Ny mpitondra fivavahana Iraniana sy ny famahanana bilaogy: Lasa virtoaly Ayatollah

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mpitondra fivavahana Iraniana marobe no mibilaogy sy mizara ny heviny, ny finoany ary ny fiainany andavanandro amin'ny aterineto. Mahavariana fa mila bilaogy mba hanehoany ny heviny ireo mpitondra fivavahana izay mifehy ara-bakiteny ny zava-drehetra ao amin'ny firenena

Misy mpitondra fivavahana bilaogera marobe izay mitsikera ny fanjakana Iraniana amin'ny teny malefaka ao Iran Islamika ary miezaka ny miresaka momba ireo ahiahin'ny vahoaka ao ambadiky ny fampielezan-kevitra ofisialy.

Iray amin'ireny bilaogera ireny i PejvakeKhamoush (ako mangina), mpitondra fivavahana Iraniana avy ao Khuzestan izay monina ao Qom. Ao amin'ny bilaoginy no ahitana ny sarin'i Ganji (mpanao gazety nogadraina) ary nangataka ny fahafahany izy… Niresaka momba ny zavatra niainany isan'andro teo anoloan'ny fivarotana Iraniana iray izy. Nanazava ny nahatonga ny fividianan-kena isan'andro sy ny sakafo fototra hafa ho sarotra ho an'ny maro izy. Hoy izy

“When there is no bread no meat what to do with nuclear technology”

“Raha tsy misy mofo tsy misy hena dia atao inona ny teknolojia nokleary”

Navitrika tamin'ny famoahana vaovao sy lahatsoratra avy amin'ny tranonkala Iraniana hafa izy, anisan'izany ny an'ireo mpanohitra any an-tsesitany.

Hajji ny iray hafa. Nilaza izy fa tena mifangaro ny finoanoam-poana sy ny fivavahana ao Iran. Araka ity mpitondra fivavahana ity dia olona maro no tonga any amin'ny biraon'ny manamboninahitra Ayatollahs mba ho voahosotra na hahazo fahagagana. Matetika izy ireo no manome zavatra (akanjo ohatra) ho an'ireo mpanompon'i Ayatollah ary mikasika izany sy mamerina izany any amin'ireo olona avy eo i Ayatollah.

Hojreh no bilaogera iray hafa: Nilaza izy fa indraindray manala ny fitafiny nentim-paharazana ny  Mullahs Iraniana satria fantatr'izy ireo fa tsy tian'ny olona izany. Tsy tian'izy ireo ho fantatra hoe mpitondra fivavahana izy ireo!

Misy mpitondra fivavahana nentim-paharazana ihany koa. Ny iray amin'izy ireo dia ny ye donya pedar gom kardam.  Feno tantara momba ny fahagagana, olo-masina, vavaka ny bilaoginy…

Webnevesht no bilaogin'ny Filoha lefitra tao amin'ny firenena teo aloha. Namoaka sary izay nalainy, ny heviny momba ny politika ary ny fiainany andavanandro ity bilaogera reformista ity, Atoa Abtahi. Niresaka momba ny fahitalavitra tsy miankina izy:

For sure if the writers of the Constitution were in the current situation of the world, they wouldn't consent to the exclusivity of radio and TV!

But there still exists the possibility of starting private channels but to understand that the cold war is over and the communication revolution has removed the borders is difficult for many!

Azo antoka fa raha ireo mpanoratra ny Lalàm-panorenana no mahafantatra ny toe-draharaha misy eto amin'izao tontolo izao dia ho tsy nanaiky ny fandaharan'onjam-peo sy ny fahitalavitra manokana izy ireo!

Saingy mbola misy ny fahafahana manomboka fantsom-pahitalavitra tsy miankina kanefa mbola sarotra ho an'ny maro ny mahatakatra fa efa tapitra ny ady mangatsiaka ary efa nandrava ny sisintanny ny revolisionan'ny fifandraisana  !

Mahaliana fa tafiditra amin'ny famahanana bilaogy ireo vahoaka Iraniana avy amin'ny saranga isan-karazany. Raha mila mibilaogy mba hanehoany ny hevitr'izy ireo ny mpitondra fivavahana, izay manapaka an'i Iran dia takatsika ny maha-zava-dehibe ny bilaogy ho an'ny vahoaka rehetra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.