- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andiam-panamory tsy misy afa-tsy vehivavy, manoratra ny tantara ao Mozambika

Sokajy: Mozambika, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Ilay andiam-panamory tsy ahitàna afa-tsy vehivavy ao anatiny, ao Mozambika | Sary nahazoana alàlana tamin'i Meck Antonio.

Andro iray manana ny tantarany ity: toy izany no fijerin'ireo Mozambikàna marobe ny datin'ny 14 Desambra 2018 rehefa, sambany teo amin'ny tantaran'ny sidina sivily eo amin'ny fireneny, nahitàna sidina tsy misy afa-tsy vehivavy no mandrafitra manontolo ny mpanamory sy ireo mpikarakara ara-barotra ao anatiny.

Ny tarika miandraikitra ny sidina TM112/3, izay mivezivezy eo anelanelan'i Maputo renivohitra, sy Manica — misy eo amin'ny 442 miles ny halaviran'ny sidina atao — dia ry kapiteny Admira António, mpanamory mpanampy Elsa Balate, “chef de cabine” Maria da Luz Aurélio, ary ny mpikarakara ara-barotra ao anatiny Débora Madeleine.

Vehivavy mpikambana ao amin'ny MEX avokoa ry zareo, sampan-draharaha iray noforonina tany aloha ary nomena ny anarana hoe Departemanta Misahana Raharaha Manokana tao amin'ny LAM [2] — Linhas Aéreas de Moçambique. Tamin'ny 1995, nanomboka ny asany toy ny orinasam-pitaterana tsy miankina  [3]izy io, ny Mozambique Express.

Nisy sata fiarahabana nipetraka tao amin'ny Facebook, nalefan'ny feminista iray mpikatroka, Eliana Nzualo [4], nahazo fanehoankevitra manodidina ny 450 hatreto, naverina nozaraina in-460 mahery, ary nahangona fomba fijery efa ho 2.000 :

UM DIA NA HISTÓRIA – Vôo totalmente tripulado por mulheres

Vôo TM112/3 MPM- VPY- MPM (Maputo- Chimoio- Maputo)

Parabéns MEX!
Parabéns tripulação!
Parabéns Moçambique!

Por mais mulheres em todos os sectores.

ANDRO IRAY MANANA NY TANTARANY – tarika iray tsy misy afa-tsy vehivavy.

Sidina TM112/3 MPM-VPY-MPM (Maputo-Chimoio-Maputo)

Arahabaina ny MEX!
Arahabanina ny tarika!
Arahabaina i Mozambika!

Mba ho betsaka hatrany anie ireo vehivavy any anatin'ny sehatra rehetra any.

Ilay mpikatroka sosialy, Mauro Brito, [5] nanampy hoe tokony hirehareha ireo vehivavy “rehefa voasolo tena any anatin'ny sehatra samihafa [ry zareo]:

Na aviação há muito poucas mulheres, poucas mesmo, isto não é aqui apenas mas em todo mundo. Imagino as mulheres por aí a fora que julgavam ser esta profissão apenas para homens, devem sentir se orgulhosas.

Vitsivitsy ny vehivavy ao anatin'ny resaka fifamoivoizana an-habakabaka, tena vitsy, tsy eto ihany io fa manerana ny tany mihitsy. Heveriko fa tokony hahatsapa rehareha ireo vehivavy izay nihevitra fa natokana ho an'ny lehilahy fotsiny io asa io.

Tsy maningana i Mozambika. Tamin'ny Aogositra 2018, sambany ho an'ny asa tao amin'ny SAA, misahana sidina iraisampirenena, no nahitàna tarika tsy misy afa-tsy vehivavy [6] nandray ny habakabaka hitatitra mpandeha avy ao  Johannesburg ho any Sao Paulo [7], Brezila

Volana valo talohan'izao, ny Desambra 2017, no nampiditra voalohany ny azy ny Ethiopian Airlines [8], vehivavy manontolo. Manomboka tamin'ny mpanamory ka hatramin'ireo tarika ao anaty ‘cabine’, ireo mpanamarina sy mpitsinjara ny sidina — avy ao Addis Ababa ao Ethiopia mankany Lagos any Nizeria — dia vehivavy daholo mihitsy no nisahana azy.