- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Tohanan'ny mpiserasera ny Ejipsiana amin'ny fitroarany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

Ny lahatsoratra dia ao anatin'ny fitantarana manokana ny fihetsiketseham-panoherana tamin'ny taona 2011 tao Ejipta [1].

Nampindrana ny fanohanany tamin'ny Ejipsiana amin'ny fitroarana manohitra ny fitondran'ny filoha Hosni Mubarak nitondra nandritra ny 30 taona ny mpiserasera Saodiana.

Maro ny mijery ireo tatitra ary maneho hevitra amin'ny fivoarana eny an-kianja raha miditra amin'ny andro fahafito ireo fihetsiketsehana lehibe mitaky ny fiovam-pitondrana.

Ao amin'ny Twitter, maro ireo sioka mivantana mankany amin'i Mubarak.

@balooot [2] mangataka amin'i Mubarak hitsahatra amin'izay:

هالحين مبارك وينه..؟..اذا بالقصر الشعب كله يروح هناك ويسحبونه مع اذانه..تراه اقلقنا هالنتفه نبي نشوف شغلنا..ورانا حاكم عربي ثاني مافيه وقت
Aiza moa i Mubarak amin'izao fotoana izao? Raha ao amin'ny lapa izy, tokony handeha ary hanaiosa azy ao ny firenena iray manontolo. Izy ilay maharary ao amin'ny tenda. Manana asa hafa atao izahay ary manana Arabo mpanao didijadona hopotehina. Kely dia kely ny fotoana.

@GhadaOclock [3] mamakafaka ny fifandraisan'i Mubarak amin'i Israely:

“My enemy's enemy is my friend” pretty much sums up Israel's relationship with #Mubarak.

“Namako izay fahavalon'ny fahavaloko” fehin'ny fifandraisan'i Isiraely amin'i Mubarak

@Mubarak_A [4] manontany tena hoe manana ny fomba fisainan'ny maro ve i Mubarak:

ودي أزهم على حسني مبارك و أقول له : نبو أمك ما تفهم؟ #jan25 #Egypt
Te-hiantso an'i Hosni Mubarak aho ary hanontany azy: Azonao ve izany?

@Nejer [5] manome tolokevitra an'i Mubarak:

ياحسني يامسكين، أهرب من مصر والله الأمريكان ماراح ينفعوك، أهرب قبل ما يسحل الشارع الذي يغلي جثتك في ميدان التحرير #egypt #jan25
Hosni mampalahelo, mandosira an'i Ejipta, tsy hiara-dalana aminao ny Amerikana, mandosira mialoha ny hahandroan-dry zareo ny vatanao eo an-kianja Tahrir

@mutairy [6] manamarina ny fihetsik'i Mubarak:

Hosni just doesn't want to let go!! He got backing from the US, Kuwait, Saudi Arabia and others!!! #egypt

Tsy te-handeha fotsiny izao i Hosni! mahazo fanohanana avy amin'i Etazonia, Arabia Saodita ary ny hafa izy!!!

Etsy ankilan'izany, mamakafaka ity fitroaran'ny vahoaka ity ireo mpisioka hafa.
@alfarhan [7] mampitaha azy ity tamin'izay vao nitranga tany amin'ny Iraniana:

هل نظام مبارك يستخدم منذ بدء الثورة خطة مشابهة لخطة النظام الإيراني الذي استوعب وأخمد الثورة الخضراء بنجاح؟ #Jan25
Mampiasa izay teknika nampiasain'ny fitondrana Iraniana ve i Mubarak, izay nahomby tamin'ny fandabohana ny revolisiona maitso?

@Al_buluwi [8] mampitandrina ireo firenena miara-dalana amin'i Mubarak:

الدول التي تقف مع نظام مبارك وهو في طريقه للانهيار سوف تجني عدواة الشعب المصري في قادم الاعوام
Hijinja ny fahatezeran'ny vahoaka ejipsiana ireo firenena miara-dalana amin'i Mubarak, izay efa hianjera, ireo aoriana kely eo

@Dr_MMeccawy [9] midera ny firenena Toniziana sy Ejiptiana:

.الشعبان التونسي والمصري استطعا القيام بكل هذا لأن توحدهما في حب وطنيهما أقوى من أية اختلافات بينهم ..صورة للطائفيين والمناطقيين والعنصريين
Nahavita izany ny vahoaka Toniziana sy Ejipsiana satria ambony noho ny fahasamihafana misy eo amin-dry zareo ny firaisankinan-dry zareo amin'ny fitiavana ny tanindrazany .. zavatra tokony hoheverin'ireo mampisaraka ara-pivavahana sy ara-bolonkoditra

@Mashi9a7 [10] mangataka amin'ny vahoaka hanolotra ny fanohanany:

أقل ما تقدمه لتضحية الشعب المصري كتابة تويتات تضامنية ،، قلوبنا معكم #Egypt #Jan25 #FreeEgypt
Ny zavatra kely indrindra azonao atao ho an'ireo rahalahintsika ao Ejipta dia ny fanohanana avy amin'ny alalan'ny sioka. Miaraka aminareo ny fonay

@essamz [11] maneho ny hafaliany:

حجم سعادتي بما يحدث في مصر… يوازي حجم حزني في يوم سقوط بغداد. يارب يتمم على خير #jan25
Ny hafaliako amin'izay mitranga ao Ejipta amin'izao fotoana izao dia mitovy lanja amin'ny alaheloko tamin'ny andro nidarabohan'i Baghdad. Ho tsara fiafara anie izy ity

Nanampy ihany koa izy:

@essamz [12]
الثورة المصرية تنضج… والحصاد قريب… قريب جدا… #jan25
Masaka ny revolisiona ejipsiana ary hotazana tsy ho ela ny vokatra, efa akaiky dia akaiky izany

Mananatena i @anuaim [13]:

امس تونس و اليوم مصر و عقبال عندكم يالشعوب العربيه #jan25 #egypt #Sudan #syria #saudi #Yemen #algeria #libia
Omaly i Tonizia, anio i Ejipta, rahampitsyny ambiny amin'ny firenena arabo #egypt #Sudan #syria #saudi #Yemen #algeria #libya

Ary farany, mahambolo zavatra i @Mashi9a7 [14]:

عبق الحرية يفوح بالأجواء #Egypt #Jan25 #FreeEgypt

Eny amin'ny rivotra ny fofon'ny fahafahana

Ao anatin'ny fitantaranay manokana momba ilay fihetsiketseham-panoherana tao Ejipta tamin'ny taona 2011 [1] ity lahatsoratra ity.