Fitempon'ny Tontolombolongana Saodiàna

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2006)

Tena herinandro milamina ho an'ny tontolombolongana Saodiàna ity herinandro ity. Na izany aza, lahatsoratra tsara marobe no mety ho hitan'ireo blaogera avy ao anatin'ny firenena, ary koa avy amin'ireo izay monina any ivelany. Andao ary hatombontsika izay…

Niteraka fifanoheran-kevitra marobe ny tranonkala iraisana iray vaovao ho an'ny vondrom-piarahamonin'ireo Saodiàna bilaogera, ary nihetsika  hatramin'ireo blaogera arabo ihany vitsivitsy ihany koa noho ny lahatsoratra iray nosoratan'ny mpiara-namorona ilay vondrom-piarahamonina voalohany ho any blaogy Saodiana. Farooha, ilay iray hafa mpiara-mamorona, nanoratra fa “tsy ho vitanareo alamina ny tontolombolongana Saodiàna. Tsy azonareo “diovina io” na “sivanina” na inona na inona koa zavatra hafa novakiako izay tadiavinareo hanaovana azy”. Nanoratra mikasika an'io ihany koa ny  Egyptian Sandmonkey manao hoe:

Fantatr'izy ireo fa io no fomba tokana hahafahana misaina sy maneho hevitra izay tavela ho an'ny tontolo arabo sady mampitahotra azy satria, araka izay tena atahoran'izy ireo tokoa, ny fahalalahana miteny, maneho hevitra, ary misaina no fahavalon'izy ireo. Tsy afaky ny handroso izy ireo raha tsy ao anatin'ny tontolon'ny sivana, ireo fitsipika ary ireo fepetra izay napetrany sy nekeny, raha isika kosa, ilay efa ntaolo fihevitra, handroso ihany koa na ho inona na ho inona.

Aya, vehivavy Saodiana iray blaogera, milaza ireharehany ny tsy maha-ao anatin'ilay vondrom-piarahamonina vaovao azy: “Manam-panontaniana vitsivitsy aho ireto, voalohany indrindra, inona no maha-ofisialy an'io vondrom-piarahamonina io ? Fa raha izay mba fantatro, tsy misy na kely aza zavatra maha-ofisialy ny fanoratana blaogy. Olona tsy miankina ireo blaogera tsirairay izay tsy fananan'iza na iza ofisialy. Tsy zavatra roa mifanohitra ve ny hoe “Blaogera – Ofisialy”? hoy izy nanoratra.

Miampita amina lohahevitra iray hafa, nahamarika aingitraingitra iray vaovao teo amin'ireo vehivavy Saodiana blaogera i Fedo, izay manoratra mikasika ny firaisana, ary niantso azy ireo hanatsahatra ny fanaovana izany satria “maivana loatra ny fanoratana momba ny firaisana ara-nofo.” Taorian'ny famakiana ireo vaovao vitsivitsy, tsy ela akory izay, miresaka tantara ratsy momba ny firaisana ara-nofo, toa kaodikaody i hibbalicious. “Tena mba toe-javatra ratsy io, inona no asehon'io  momba izay mitranga ao anatin'ny fiarahamonintsika ankehitriny?, tsy ao Kuwait fotsiny fa any amin'ireo firenena Arabo marobe, manjary miha-gaigy ara-pananahana ny olona, sady tsy ireo tokantena irery ihany fa hatramin'ireo efa manambady ihany koa,” hoy izy nanoratra. Mandritra izany fotoana izany, manao antso i Ubergirl  mba hanovàna ny anarana Arabia Saodita ho Arabia Sexiste. Manana lahatsoratra mahaliana iray koa izy mikasika ny fanandevozan'ny devoly.

Raha namaly hafatra avy amin'ny blaogera iray hafa, nanoratra i Dodi mikasika ireo zon'ny vehivavy: “Misy any rehetra any ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana ara-poko, manerana ny fiarahamonina misy anareo sy ny anay!” Tena voahaja fatratra ny vehivavy iray ao anatin'ny fireneko. Mandehana any amin'ireo mpisera fivahinianana fa ho hitanao hoe ianao no mandeha voalohany, any amin'ny banky na birao hafa dia ho hitanao fa ianao no raisina voalohany. Nandeha tany amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazana aho ary niandry tao amina efitrano iray, dia nanatona anay ny mpiasa iray, nandray ny taratasinay, nanampy anay araka izay azony natao ary nanolotra anay SAKAFO MARAINA mihitsy koa aza!!!” Andao hiresaka ireo fanontanian'i Misso amin'izay: “Inona no nanjo ilay sarin'ny lehilahy iray mpisarisarizoro sy mahalala fomba be? Inona no nanjo ilay nofy iray hoe “niaina tamim-pahasambarana mandrakizay izy ireo”? Moa ve miara-tonga amin'ny fahendren'ny taona io fisainana mitombina io? Sa ve io fitsoahan'ireo vehivavy nahita sy nahalala tsara kokoa ary niezaka fotsiny nanao izay hampiodina an'io . Fa averina indray, tsy vitako ny tsy hieritreritra izay antony anandramana ny hampandehanana an'io raha toa io tsy mety aminao ilay izy?”

Farany, indreto lahatsoratra telo hafa mendrika ny ho avoitra: manontany i Aya hoe: Inona no mahatonga an'ireo Saodiana ho malaza?. Sorena amin'ireo blaogy Saodiàna i Dotsson, saingy nahita izy blaogera enina vaovao izay nanova ny zavatra manodidina azy, ary farany fa tsy ny kely indrindra, ndeha ho jerentsika ny fifanandrifian-javatra iray mahagaga nitarika ireo Saodiana roa blaogera hihaona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.