- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ny Kianjan'i Tahrir, Nofinofy Kely Iray

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Febroary 2011)

Iray amin'ireo endriky ny revolisiôna niseho tao Ejipta ny fiainana andavanandron'ireo mpanao fihetsiketsehana teo an-kianja Tahrir. Nandritra ny roa ambinifolo andro, teo an-kianja izy ireo no nonina. Manaraka ny onjany manokana ankehitriny ny fiainana eo an-kianja Tahrir [1], ary ny fanantenana manjaka ao anatiny dia ny nofinofy kely iray.

Manomboka amin'ireo fanaovana fanatanjahantena ny maraina, miaraka amin'ny feo “Miala Moubarak!”.

Folakandro taty aoriana, raha mbola niara-nirohotra teo an-kianja ireo mpanao fihetsiketsehana, ireo tena mponina kosa nandray azy ireo taminà teny faneva hafa, araka izay tantarain'ny @ashoukry [2] manao hoe:

أجمل لحظات اليوم:استقبال الثوار بالغناء و التصفيق عند دخول التحرير، لحظات لا تنسي و نسائم حرية حقيقية تتهادي و تتدفق فاذهبوا و أروا قلوبكم
Fotoana tsara indrindra nandritra ny andro: fandraisana ireo mpikomy teo an-kianja Tahrir niaraka tamin'ny hira sy tehaka. Fotoana tsy hay adinoina izay nifohanay ny rivotry ny fahalalahana.

Napetrak'i @Maysaloon [3] avy any Siria teo amin'ny Twitter ny fanontaniana izay ao an-tsain'ny rehetra, misanda Livres Ejipsiana an-tapitrisany :

Zavatra iray loha no eritreretiko amin'izao fotoana izao, ahoana no ataon'ireo olona rehetra ao an-kianja Tahrir ireo amin'ny resaka fidiovana? Tsy mahita toeram-pivoahana mihitsy aho na aiza na aiza…

Noho izany, izaho no hamaly azy [4]:

Na izy ireo mampiasa ny toeram-pivoahana ao amin'ny maoske izay tsy lavitra eo, na ny an'ny metro, na ny an'ireo trano manodidina, na ny an'ireo magazay. Mody any aminy ny sasantsasany dia miverina indray avy eo.

Ohatra, ny @TAFATEFO [5] nibitsika nanomboka teo amin'ny kianjan'i Tahrir hoe:

واحد قال في الميك انه ممثل أصحاب الـ 3 عمارات اللي في الميدان .. وانهم فاتحين الدورين السادس والسابع للي عايزين ياخدوا دش أو يناموا
Nisy olona niteny tamin'ny fanamafisam-peo fa izy no tomponandraikitra amin'ireo tranobe telo izay eo an-toerana. Nilaza izy fa sokafany ny rihana faha-6 sy faha-7 ho an'ireo izay te-handro na hatory.
People spend a good while of their day cleaning the square [6]

Manokana ampaham-potoana betsaka isananadro hanadiovana ny kianja ireo mpanao fihetsiketsehana. Sary an'i Monasosh eo amin'ny Flickr (CC-BY 2.0)

Even while it rains, people keep marching covered by a plastic sheet [7]

Na mirotsaka aza ny orana, mitanjozotra hatrany ireo mpanao fihetsiketsehana, eo ambany labasy plastika. Sary an'i Nadia El Awady eo amin'ny Twitpic.

Isanandro vaky, lasa toy ny fiainana fetibe nokarakarain'ireo mpanao fihetsiketsehana ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana ny rivotra iainana eo an-kianja. Nihoraka i @etharkamal [8] manao hoe:

ANKAFIZIKO ny hakingan-tsaina ejipsiana: ho ana vola 1 livre ejipsiana, 7antoor (fiara tarihina soavaly) no hitatitra anareo eo amin'ny tetezana Kasr El-Nil hatreny amin'ny kianja #tahrir #jan25

Nanampy i @Tarekshalaby [9] manao hoe:

Eo an-kianja  Tahrir, afaka mahita poakatsaka ianao, couscous, vomanga, mofo sesika, dite sy ireo zava-pisotro maro! Hain'ireo Ejipsiana tsara hoe ahoana no fomba hikomiana! #jan25

Egyptian tea anyone? [10]

Dite ejipsiana?.. Sary an'i Gigi Ibrahim eo amin'ny Facebook.

That's how people keep going, eating dates. [11]

“Toy izao no iveloman'ireo olona, amin'ny fihinanana voankazo dates.” Sary an'i Gigi Ibrahim eo amin'ny Facebook

People praying, a scene repeated five time a day [12]

Ny vavaka, sehatra iray miverina in-dimy isanandro, sary an'i Floris Van Cauwelaert eo amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

Milamina be ny alina, saingy ny saina dia mitovy hatrany. Voamarik'i @Tarekshalaby [13] ny alahady hariva fa:

Alina mangatsiaka sy avy orana teo an-kianja Tahrir. Tena fetibe/mahafinaritra niaraka tamin'ireo hira sy tononkalo. #jan25

Manoratra i @estr4ng3d [14] hoe:

Hira mahamirana izay milalao mafy ankehitriny, mandihy sy miteha-tanana ny olona #tahrir

Indray alina, nivory ireo mpanao fihetsiketsehana mba handrafitra hira iray, mitondra ny lohateny hoe “Power to the people” (An'ny vahoaka ny fahefana) mba hanomezam-boninahitra ireo ‘tanora Ejipsiana niray hina ho an'ny fandriampahalemana, ny fahalalahana, ny fanovana':

Miankina amin'ny andro, nisy hetsika isankarazany. Ny Alahady, nibitsika i @Ekramibrahim hoe:

1 - [15] Mifandray tànana sy mihira ireo kristianina sy miozolomana ao an-kianja #Tahrir, nisy fampisehoana mahafinaritra ireo hiram-bavaka taorian'ny lamesa kôpta, tsy mbola fahita taloha. #Egypt #jan25

2 - [16] Nisy mpifankatia nivady androany teo an-kianja #Tahrir. Andriamanitra anie hitahy an'ireo mpivady ireo. Fihetsika be fitiavana, feno famoronana. #Jan25 #Egypt

Nizara ny fihetsehampony ifampizaràny amin'ny maro i @estr4ng3d [17]:

Mety ho #Tahrir no toerana tena mahafaly indrindra ao #egypt amin'izao fotoana izao. #jan25

ça se passe sur la place Tahrir, en ce moment [18]

“nitranga teo an-kianja Tahrir io, amin'izao fotoana izao”