- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Slovakia: Tsy Fanekena ny Fisian'i Kosovo

Sokajy: Kosovo, Serbia, Slovakia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona

(Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Jolay 2008)

Tamin'ny 17 febroary 2008, nanambara ny fahaleovantenany i Kosovo [1]. Hatreto, 43 tamin'ireo mpikambana miisa 192 ao amin'ny Firenena Mikambana no nanaiky [2] [teny anglisy] an'io fahaleovantena io, izay i Etazonia, i Kanadà, i Aostralia, ary ny ankamaroan'ireo fanjakana ao amin'ny Firaisambe Eoropeana. Ny Fanjakana tena mandà mafy an'io fahaleovantena io, eo ankilan'i Serbia, dia i Rosia.

Nambaran'ny governemanta Slovaky, efa ho volana maromaro izay, fa tsy ekeny ny fahaleovantenan'i Kosovo izy. Etsy andanin'izay, nampahafantarin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny fa tsy hanaiky velively antontan-taratasy avy any Kosovo ny governemanta Slovaky, anisan'izany ireo pasipaoro. Tahaka izay voalazan'ny blaogera slovàky Peter Martinovic [3] [teny anglisy];

Raha toa misy teratany iray avy ao Kosovo tonga any amin'ny faritany Slovaky, dia heverina ho toy ny mpifindramonina tsy ara-dalàna izy na dia manana fahazoandàlana Schengen [4] manankery aza.

Nahoana no tsy eken'i Slovakia  [5]i Kosovo nefa nanaiky daholo ireo manodidina tena akaiky azy indrindra, ny Repoblika Tcheky, Polonina ary Hongria? Nahoana i Slovakia, izay niaina an-jato taonany maro teo ambany ziogan'ny ampira matanjaka [Aotrisy], sady tsy nahazo ny fahaleovantenany raha tsy vao 15 taona monja izao, no mifidy ny tsy hanaiky ny fahaleovantenan'ny vahoaka iray, izay niharan'ny antsoin'i ONU hoe “fanosihosena faobe ny zon'Olombelona” nataon'ny governemanta izay niankinany?

Atolotr'i Martinovic ity fanazavana manaraka ity, manao hoe:

Iray amin'ireo tsy fahita firy izay mampitambatra ny tontolo politika Slovaky io olana io. Ankoatra ny Antokon'ny Fampiraisana Hongroà [6] [antoko misolo tena ireo Hongroà vitsy an'isa], niombon-kevitra avokoa tsy hanaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo ireo antoko politika rehetra, na izy mpiandany amin'ny eoropeana fotsiny na tena mpisolelaka tanteraka amin'ny eoropeana. Tsy ny tantara nisamboaravoara nandritra ny taonjato faha-XXe fotsiny akory no fototr'io fanapahankevitra io, fa koa ny fahatsapàna manjavozavo ny hevi-bahoaka Slovàky hoe loza mitatao ho an'ny firenena ireo Hongroà vitsy an'isa monina ao atsimo [-n'i Slovakia] sady manao tetika ny handao azy sy hanjohy an'i Hongria.

Ny faritanin'i Slovakia ankehitriny dia anisany tafiditra tao anatin'ny Fanjakàn'i Hongria [7] taloha. Fony teo ambany ziogan'i Hongria, nitaky ny zony hisitrakana ny teniny ary koa ny fahaleovantenany ireo slovàky. Tamin'ny fiafaran'ny ady lehibe voalohany, nitarika toe-javatra mifanohitra ny fiforonan'i Tsekoslovakia [8], nahitàna hongroà vitsy an'isa nanorim-ponenana tao amin'io fanjakana vaovao io. Amin'izao fotoana izao, maneho ny iray ampahafolon'ireo mponina ao Slovakia io ampahany vitsy an'isa io, saingy any amin'ireo faritra sasantsasany atsimon'ny firenena, ny 40% n'ny mponina dia Magyars avokoa.

Araka izany ni itsaràn'i Martinovic  ny tahotra hahitàna an'ireo Hongroà hitaky fisarahana:

Mazava ho azy fa kitoatoan-javatra izany ary taratry ny nationalisma iombonana amin'ireo mpanao politika vitsivitsy izay manantena ny vaton'ireo mpifidy (betsaka) tena tsy nahita fianarana, na dia tsy nanao mihitsy izay hampitonitony ny zava-misy aza ny fitondrantenan'ny sasantsasany amin'ireo Hongroà.

Na izany aza, tsy ankasitrahan'i Martinovic ny hoe ny fahaleovantenan'i Kosovo no ho lasa mpialoha làlana amin'ny fametrahana faritany “manambara ny fahaleovantenany, tsy misy fankatoavana avy amin'ny governemanta izay niankinany sady tsy nahazo mialoha ny fankatoavan'ny fiarahamonina iraisam-pirenena”.

Slovàky iray 24 taona, Jan [9], maneho fijery hafa eo amin'ny blaogy Us Europeans  (Isika Eoropeana):

Tsy tohanan'ny governemanta slovàky ny fandavantenan'i Kosovo hànanan fahaleovantena. Mihevitra isika fa tafiditra ho anisan'i Serbia i Kosovo ary tokony hijanona ao izy. Tsy toedraharaha iray izay handresen'ny rehetra io. Mahafantatra toedraharaha iray mitovitovy amin'io ao atsimon'ny firenentsika isika, misy an'ireo hongroà sasantsasany vitsy an'isa eo an-toerana izay te-hanambara ny fahaleovantenany. Ho antsika, Slovàky, tena tsy ho azo ekena ny karazana tranga toa an'io.  Tsy misy mihitsy tranga, na izay aza, ka mety hitovian'io amin'ny fomba izay nisarahantsika tamin'ireo Tseky

Mamaly ilay romaina blaogera, Corina Murafa, hoe:

Toy ny milaza fa: “Ekena fa mitovy avokoa ny vahoaka, saingy ny sasany mitovy lavitra mihoatra noho ny hafa”. Rehefa manohana an'ireo hetsika mpitaky fizakantena, na inona na inona antony, “Ho ela velona anie ny Fahaleovantena”.  Rehefa manohitra kosa, dia lazaina fa “hafa ny toe-draharaha”, sy  “tsy azo ekena ny fisarahana”, sy ny sisa…

Tsilo am-paladiha ho an'ireo fanjakana eoropeana marobe ny fahaleovantenan'i Kosovo. Tsy hety mihitsy ny hoe isaky ny andiana foko iray dia hànana ny fanjakany manokana mahaleotena. Na izany aza, mametraka olana amin'ny fitondràna sy ny fisoloana tena an'ireo vitsy an'isa isaky ny fanjakàna io. Ary somary tsara mandrakariva ny mifanakalo hevitra.