Iran: Mpianatra nanao fihetsiketsehana manohitra an'i Ahmadinejad tao amin'ny Oniversiten'i Tehran

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mpianatra Iraniana an-jatony no nanao hetsi-panoherana ny fanatrehan'ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad tao amin'ny Oniversiten'i Téhéran ny Alatsinainy 8 Oktobra 2007. Araka ny filazan'i Al Jazeera , ireo mpianatra dia nihiaka hoe “Miala ry mpanao didy jadona!” rehefa nanao lahateny izy hanamarihana ny fanombohan'ny taom-pianarana. Bilaogera maro no namoaka sary sy fanehoan-kevitra.

Ny Feon'ny Fahafahana

Mampahatsiahy antsika i Jomhour fa tamin'ny taon-dasa (2006) dia nanohitra ny fanatrehan'i Mahmoud Ahmadinejad teo an-toerana ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Amir Kabir ary nandoro ny sariny. Nanampy ilay bilaogera fa nihirahira ny teny filamatra ho an'ny fahalalahana sy ny fanafahana ireo mpianatra marobe nogadraina ireo mpianatra ao amin'ny Oniversiten'i Teheran. Nanoratra hafatra ho an'i Ahmadinejad ilay bilaogera:

What happened in Amir Kabir University, what you heard in Tehran University, are the voices of freedom that you do not hear, or you do not want to hear… after more than two years in power, you show that you have no idea about universities.

Ny zava-nitranga tao amin'ny Oniversite Amir Kabir, izay renao tao amin'ny Oniversiten'i Teheran, dia ny feon'ny fahafahana izay tsy henonao, na tsy tianao ho re … taorian'ny roa taona mahery teo amin'ny fahefana, nampiseho ianao fa tsy manan-kevitra mikasika ny oniversite .

Namoaka andian-tsary avy amin'ity hetsika ity ihany koa ilay bilaogera:

“Karatra fanasana azafady!”

Nilaza i Avayeh Daneshgah (midika hoe ‘feon'ny oniversite’) fa  tonga tany amin'ny oniversite i Ahmadinejad nohodidinin'ireo mpiambina. Mpianatra an-jatony no nihiaka hoe “Miala ry mpanao didy jadona!” ary nanangana ny sarin'ireo mpianatra mpikatroka mafàna fo miisa telo. Nilaza ilay bilaogera fa ireo mpianatra manana karatra fanasana ihany no afaka manatrika ny lahatenin'i Ahmadinejad, ary nilaza fa tonga ireo mpianatra Basiji pro-Islamista avy any amin'ny oniversite hafa mba hanohana an'i Ahmadinejad  .

Nilaza i Ghomar Asheghaneh fa hafahafa ho an'i Ahmadinejad ny mihevitra ny tenany ho filohan'ny Iraniana rehetra raha toa ka ireo mpianatra manana karatra fanasana ihany no ekeny. Hoy izy nanoratra:

During his speech, Ahmadinejad did not answer students’ questions from an open letter asking him such things as what happened to our oil money? Why is there gender discrimination in universities? And what about jailed students?

Nandritra ny kabariny, tsy namaly ny fanontaniana napetraky ny mpianatra tamin'ny taratasy misokatra i Ahmadinejad izay nanontany ny nalehan'ny volan'ny solitany. Nahoana no misy fanavakavahana ny vehivavy any amin'ny oniversite? Ary ahoana ny momba ireo mpianatra nogadraina?

Mohmmad Ali Abtahi, filoha lefitra teo aloha sady bilaogera nanasongadina ilay eson-dresaka fa navela hanompa an'i Ahmadinejad manoloana izao tontolo izao ny filohan'ny Oniversiten'i Columbia, saingy tsy manan-jo hametraka fanontaniana amin'i Ahmadinejad ao Teheran ny mpianatra Iraniana.

“Fahalalahana tanteraka”

Namoaka sary maromaro tamin'ny hetsi-panoheran'ireo mpianatra i Tribune Azad ary nanontany hoe nahoana ny olona [Ahmadinejad] izay miteny fa misy ny fahalalahana tanteraka ao Iran no mila manome baiko ny mpitandro ny filaminana hanao famoretana amin'ireo mpianatra Iraniana. Nanampy ilay bilaogera fa na dia ao afovoan'i Tehran aza dia mila mpitandro filaminana matanjaka mba hivezivezena i Ahmadinejad .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.