- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Romania: Fihaonamben'ny NATO sy Fifamoivoizana ao Bucharest

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Romania, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tsidika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2008)

Nanoratra ity manaraka ity [1] ny Hotnews.ro ny 28 Martsa, mamerina ny hafatry ny haino amanjery Romanina:

Hivadika helo tanteraka ny fifamoivoizana efa tsy misy ao Bucharest mandritra ny Fihaonamben'ny NATO…

Kanefa toa diso indray ny haino amanjery.

Nitatitra ity manaraka ity  [2](RUM) i Nicole, Romaniana matihanina miasa ao afovoan-tanànan'i Bucharest, tao amin'ny bilaoginy, Nicole Incorporated: Made in Romania, androany:

Natahotra ny hisian'ny fifamoivoizana ratsy indrindra hatramin'izay ireo mponina sy mpandraharaha noho ny fihaonamben'ny NATO. […] Tsikaritra avy eo fa tsy ratsy akory ny fifamoivoizana. Taorian'ny nihainoako ny tatitra mahakivy momba ny fifamoivoizana maraina tamin'ny onjampeo, gaga aho raha nahita fa malalaka nóho ny andavanandro ny làlana (toy ny amin'ny Alahady mangingina) – angamba satria maro ny olona natahotra ny fifamoivoizana ary nijanona tany an-trano na niala sasatra.

[…]

Resiko ny tahotra nafafin'ireo laingan'ny haino amanjery. Tsy hihaino vaovao intsony aho. Iza no mbola hihaino?