Ao Mozambika, Famatsiam-bola Sinoa Lafobe Ho An'ireo Mampiasa Azy ilay Tetezana Lava Indrindra Aty Afrika

Ny tetezana Maputo-Catembe. Sary an'i Alexandre Nhampossa. nahazoana alalàna ny famerenana mamoaka azy.
Notokanan'i Mozambika tamin'ny 10 Novambra ny tetezana Maputo-Catembe, tetezana iray efatra kilometatra hahafahana mampitohy ny afovoan-tanàna ao Maputo renivohitra amin'ny faritra atsimon'ny helodrano, Catembe.
Nanjary tetezana lava indrindra mihantona ao Afrika ihany koa izy io, iray amin'ireo tetezana enimpolo lava indrindra erantany ary marika iray hamantarana ny famatsiambolan'i Shinoa ao Mozambika.
Vola 785 tapitrisa dolara amerikana (manodidina ny 690 tapitrisa eoro) no nanamboaran'ny China Road sy ny Bridge Corporation azy, io no tetikasa fotodrafitrasa tena lafo indrindra tsy fahita firy tao Mozambika hatramin'ny nahazoany fahaleovantena tamin'ny 1975. Ny banky shinoa EXIM no namatsy ny fampindramam-bola 95%, amin'ny zanany tataovana 4% izay i Mozambika no hamerina azy mandritra ny 20 taona, ny 5% ambiny kosa hivoaka mivantana amin'ireo kitapom-bolan'ny Fanjakana.
Fianakaviana maherin'ny sivinjato no tsy maintsy nafindra fonenana noho ireo asa ireo. Araka ny voalazan'ireo tomponandraikitra,nisy nidiran'ny fanemorana ny fanokanana ny tetezana ny famindrana fonenana azy ireo, fitokanana izay noheverina hatrany am-boalohany fa htao ny 25 jona, tsingerintaonan'ny fahaleovantena.
Antenain'ny governemanta fa hanampy an'ireo mponina anjatony ao amin'ny faritra Catembe ilay tetezana, izay mitondra mankany afovoan'i Maputo amin'ireo fiara fitaterana “navettes” sy ireo sambofiara “ferrys” mba handehanan'izy ireo mianatra sy miasa.
Tanàna anisan'ny tafiditra ao amin'ny tangoron-tanànan'i Maputo i Catembe, saingy tena samihafa ireo faritra roa ireo: tanàndehibe afovoany ahitàna mponina miisa roa tapitrisa ny antsasany avaratr'i Maputo, raha toa ka tsy ampy fotodrafitrasa kosa i Catembe ary mbola manana tany marobe tsy nampiasaina.
Antenain'ireo tomponandraikitra ihany koa ny hanetsika an'ireo fifanakalozana ara-toekarena sy ara-pizahantany amin'i Afrika Atsimo: manomboka izao, ho vita ao anatin'ny ora iray sy sasany amin'ny fiarakodia ny lalana manomboka eo amin'ny sisiny atsinanana amin'ito farany hatrany Maputo, raha toa izany nandaniana ora enina taloha.
Ilay tetezana, izay tsy manana kosa lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra, dia misanda eo anelanelan'ny 160 sy 1 200 meticals (eo anelanelan'ny 2,30 sy 17,20 eoroa) ny fiampitàna, misy fihenambidy hatramin'ny 75% ho an'ireo mpampiasa azy isanandro. Ankehitriny, ny fiampitàna amin'ny sambo dia misanda 10 ka hatramin'ny 1 050 meticals (eo anelanelan'ny 0,15 sy 15 eoroa).

Lanonana fanokanana ny tetezana. Sary an'i Alexandre Nhampossa, nahazoana alalàna ny famerenana mamoaka azy.
Kanefa na izany aza, nnotsikerain'ireo Mozambikanina ilay tetezana noho ny fidangan‘ireo findramambola izay namatsiana azy io, ary koa ny saram-pandalovana lafobe.
Maneho hevitra amin'ny Facebook i Sérgio Wiliamo, mpianatra amin'ny anjerimanontolo hoe:
Há aqui uma grande falha do governo na determinação das tarifas a serem aplicadas. Neste tipo de empreendimentos as tarifas aplicadas não visam recuperação do investimento, mas a sua manutenção para conferir-se-lhes longevidade. Ao que me parece, e tendo em conta os valores altos que vi, há ganhos que se pretendem obter acima da simples operacionalização e manutenção da infraestrutura.
Tsy fahombiazana ho an'ny governemanta ny manapa-kevitra amin'ny karazana vesatra toa io. Ao anatina tetikasa sahala amin'io, tsy tanjona hamerenana an'ireo vola lany tamin'ny fanamboarana tany aloha mihitsy ny saran-dalana, fa ho fikarakarana kosa ny fotodrafitrasa. Amiko, ary raha raisina anaty kajikajy ireo sandany midangana be izay hitako, dia toa misy tombontsoa andrasana ao ambadiky ny asa tsotra sy fikojakojana an'ilay fotodrafitrasa.
Mikasika an'ireo saram-pandalovana ihany koa, Ergimino Muscale,, ilay filozofa sady mpampianatra ao amin'ny anjerimanontolo Eduardo Mondlane, manoratra eo amin'ny Facebook hoe:
A essência de uma ponte é ligar, unir, (r)estabelecer contacto. Moçambique apresenta-se, desde já, como o primeiro país, na história, a falsear o sentido tradicional do conceito ponte. É que a bela e das maiores pontes suspensas de África, Maputo-KaTembe, nasceu para estabelecer ou desvelar, dolorosamente, fosso entre os endinheirados e os miseráveis de uma mesma nação. Já não são as poucas milhas que separam os munícipes de Maputo entre os de cá e os de lá, são os muitos meticais de tarifa das futuras portagens.
Ny fototra ilàna ny tetezana dia ny fifampitohizana, ny fampiraisana, ny famerenana (indray) ny fifandraisana. Mozambika ankehitriny no firenena voalohany ao anatin'ny Tantara nandiso ny famaritana mahazatra ny hevitra fanatontosana ny tetezana. Ny tetezana mihantona, iray tamin'ireo ngeza indrindra ao Afrika, ilay Maputo-Catembe tsara tarehy dia teraka mba hijoro hankarary, na hanala sarona ny elanelana misy eo amin'ireo mpanankarena sy ireo mahantra ao anatin'ny firenena iray ihany. Tsy ho kilometatra vitsivitsy intsony no manasaraka an'ireo mponina ao Maputo manomboka eto sy hatrany, fa ireo meticals nambara fa saram-pandalovana ihany koa.

Lanonana fanokanana ny tetezana. Sary an'i Alexandre Nhampossa, nahazoana alalàna ny famerenana mamoaka azy.
Elvino Dias, mpiara-miasa amin'ny World Vision, fikambanana tsy miankina ho fampandrosoana, no manantena fa ilay tetezana dia hanampy an'ireo mponina ao Catembe, nefa milaza ireo ahiahiny mikasika an'ireo vola aloa:
Quando todos aplaudíamos que a ponte Maputo KaTembe marcava o fim do sofrimento dos munícipes daquela parcela de Maputo, bem assim seria de todos, nunca imaginei que seria o início de mais uma escravatura, e desta vez, sem um fim à vista.
Não me importa saber de onde veio o dinheiro para a construção da ponte ou estrada, porque sei que pago impostos que supostamente deviam construir tais infraestruturas. Por isso mesmo, por vezes me questiono para onde vai o dinheiro dos nossos impostos. Caros Irmãos, se eles persistirem em tais preços, temos que dizer não à elitização de um bem público.
Rehefa mitehaka isika noho ny hoe manamarika ny fiafaran'ny fotoana nijalian'ireo mponina ao amin'io ampaham-paritr'i Maputo io ny Maputo-Catembe, tsy nosainiko fa ho fanombohana endrika fanandevozana vaovao indray io, ary amin'ity indray mitoraka ity tsy hisy fiafaràna ho tsinjo.
Tsy raharahako hoe avy aiza ny vola nanamboarana ny tetezana na ny làlana, satria fantatro fa nandoa hetra aho ho an'ireo lazaina fa hanamboarana an'izao karazana asa izao. Izay no antony mampanontany tena ahy indraindray hoe aiza no alehan'ny volan'ireo mpandoa hetra. Ry rahalahy malala, raha mihizingizina amin'ireo karazana vidy ireo ry zareo, tokony handà isika amin'ny fanaovana ny fananam-bahoaka ho an'ireo “sangany” [sic] fotsiny.
Vinanian‘ireo tomponandraikitra mozambikana fa handray fiara efatra arivo isanandro eo ho eo ilay tetezana, izay ahitàna fiakarana ambony lavitra miohatra amin'ireo fiara roanjato miampita ny helodrano amin'ny sambo ankehitriny.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...