- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao gazety libaney miatrika fitsarana noho ny fitantarana fihoaram-pahefana lazaina fa natao tamin'ny mpiasa mpifindramonina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sendikà, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Fihetsiketsehana tamin'ny 24 jolay ho fanoherana ny fisamborana noho ny famoahana lahatsoratra an-tserasera tao Libanona. Sary avy amin'i Hasan Shaaban, nahazoana alalana.

Miatrika fitsarana noho ny fitantarana ny lazaina ho fihoaram-pefy nataon'ny patiraony tamin'ny mpiasa ethiopiana mpifindramonina i Timour Azhari, mpitati-baovao iray ao amin'ny gazety libaney DailyStar. Efa nanoratra tato amin'ny Global Voices ihany koa i Azhari.

Nampangain [1]‘i Lensa Lelisa ho nanararao-pahefana taminy ny mpampiasa azy, izay namelona orinasan-damaody avolenta, tamin'ny marsa 2018. Niezaka mafy izy ny handositra, ka nitsambikina avy eny an-davarangan'ny rihana faharoa, ka nahatapaka ny tongony. Notatarainy taty aoriana tao amin'ny lahatsary [2] ny zava-niainany ka niely fatratra an-tserasera.

Rehefa niala tao amin'ny hopitaly izy dia nentin'ny mpampiasa azy nody na dia teo aza ny filazana ho fisian'ny fihoara-pahefana. Nivoaka tamin'ny fahitalavitra i Lelisa taty aoriana ka nihemotra tamin'ny fitantarana natao teo aloha [3] ary nilaza fa tsy nahy no nianjerany.

Lensa (ankavia) niaraka tamin'ny nenitoany Ganneth (ankavanana). Sary nozarain'ny namany tao amin'ny media sosialy ary nahazoana alalana.

Mafy asa sy miaina ao anaty fepetra sarotra ny mpiasa an-trano ao Libanona eo ambany rafitra “kafala” (fanohanana ara-bola). Rafitra iray mamela [2] ireo mpanohana ara-bola (orinasa na olon-tsotra) hanana “fahefana ara-pitsarana” hifehezana ny mpiasa ka mahatonga ireo mpiasa ireo ho mora lasibatry ny fihoara-pahefana. Raha tsy misy ny fanomezan-dalana avy amin'ny mpanohana ara-bola, dia tsy afa-miova asa na miala amin'ny asany na mandao ny firennea ny mpiasa. Nilaza ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny Asa [4], sampan-draharaha iray ao amin'ny Firenena Mikambana fa mahamora lasibatra ny mpiasa hanao asa an-terivozona ity rafitra ity.

Taorian'ny fitantarana ny momba an'i Lelisa, dia voampanga ho nanao fanalam-baraka i Azhari tamin'ny lahatsoratra an-tserasera sy natao pirinty iray nivoaka tao amin'ny DailyStar nivoaka tamin'ny 28 marsa, izay nanome antsipiriany ny fitantaran'i Lelisa namely ny mpampiasa azy. Tafiditra tao amin'ny raharaha anenjehana an'i Azhari ny sioka amin'ny maha-mpitati-baovao azy izay navoakany raha nitatitra ny fihetsiketsehana natao teo anoloan'ny trano sy ny fivarotan'ny mpampiasa an'ilay zatovovavy ho an'ny gazetiny izy.

Rehefa noteren'ny manampahefana dia noesorin'ny gazety hiala tao amin'ny tranonkala taty aoriana ny lahatsoratra, na dia mbola hita [5] ao amin'ny bilaogin'i Azhari aza izany. Mbola hita ao amin'ny tranonkalan'ny DailyStar ihany ny lahatsoratra iray miresaka ilay hetsi-panoherana [6].

Miatrika fandoavana onitra i Azhari tamin'ny fitantarana nataony. Saripika: horirantavan'ilay mpanao gazety ao amin'ny Twitter.

Natao famotorana teo anoloan'ilay sampandraharaha malazan'ny heloka an-tserasera ao Libanona i Azhari tamin'ny volana jona. Rehefa nifampiresaka tamin'i Azhari momba ilay fizotran'ny fitsarana aho dia notantarainy ny fomba niampangan'ny mpanao famotorana iray azy ho “mitongilana” ao amin'ny tantara. Nangatahan'ny manampahefana taminy ny hanesorany ny siokany mifandraika amin'ny raharaha Lelisa, tamin'nyf ilazana fa voaporofo tamin'ny famotorana ny maha-tsy manantsiny ny mpampiasa ilay vehivavy. Nalain'ny [7] polisy ihany koa ny torohay tsy tokony hivoaka hita tao amin'ny findainy.

Between my questioning and time spent waiting in the interrogation room, I was at the Bureau for 8 hours. My phone was searched, confidential information on an anonymous source was seized from it, and I was made to delete my tweets.

Nandritra ny fotoana nanaovana famotorana ahy sy ny fotoana niandrasana tao amin'ny efitra fanaovana famotorana, ora valo no laniko tao amin'ny sampandraharaha. Nosavasavaina ny findaiko, Nalaina ny torohay tsy famoaka avy amin'ny loharanom-baovao tsy nitonona anarana, ary nasaina nofafako ny siokako.

Notakian'ny sampandraharaha ihany koa ny hanasoniavany [8] fampanantenana tsy hiresaka intsony momba ilay raharaha, saingy nolaviny izany.

Natsangana tamin'ny taona 2006 hanamafisana ny fahafahan'ny fanjakana libaney eo amin'ny lafiny fiarovana an-tserasera amin'izao fvanim-potoanan'ny nomerika izao, ny sampandraharahan'ny ady amin'ny heloka an-tserasera no lalambe ahafahana manao famotorana ireo mpanao gazety, mpikatroka ary bilaogera amin'ny famoahana antserasera [9] taon-dry zareo.

Na dia miaty fiarovana ho amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahalalahan-gazety aza ny lalàna libaney, dia mety hampigadra hatramin'ny telo taona sy andoavana onitra goavana ny fanompana ny filoha, ny tafika libaney, ny fivavahana na ny sainam-pirenena. Nampiasain'ny politisiana, ny fihariana goavana ary ny olon-tsotra matetika ihany koa ny lalànan'ny fanendrikendrehana sy ny fanaratsiana hanenjehana sy itoriana ny mpikatroka ary hampanginana ny tsikera an-tserasera.

Tamin'ny voalohany aogositra ny Social Media Exchange, fifandaminana iray ao an-toerana tsy miankina amin'ny fanjakana izay miasa amin'ny politikan'ny aterineto, nandrakitra [10] raharahan'olona 16 farafahakeliny nantsoina hohadihadiana tamin'ny lahatsoratra an-tserasera nandritra ity taona 2018 ity.

Nanomboka tamin'ny 27 novambra ny fitsarana an'i Azhari, tao amin'ny fitsarana momba ny famoahana [vaovao sy boky] tao an-tanànan'i Baada, saingy nahemotra ho amin'ny 26 febroary izao izany rehefa tsy nipoitra teo amin'ny fitsarana ny mpitory sy ny mpisolovava azy ireo. Raha meloka moa izy dia handoa onitra.

Raha mbola  mandeha moa ny fitsarana, dia mbola manohy ny asany i Azhari ary manangom-baovao amin'ny tantara mila tantaraina. ”Ity fitsarana ity no mandrisika ahy hanohy amin'ny fitantarana ireo olana mifandraika amin'ny rariny ara-piarahamonina, ka ao anatin'izany ny fihoaram-pahefana amin'ny mpiasa mpifindramonina ao Libanona,” hoy ny teniny.