalao sarimihetsika mandositra ny firenena ireto.

Niteraka valiny be dia be ity lahatsoratra am-bilaogy ity. Misy tena mitsikera be azy io:

徐然 2009-08-12 04:56:26: 既然是外国人为什么不在外国发展,跑到中国来碍眼

Raha toa ka vahiny izy ireo, nahoana no tsy mampivoatra ny asany any ampitan-dranomasina fa tsy aty Sina

Totiliy 2009-08-12 08:29:07: 这个名单还只是艺人,要把什么科学家等等的都列出来估计更震撼,不知道商人爱不爱换国籍,估计有能力的都愿意吧

Mpilalao sarimihetsika ihany no voakasik'io lisitra io. Raha hampidirintsika ny mpahay siansa sns sns, mety mbola hahagaga kokoa ny vokany. Manontany tena aho raha toa ka tia mivadika ho vahiny ireo mpandraharaha, heveriko fa mety ho tiany izany raha toa ka nanana fahafahana izy ireo.

新浪网友 2009-09-10 08:32:04: … 居然可以让这样一群外国人演建国大业,说明国家相应的管理者既没有原则又没有自尊心,没皮没脸,连累着国家被人看低…

Ny fahafahan'ny vahiny mandray anjara anatin'ity sarimihetsika ity dia mampiseho fa tsy manana fotokevitra ijoroana sy voninahitra ireo mpitantana. Vokany, ambanian'ny hafa i Sina.

Misy karazana fomba fijery hafa ihany koa, indraindray maneso:

新浪网友 2009-08-13 15:55:58: 外国明星,演中国电影,而且是<建国大业>,辛苦他们了.人家千里迢迢来为我们国家拍<建国大业>,我们中国人要感谢他们啊.

Namakivaky làlana lavitra mba hamokarana ity sarimihetsika ity ho antsika ireo mpanakanto vahiny mandray anjara anatin'ny sarimihetsika Sinoa, indrindra ”Ny Fanorenana Repoblika”, isika, Sinoa, dia tokony hisaotra azy ireo noho ny asa mafy vitany.

妮娜 2009-08-27 16:58:07: … 不要太极端了。入籍并不是卖国投敌。明星回来拍的是中国电影,参加世界影展代表中国,是为祖国作贡献…

… Aza dia mandray an-tendrony be kosa e. Tsy midika famitahana ny firenentsika ny fananana zompirenena vahiny. Miverina mba hanao sarimihetsika ho an'i Sina izy ireo, mba hisoloana tena an'i Sina any amin'ireo fetibe iraisam-pirenena natokana ho an'ny sarimihetsika. Mitondra ny anjara birikiny ho an'i Sina izy ireo…

飞翔 2009-09-03 12:57:59: 不是不爱这个国家,只是不爱这个制度!

Tsy hoe tsy tianay ity firenena ity, tsy tianay fotsiny ny rafitra ao aminy!

春雪 2009-09-09 21:17:01: 我们无权力去责备批评别人,每个人都会有不同的选择,拥有他国之籍并非不热爱吴中华之民族

Tsy manan-jo hitsikera ny hafa isika. Samy manana ny safidiny ny tsirairay. Tsy midika tsy fitiavan-dry zareo ny firazanana Sinoa ny fananany zompirenena vahiny.