- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanomboka ny Global Voices amin'ny teny Persiana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Azia Afovoany sy Kaokazy, Afganistana, Iràna, Fiteny, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
globalfa.png [1]

Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ihany ny Global Voices amin'ny teny Persiana [2]. Tamin'ny volana Jona 2007 no nanombohany ny fandikanteny voalohany ary efa nanomboka nivoaka tao amin'ny tranonkala vitsivitsy ireo fandikan-teny sasany, anisan'izany ilay iray malaza, Gooya.com [3] ary Digg [4],Balatarin [5] Iraniana .

Amin'ny andro tsara dia mahazo kitika 350 sy mpitsidika 250 izahay ary nandefa mailaka mampahery ny mpamaham-bolongana sasany. Ny mpihaino anay dia Iraniana sy Afghana.

Namoaka lahatsoratra [6] momba anay ny vohikala vaovao iray tao Iran, Fararu, nilaza hoe: “Ny Global Voices, izay heverina ho fitaovana goavana ho an'ny bilaogy dia nanomboka ny fandikan-teny vao haingana amin'ny fiteny Persiana.”

Rehefa nandre aho fa misy amin'ny teny Shinoa [7] ny GV dia nihevitra aho fa vaovao lehibe izany saingy tsy nino aho hoe mety ve izany ho an'ny Iraniana . Soa ihany fa toa diso hevitra aho.

Misaotra an'i Alice Backer [8] , mpitarika ny ekipa GV Lingua [7] aho, noho ny fikarakarany sy ny fisahiranany sy i David Sasaki [9], talen'ny Fanentanana, izay nandrisika ahy hanomboka ny Global Voices amin'ny teny Persiana.