- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanehoan-kevitra avy amin'ireo bilaogera Afghana momba ny “diarin'ny ady” tao amin'ny Wikileaks

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Afganistana, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Namoaka [1] bilaogy mitantara mivantana ny fanehoan-kevitra iraisampirenena momba ny “diarin'ny ady” an'i Afghanistan izay navoakan'ny Wikileaks ny Global Voices. Inona no nosoratan'ireo bilaogera Afghana?

Tamin'ireo bilaogera Afghana miisa dimampolo izay nanoratra amin'ny fiteny Dari (iray [2] amin'ireo fiteny roa ofisialy roa any Afghanistana), arahin'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity, dia vitsy ny fanehoan-kevitra momba ny raharaha Wikileaks. Raha toa ka manana rohy mankany amin'ny bilaogy Afghana amin'ny fiteny Dari na Pashto ianao izay tokony hovakiana na hadika teny dia azafady mba ampahafantaro anay izany na mifandraisa aminay raha hanoratra ato amin'ny Global Voices.

Mandritra izany fotoana izany, indro ny fanehoan-kevitra roa avy amin'ireo bilaogera Afghana izay naneho ny heviny:

Syed Akramoldin Taheri, mpanoratra ny bilaogy Isteqlal (‘fahaleovantena’) dia nisafidy [3] ity lohateny manaraka ity ho an'ny lahatsorany “Nanambara [4] ny Wikileaks fa mitodika mankany Pakistana ny làlana rehetra “. Hoy izy nanoratra :

L'un des aspects révélés dans ces quelque 90.000 pages de documents est le soutien certain du Pakistan aux Talibans. A en croire ces documents, le Pakistan a des liens très étroits avec les Talibans et il appuie les mouvements extrémistes comme celui de Jalaluddin Haqqani. Les documents divulgués mentionnent que le service de renseignement pakistanais a fourni 1000 motocyclettes au groupe de Haqqani en avril 2007. Le rapport parle aussi du soutien iranien aux Talibans et des morts de civils non rapportées.

Ny iray tamin'ireo olana naseho tao anatin'ireo pejy miisa 90.000 na mihoatra ireo dia ny fanohanan'i Pakistana ny Taliban. Araka ireo antontan-taratasy ireo, manana fifandraisana akaiky amin'ny Taliban i Pakistana ary manohana ny hetsika mahery fihetsika tahaka ny an'ny Jalaluddin Haqqani . Nanamarika ireo antontan-taratasy navoaka fa nanome moto bisikileta miisa 1.000 ho an'ny vondrona Haqqani tamin'ny volana Aprily 2007 ny sampam-pitsikilovana Pakistaney.  Niresaka fanohanan'ny Iraniana ny Taliban sy ny fahafatesan'ireo sivily tsy notaterina ihany koa ny tatitra .

Namintina ilay bilaogera fa raha mbola tezitra noho ny ilay antontan-taratasy tafaporitsaka i Etazonia, dia naneho izany fa niditra tamin'ny politikany anatiny ny mpifanolo-bodirindrina amin'i Afghanistana, ary mety hisy ny fepetra ho raisina mba hanakanana azy ireo .

Rehefa nanoratra tao amin'ny bilaoginy Tabarghanak i Mahmoud Hakimi avy ao amin'ny Afghanistan Journal  dia hoy izy hoe “Niseho ihany ny zava-drehetra nony farany ” . Hoy izy:

La fuite des 90.000 pages de rapports montrant le soutien du Pakistan aux Talibans, le meurtre de civils, et les complots pour assassiner les chefs afghans, est probablement un des événements les plus extraordinaires dans le domaine de la sécurité et de la politique de l'histoire récente. Il semble qu'au-delà du théâtre politique et militaire de l'Afghanistan, d'autres scénarios ont été écrits… Les Afghans se débattent avec de tels scénarios depuis trois décennies, et le résultat, ce sont des millions de morts et de sans-abri.

Inoana fa iray amin'ireo seho niavaka indrindra tamin'ny sehatry ny fiarovana sy ny politika tamin'ny tantara vao haingana ny pejy misa  90.000 misy ny tatitra tafaporitsaka nampiseho ny fanohanan'i Pakistana ny Taliban, ny famonoana ireo sivily, ary ny tetika hamonoana ireo mpitarika Afghana. Toy ny hoe ankoatra ny sehatra ara-politika sy ara-tafika ao Afghanistana, dia nisy tranga hafa nosoratana… Efa niady tamin'ny tranga toy izany ireo Afghana nandritra ny telopolo taona, ary ny fahafatesan'olona sy ny tsy manan-kialofana an-tapitrisany no vokany .

Ora farany : Tamin'ny alàlan'ny mailaka, nanazava ny antony mahatonga ny bilaogera Afghana mangina ilay mpanao gazety sady bilaogera, Nasim Fekrat ao amin'ny AfghanLord:

Tout ce que dit Wikileaks est une affaire tellement notoire ici [en Afghanistan] et les gens vivent avec au quotidien. Ils savent ce qui se passe sur le terrain. Cela ne leur fait pas l'effet d'un dévoilement d'informations couvertes par le secret défense comme en Occident. Ils n'en voient pas l'intérêt.

Raharaha tena miharihary eto [ao Afghanistana] ny zavatra rehetra nolazain'i Wikileaks ary miaina izany isan'andro ny olona . Fantatr'izy ireo ny zava-mitranga eo an-toerana. Tsy mahataitra azy ireo ny fivoahan'ny vaovao avy amin'ny sampam-pitsikilovana toy ny any Andrefana. Tsy hitany izay tombontsoa amin'izany.