- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Mozambika, Famatsiam-bola Sinoa Lafobe Ho An'ireo Mampiasa Azy ilay Tetezana Lava Indrindra Aty Afrika

Sokajy: Afrika Mainty, Mozambika, Fampandrosoana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika, Vaovao Tsara
[1]

Ny tetezana Maputo-Catembe. Sary an'i Alexandre Nhampossa. nahazoana alalàna ny famerenana mamoaka azy.

Notokanan'i Mozambika tamin'ny 10 Novambra ny tetezana Maputo-Catembe [2], tetezana iray efatra kilometatra [3] hahafahana mampitohy ny afovoan-tanàna ao Maputo renivohitra amin'ny faritra atsimon'ny helodrano, Catembe.

Nanjary tetezana lava indrindra mihantona ao Afrika [4] ihany koa izy io, iray amin'ireo tetezana enimpolo lava indrindra erantany ary marika iray hamantarana ny famatsiambolan'i Shinoa ao Mozambika.

Vola 785 tapitrisa dolara amerikana [5] (manodidina ny 690 tapitrisa eoro) no nanamboaran'ny China Road sy ny Bridge Corporation azy, io no tetikasa fotodrafitrasa tena lafo indrindra tsy fahita firy tao Mozambika hatramin'ny nahazoany fahaleovantena tamin'ny 1975. Ny banky shinoa EXIM no namatsy ny fampindramam-bola 95%, amin'ny zanany tataovana 4% izay i Mozambika no hamerina azy mandritra ny 20 taona, ny 5% ambiny kosa hivoaka mivantana amin'ireo kitapom-bolan'ny Fanjakana.

Fianakaviana maherin'ny sivinjato no tsy maintsy nafindra fonenana noho ireo asa ireo. Araka ny voalazan'ireo tomponandraikitra,nisy nidiran'ny fanemorana ny fanokanana [6] ny tetezana ny famindrana fonenana azy ireo, fitokanana izay noheverina hatrany am-boalohany fa htao ny 25 jona, tsingerintaonan'ny fahaleovantena.

Antenain'ny governemanta fa hanampy an'ireo mponina anjatony ao amin'ny faritra Catembe ilay tetezana, izay mitondra mankany afovoan'i Maputo amin'ireo fiara fitaterana “navettes” sy ireo sambofiara “ferrys” mba handehanan'izy ireo mianatra sy miasa.

Tanàna anisan'ny tafiditra ao amin'ny tangoron-tanànan'i Maputo i Catembe, saingy tena samihafa ireo faritra roa ireo: tanàndehibe afovoany ahitàna mponina miisa roa tapitrisa ny antsasany avaratr'i Maputo, raha toa ka tsy ampy fotodrafitrasa kosa i Catembe ary mbola manana tany marobe tsy nampiasaina.

Antenain'ireo tomponandraikitra ihany koa ny hanetsika an'ireo fifanakalozana ara-toekarena sy ara-pizahantany amin'i Afrika Atsimo: manomboka izao, ho vita ao anatin'ny ora iray sy sasany amin'ny fiarakodia ny lalana manomboka eo amin'ny sisiny atsinanana amin'ito farany hatrany Maputo, raha toa izany nandaniana ora enina taloha.

Ilay tetezana, izay tsy manana kosa lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra, dia misanda eo anelanelan'ny 160 sy 1 200 meticals (eo anelanelan'ny 2,30 sy 17,20 eoroa) ny fiampitàna, misy fihenambidy hatramin'ny 75% ho an'ireo mpampiasa azy isanandro. Ankehitriny, ny fiampitàna amin'ny sambo dia misanda 10 ka hatramin'ny 1 050 meticals (eo anelanelan'ny 0,15 sy 15 eoroa).

[7]

Lanonana fanokanana ny tetezana. Sary an'i Alexandre Nhampossa, nahazoana alalàna ny famerenana mamoaka azy.

Kanefa na izany aza, nnotsikerain'ireo Mozambikanina ilay tetezana noho ny fidangan [8]‘ireo findramambola izay namatsiana azy io, ary koa ny saram-pandalovana lafobe.

Maneho hevitra amin'ny Facebook i Sérgio Wiliamo [9], mpianatra amin'ny anjerimanontolo hoe:

Há aqui uma grande falha do governo na determinação das tarifas a serem aplicadas. Neste tipo de empreendimentos as tarifas aplicadas não visam recuperação do investimento, mas a sua manutenção para conferir-se-lhes longevidade. Ao que me parece, e tendo em conta os valores altos que vi, há ganhos que se pretendem obter acima da simples operacionalização e manutenção da infraestrutura.

Tsy fahombiazana ho an'ny governemanta ny manapa-kevitra amin'ny karazana vesatra toa io. Ao anatina tetikasa sahala amin'io, tsy tanjona hamerenana an'ireo vola lany tamin'ny fanamboarana tany aloha mihitsy ny saran-dalana, fa ho fikarakarana kosa ny fotodrafitrasa. Amiko,  ary raha raisina anaty kajikajy ireo sandany midangana be izay hitako, dia toa misy tombontsoa andrasana ao ambadiky ny asa tsotra sy fikojakojana an'ilay fotodrafitrasa.

Mikasika an'ireo saram-pandalovana ihany koa, Ergimino Muscale,, ilay filozofa sady mpampianatra ao amin'ny anjerimanontolo Eduardo Mondlane, manoratra [10] eo amin'ny Facebook hoe:

A essência de uma ponte é ligar, unir, (r)estabelecer contacto. Moçambique apresenta-se, desde já, como o primeiro país, na história, a falsear o sentido tradicional do conceito ponte. É que a bela e das maiores pontes suspensas de África, Maputo-KaTembe, nasceu para estabelecer ou desvelar, dolorosamente, fosso entre os endinheirados e os miseráveis de uma mesma nação. Já não são as poucas milhas que separam os munícipes de Maputo entre os de cá e os de lá, são os muitos meticais de tarifa das futuras portagens.

Ny fototra ilàna ny tetezana dia ny fifampitohizana, ny fampiraisana, ny famerenana (indray) ny fifandraisana. Mozambika ankehitriny no firenena voalohany ao anatin'ny Tantara nandiso ny famaritana mahazatra ny hevitra fanatontosana ny tetezana. Ny tetezana mihantona, iray tamin'ireo ngeza indrindra ao Afrika, ilay Maputo-Catembe tsara tarehy dia teraka mba hijoro hankarary, na hanala sarona ny elanelana misy eo amin'ireo mpanankarena sy ireo mahantra ao anatin'ny firenena iray ihany. Tsy ho kilometatra vitsivitsy intsony no manasaraka an'ireo mponina ao Maputo manomboka eto sy hatrany, fa ireo meticals nambara fa saram-pandalovana ihany koa.

[11]

Lanonana fanokanana ny tetezana. Sary an'i Alexandre Nhampossa, nahazoana alalàna ny famerenana mamoaka azy.

Elvino Dias [12], mpiara-miasa amin'ny World Vision, fikambanana tsy miankina ho fampandrosoana, no manantena fa ilay tetezana dia hanampy an'ireo mponina ao Catembe, nefa milaza ireo ahiahiny mikasika an'ireo vola aloa:

Quando todos aplaudíamos que a ponte Maputo KaTembe marcava o fim do sofrimento dos munícipes daquela parcela de Maputo, bem assim seria de todos, nunca imaginei que seria o início de mais uma escravatura, e desta vez, sem um fim à vista.

Não me importa saber de onde veio o dinheiro para a construção da ponte ou estrada, porque sei que pago impostos que supostamente deviam construir tais infraestruturas. Por isso mesmo, por vezes me questiono para onde vai o dinheiro dos nossos impostos. Caros Irmãos, se eles persistirem em tais preços, temos que dizer não à elitização de um bem público.

Rehefa mitehaka isika noho ny hoe manamarika ny fiafaran'ny fotoana nijalian'ireo mponina ao amin'io ampaham-paritr'i Maputo io ny Maputo-Catembe, tsy nosainiko fa ho fanombohana endrika fanandevozana vaovao indray io, ary amin'ity indray mitoraka ity tsy hisy fiafaràna ho tsinjo.

Tsy raharahako hoe avy aiza ny vola nanamboarana ny tetezana na ny làlana, satria fantatro fa nandoa hetra aho ho an'ireo lazaina fa hanamboarana an'izao karazana asa izao. Izay no antony mampanontany tena ahy indraindray hoe aiza no alehan'ny volan'ireo mpandoa hetra. Ry rahalahy malala, raha mihizingizina amin'ireo karazana vidy ireo ry zareo, tokony handà isika amin'ny fanaovana ny fananam-bahoaka ho an'ireo “sangany” [sic] fotsiny.

Vinanian [13]‘ireo tomponandraikitra mozambikana fa handray fiara efatra arivo isanandro eo ho eo ilay tetezana, izay ahitàna fiakarana ambony lavitra miohatra amin'ireo fiara roanjato miampita ny helodrano amin'ny sambo ankehitriny.