Ejipta: Dov'è L'Amore (Aiza ny Fitia)

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008)

Andron'ny Mpifankatia ny Alakamisy lasa teo, ary azo antoka fa tsy hamela io fotoana io handalo fotsiny ka tsy hanoratra momba azy ireo bilaogera Ejipsiana, na hanolotra fomba fahandro Mofomamy misy Sokolà (Tarte au Chocolat) hafa kely mihitsy aza ho an'ity andro ity ka hiantso izany hoe “Ilay sakafon'ny Fitiavana”.

Nanapa-kevitra ny hanokana io andro io ho an'ny olon-drehetra fantany ireo bilaogera sasany, toa an'i Pinsy Winsy:

ماليش حبيب واحد أهديله ورده حمرا مع حبي
اشتريت عشر وردات من أجمل ماشفت لكل زمايلي فى الشغل
واتمنيت لو جبت مليون ورده لكل أصحابي وحبايبي البلوجرز والفيس بوكيين وأصدقاء الطفولة والرحلات والسفر
اتخضيت لما عرفت ان أسعار الورد غليت بالطريقه المتوحشه دى
حتى الحب والفرحه عاوزين يكسبوا من وراهم؟؟
أمشي في الشارع ومعايا ورداتي
أبص على الأحبه اللي ماشيين وايديهم متشبكه
والايد التانيه شايله هدية.. حجمها صغر عن السنه اللى فاتت
أو شايلين بوكيهات ورد.. عدد ورداتها قلت عن الأول
بس فرحانين .. ومتحابين
ماحدش يقدر يسرق مننا الفرحه… وهانفضل برضه نحب ونفرح.. ولو بأبسط الامكانات

Tsy manana olon-tiana omena raozy amin'ny foko aho.
Nividy raozy 10 tsara tarehy aho ary nomeko ireo mpiara-miasa amiko izany.
Ary maniry ny hahazo raozy iray tapitrisa aho mba hatolotro ny namako rehetra, ireo bilaogera malalako, sy Facebook, ireo namana fony fahakely sy ireo mpiray dia.
Tohina aho rehefa fantatro fa lasa niakatra be ny vidin'ny raozy.
Na ny fitiavana sy ny fifaliana koa aza tadiavin-dry zareo hatao fampidiram-bola??
Nandehandeha teny an-dalambe aho, ny raozy teny an-tànako.
Ary nijery irony mpifankatia nifampitantana.
Ary amin'ny tànana ilany nisy fanomezana … saingy kely nóho ilay iray tamin'ny herintaona ny habeny.
Na mitazona fehezan-draozy … raozy vitsy nóho ny tamin'ny taon-dasa.
Na izany aza, faly sy ravo izy ireo
Tsy misy afaka manaisotra ny fifaliantsika amintsika. Ary hanohy hitia sy hampifaly ny tenantsika isika, na kely aza ny enti-manana.

Etsy ankilany, i Amira Hassan kosa, nanapa-kevitra hanokana ny lahatsorany ho an'ny … ndeha hojerentsika izay olon-tiany eto.

I want Grow Old Loving U,,,
Kol sana w ent yaib ya 7abebi
ml2tsh 7aga bt7bha akter mn Google 🙂

Te hitia anao mandra-kantitro aho,
Mirary Andron'ny Mpifankatia Sambatra ry malalako
Tsy nahita zavatra hafa hotiavina mihoatra nóho ny Google aho 🙂

Nanoratra momba ny Andron'ny Mpifankatia ihany koa i Hany George, bikya, teto.

عيد الحب … تأتيني بعض الرسائل علي تليفوني المحمول … هابي فلانتين … فاجيب بمثلها … ما معني أن يكون الحب مثل التبرز … له اوقات معينه نتبرز فيها بعض الكلمات مثل التي تتكرر علي مسمعي في الهاتف … و انت عامل ايه … كلمات تملأ فراغ زمني … و لا يشعر بها أحد .. نبرة الاصوات تدل علي ذلك بشدة لكنه الواجب
الواجب … و نحن صغار يكون الواجب أن تكرر حرف الالف العديد من المرات في صف طويل في كراستك و انت لا تعرف ما الفائدة ان كانت مرة واحدة كافية لكي تحفظ شكل الحرف
و عندما تكبر قليلا … يكون الواجب أن تحترم المدرسين … و تكتب موضوع انشائي طويل عن مضار التدخين و أنت تعلم أن من سيقرأه و يصلحه لك … مدخن
و عندما تكبر اكثر … يتحول كل شيء الي واجب … حتي ممارسة الجنس … فعل الحب … في اطاره الشرعي يسمي بالواجبات الزوجية
ملعونة هي تلك الواجبات

Andron'ny Mpifankatia … Naharay simaiso vitsivitsy tamin'ny findaiko aho … Mirary Andron'ny Mpifankatia sambatra… ary valiako mitovy amin'izany koa ry zareo … inona no dikan'ny fitiavana raha tahaka ny mangery ihany … misy fotoana natokana amoahantsika teny toy ireny azoko tanatin'ny findaiko ireny… “Manao ahoana ianao?” … teny mameno fotoana sy toerana fotsiny… ary tsy misy mahatsapa azy ireo akory… manindry mafy izany ihany koa ny feo sy ny tsindrimpeo, kanefa izany no adidy.
Adidy .. fony isika tanora, nanoratra imbetsaka ny litera “A” tanaty kahie, tsy fantatsika mihitsy ny antony nanoratana azy imbetsaka kanefa indray mandeha monja dia ampy ahafantarana ny endriny, ary nihalehibe isika … adidintsika ny manaja ireo mpampianatra … sy manao famelabelarana momba ireo loza ateraky ny fifohana sigara, na dia mpifoka sigara aza ilay mpampianatra hamaky ny asa famoronanao, ary rehefa nihalehibe hatrany isika … nivadika ho adidy ny zava-drehetra … na ny firaisana ara-nofo sy ny fitiavana aza … antsoina hoe “Adidy ara-panambadiana” mihitsy aza izany … adidy tay.

Araka ny efa fantatrao, anatin'ity ampaha-tanin'izao tontolo izao ity, indraindray dia tian'ny olona ny mampifandray ny zava-drehetra amin'ny finoana, na tsy misy idiran'ny finoana aza izany. Ary eto i Badway dia nanoratra momba ireo mino fa tsy tokony hankalaza ny Andron'ny Mpifankatia isika.

و الله أنا زهقت كل سنة فى الميعاد بتاع عيد الحب ده اللى معرفش ميعاده امتى أصلا ألاقى ناس محموقين قوى و أعصابهم شايطة أن ازاى احنا نحتفل بعيد الحب و ألاقى مقالات طويلة و نصايح اخوية رخمة بأننا مفروض منحتفلش بعيد الحب و ناقص يقولوا نعلن فيه الحداد … أو نلبس شارة سودا

Tena leo aho, isan-taona amin'ny Andron'ny Mpifankatia, andro iray tsy fantatro akory, mahita olona tezitra aminay aho noho ny fankalazàna ny Andron'ny Mpifankatia, ary mahita lahatsoratra famelabelarana lava be sy torohevitra adaladala milaza ny tsy tokony hankalazàna azy io, heveriko fa ny hanehoantsika ny fisaonantsika sy ny halahelontsika no tiany hampitaina amintsika… na ny hanaovantsika fehin-tsandry mainty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.