Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Romania: Fihaonamben'ny NATO sy Fifamoivoizana ao Bucharest

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2008)

Nanoratra ity manaraka ity ny Hotnews.ro ny 28 Martsa, mamerina ny hafatry ny haino amanjery Romanina:

Hivadika helo tanteraka ny fifamoivoizana efa tsy misy ao Bucharest mandritra ny Fihaonamben'ny NATO…

Kanefa toa diso indray ny haino amanjery.

Nitatitra ity manaraka ity (RUM) i Nicole, Romaniana matihanina miasa ao afovoan-tanànan'i Bucharest, tao amin'ny bilaoginy, Nicole Incorporated: Made in Romania, androany:

Natahotra ny hisian'ny fifamoivoizana ratsy indrindra hatramin'izay ireo mponina sy mpandraharaha noho ny fihaonamben'ny NATO. […] Tsikaritra avy eo fa tsy ratsy akory ny fifamoivoizana. Taorian'ny nihainoako ny tatitra mahakivy momba ny fifamoivoizana maraina tamin'ny onjampeo, gaga aho raha nahita fa malalaka nóho ny andavanandro ny làlana (toy ny amin'ny Alahady mangingina) – angamba satria maro ny olona natahotra ny fifamoivoizana ary nijanona tany an-trano na niala sasatra.

[…]

Resiko ny tahotra nafafin'ireo laingan'ny haino amanjery. Tsy hihaino vaovao intsony aho. Iza no mbola hihaino?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.