- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera an-jatony no nanohana ireo mpianatra nogadraina tany Iran

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
iranstuds2.jpg [1]

Nanomboka hetsika mba hahatsiarovana sy hisarihana ny saina momba ireo mpianatry ny oniversite marobe nosamborina nandritra ny volana vitsivitsy, anisan'izany ireo mpianatra miisa telo [2] izay mbola any am-ponja ireo vondrona bilaogera Iraniana. Ny hanomezana anarana vaovao ny bilaogy maro araka izay azo atao amin'ny “5 Aogositra” (ny faha 14-n'ny volana Mordad araka ny kalandrie Iraniana) no antony nanaovana ity fanentanana ity.

Nilaza ny fianakavian'ireo nosamborina fa ireo mpianatra – izay manodidina ny 20 taona eo avokoa- dia niharan'ny fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina izay nahitana ny fanararaotana ara-pitenenana sy ny kapoka amin'ny tariby. Toa hita fa ny tena fiampangana lehibe indrindra hanenjehana azy ireo dia ny fanompana ny Mpitarika Faratampon'ny Repoblika Islamika sy ny fandrisihana ny hevitry ny vahoaka.

5 Aogositra 2007

Araka ny bilaogy 14mordad [3] , ity daty ity dia:

The 101-st anniversary of the Iranian Constitutional Revolution [4]. But Iranian people still struggle for democracy and student activists are still sent to jails.
In support and memory of our fellow activists, some of whom are bloggers as well, a group of Iranian bloggers will change their blog titles on August the 5th to “August 5th: The day of support for jailed Iranian students”. We invite you, even as a non-Iranian blogger, to participate in this cause. You can join by sending us e-mail to 14.mordad@gmail.com

Ny tsingerintaona faha-101 -n'ny Revolisiona momba ny Lalàm-panorenana Iraniana [4]. Saingy mbola mitolona ho amin'ny demaokrasia ny vahoaka Iraniana ary mbola alefa any am-ponja ireo mpianatra mpikatroka.
Ho fanohanana sy fahatsiarovana ireo mpikatroka mpiara-dia aminay, bilaogera ihany koa ny sasany amin'izy ireo dia hanova ny lohatenin'ny bilaoginy ho “5 Aogositra” amin'ny 5 Aogositra ny vondrona bilaogera Iraniana: Andro fanohanana ireo mpianatra Iraniana nogadraina”. Manasa anao izahay, na dia tsy bilaogera Iraniana aza, handray anjara amin'izany. Azonao atao ny mandray anjara amin'ny fandefasana mailaka amin'ny 14mordad@gmail.com

Nilaza ny bilaogy fa bilaogera miisa 397 no efa nanambara ny fanohanany an'ity hetsika ity ary mbola maro hafa no nanatevin-daharana taorian'izay.

Hamid City izay manohana ity hetsika ity ihany koa dia namoaka ny sarin'ireo mpianatra mpikatroka nogadraina sy ireo gadra politika hafa. Nanolo-kevitra [5] ity bilaogera ity fa tokony handrisika ny folo amin'ireo namany hiditra ao ny tsirairay.

Nanamarika [6] i Mir fa mbola feno ireo ankizy maherifo ao Iran ny fonjan'i Evin taorian'ny 101 taona taorian'ny Revolisionan'ny Lalàm-panorenana.

Nilaza [7] i Fardayekvatan  hoe handeha isika hanoratra momba ny rariny sy ny demokrasia ary ireo mpianatra nogadraina. Angamba mba ho lasa jiro any afovoan'ny tany efitra ny tsirairay amintsika.

Miantso fanohanana i Ganji 

Nangataka ny olona hanohana ireo mpianatra nogadraina tao amin'ny taratasy misokatra i Akbar Ganji [8], mpanao gazety sady gadra politika teo aloha. Nanoratra [9] i Kamangir hoe :

Akbar Ganji, the respectable political activist who spent over five years behind the bars, has written an open letter to Iranians asking for their help to release the imprisoned Iranian students from prisons. Remembering his days in solitary confinement and reminding everyone of the crimes the Islamic Republic has committed under the name of holiness, he writes “women rights’ groups and labor syndicates receive support from abroad because there are related organizations everywhere. Students, on the other hand, do not have a counterpart in the West and are more vulnerable.”

Nanoratra taratasy misokatra ho an'ireo Iraniana i Akbar Ganji, mpikatroka ara-politika mendrika izay nandany dimy taona mahery tany am-ponja, nangataka ny fanampian'izy ireo amin'ny famotsorana ireo mpianatra Iraniana nogadraina. Raha nahatsiaro ny androny tany am-pigadrana natoka-monina izy ary nampahatsiahy ny tsirairay tamin'ny heloka rehetra nataon'ny Repoblika Islamika tamin'ny anaran'ny fahamasinana dia nanoratra fa « mahazo fanohanana avy any ivelany ny vondron'ny zon'ny vehivavy sy ny sendikan'ny mpiasa satria misy fikambanana mifandraika amin'izany any rehetra any. Tsy manana mpiara-dia any amin'ny Tandrefana ary marefo kokoa ny mpianatra etsy ankilany.”

Bilaogera Islamista mifaninana amin'ny fahitalavitra Iraniana

Misy bilaogera hafa sahirana amin'ny olana hafa. Bilaogera islamista maromaro no nanakiana ny fahitalavitra nasionaly Iraniana. Iray amin'ireo antony lehibe indrindra amin'izany ny nanendasan'ny mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra Iraniana Farzad Hasani, roa herinandro lasa izay (2007), ny lehiben'ny polisy Sardar Radan, momba ny fampijaliana ny vehivavy tamin'ny famoretana farany .

Nilaza [10] i Abdeto fa tsy manaja ny fitsipiky ny fomba fitafy Islamika ny mpanolotra fandaharana sy ny vahiny kanefa manoloana ny fampahalalam-baovao nasionaly izy ireo izay hijeren'ireo vahoaka avy amin'ny kilasy sosialy samihafa azy ireo. Miharatsy isan'andro izany, hoy ilay bilaogera.  Mety hisy fiantraikany any amin'ireo olona an-tapitrisany ny fomba fiakanjony ary lasa lamaody tsy ho ela izany. Nilaza ilay bilaogera fa niezaka nanao izay hahatezitra ilay lehiben'ny polisy ilay mpanolotra fandaharana.

Nanoratra [11] i Agahii fa mihevitra ny fahitalavitra nasionaly ho toy ny fitaovana hanabeazana ny zanak'izy ireo amin'ny soatoavin'ny revolisiona izy ireo, saingy rehefa mijery ny sarimihetsika sy ny andian-tantara izay mandrisika ny fiainana mampiadana ary manjary lasa mpanankarena dia tena manana ahiahy izy fa natao ho amin'izany ny asan'ny fahitalavitra. Mila miova izany. Ahoana no ahafahan'ity fikambanana ity mampiasa mpanolotra fandaharana izay tsy manaja ny lalàna Islamika? Nanampy ilay bilaogera fa gaga izy nandre ny mozika tandrefana maro tamin'ny onjam-peo Iraniana.