Talen’ny fahitalavitra Alzeriana nitory ireo mpanao gazety tsy miankina ho manala baraka

Sary hosodokon’ny filoha Alzeriana Abdelaziz Bouteflika, 82taona, izay mikasa ny hitondra fanin-diminy indray. Sary : Thierry Ehrmann, miaraka amin’ny fahazoan-dalana avy amin’i Organ Museum
Navotsotra tamin’ny 8 Novambra 2018 ny mpanao gazety Alzeriana miisa roa, rehefa nigadra roa herinandro mahery noho ny fiampangana azy ireo ho nanao fanalam-baraka.
Nosamborin’ny polisy i Abdou Sammar, lehiben’ny toniandahatsoratra ao amin’ny Algérie Part sady mpandray anjara tato amin’ny Global Voices fahiny, niaraka tamin’ny iray tamin’ireo mpanao gazety ao amin’ny tranonkala Merouane Boudiab, ny 23 Oktobra, rehefa nametraka fitoriana noho ny fanalam-baraka nataon’izy ireo i Anis Rahmani, talen’ny fahitalavitra tsy miankina Ennahar, Nametraka fitoriana hafa ihany koa ny governoran’i Alzeria, Abdelkader Zoukh.
Nanome baiko ny hamotsorana ireo mpanao gazety roa ny fitsarana any Alzeria eo am-piandrasana ny fanadihadiana fanampiny. Nitaky herintaona an-tranomaizina sy onitra 100 000 dinars Alzeriana (738 euros) ny fampanoavana raha nitaky onitra mitentina 2 tapitrisa (14.760 euros) sy 50 tapitrisa dinars(369.000 euros) kosa ny mpisolovava an’i Rahmani sy Zoukh tao anatin’ny fitoriana sivily natao an’ireo mpanao gazety.
Nanao tatitra lehibe momba ny fitoriana kolikoly namely an’i Zoukh ny Algerie Part. Nitsikera an’i Rahmani ihany koa ny vohikala sy ny vondrona fampitam-baovao ao aminy sady nitatitra fa nanaparitaka lainga sy fahadisoana ny fahitalavitra Ennahar. Na izany aza anefa dia tsy nisy tamin’ireo mpitory no nilaza ampahibemaso ny zavatra hitany fa nanala-baraka tao amin’ny lahatsoratry ny Algerie Part.
Na dia anisan’ny sehatra tsy miankina aza ny Ennahar dia heverina fa manana fifandraisana akaiky amin’ny mpitondra izy. Mila mahazo alalana avy amin’ny fanjakana hiasana ireo fampielezam-peo tsy miankina any Alzeria mba ahafahany miasa. Nanoratra ny Freedom House tao amin’ny tatitra isaky ny firenena natao tamin’ny taona 2016 fa ‘’mametra ny fahafahan’ny fahitalavitra tsy miankina manome fandaharam-baovao mahaleotena amin’ny ampahany noho ny famerana ny fotoana voatokana handefasana ny vaovao’’ ity fitsipika ity.
Namaritra ny famoaham-baovaony ho ‘’mahaleotena tanteraka’’ny Algérie Part izay mifototra amin’ny “soatoavin’ny olompirenena’. Nanome lohalaharana ny fitateram-baovao sy ny vaovao mifandraika amin’ny fampandrosoana, ny rariny, ny zon’olombelona, ny hetsi-panoherana ara-tsosialy sy ara-toekarena, ny fitantanana ary ny kolikoly ny tranonkala. Manohana mazava ny zo haneho hevitra malalaka ihany koa izy .
Niharan’ny fanentanana fandrahonana tao amin’ny Aterineto sy ny fanafihana an-tserasera ny Algérie Part sy ireo mpanao gazety miaraka aminy ,talohan’ny fisamborana azy ireo.
Ny 17 Oktobra, ny Fikambanana miaro ny zo nomerika Internet Sans Frontières ao Paris, izay hiasan’i Semmar ho mpitati-baovao dia namoaka fanambarana manameloka ny fanentanana :
Internet Sans Frontières est extrêmement alarmée par la multiplication des campagnes de cyberharcèlement dont sont victimes journalistes, blogueurs et activistes qui enquêtent sur la mauvaise gouvernance, en particulier la corruption, au sein de l’État et des milieux d’affaires, en Algérie. C’est le cas en particulier des journalistes du site internet d’investigations Algérie-Part, régulièrement cibles d’attaques diffamatoires, de menaces, de procédures judiciaires abusives, d’attaque DDoS, de harcèlement incessant sur Internet.
Tena manahy mafy ny Internet Sans Frontières noho ny fitomboan’ny fampielezana ny fanentanana amin’ny fandrahonana an-tserasera , anisan’ny niharan'izany ireo bilaogera sy ny mpanao gazety ary ny mpikatroka izay nanadihady ny fitantanana tsy mandeha amin’ny laoniny, indrindra fa ny kolikoly, eo anivon'ny Fanjakana sy ny raharaham-barotra any Alzeria. Izany indrindra no nahazo ireo mpanao gazety ao amin’ny tranonkala fanadihadiana Algerie-Part izay matetika iharan’ny fanafihana fanalam-baraka, ny fandrahonana, ny fampiharana didim-pitsarana tafahoatra, ny fanafihana DDOS, ny fandrahonana tsy mitsahatra amin’ny Aterneto.
Tsy vao voalohany izao no niharan’ny fandrahonana toy izany i Semmar. Nofoanana noho ny fanerena ara-politika ny fandaharana mpanaraby iray tao amin’ny fahitalavitra izay nandraisany anjara, tamin’ny taona 2015.
Nosamborina ihany koa ny mpanao gazety fahatelo, Adlène Mellah, talen’ny tranonkalam-baovao Algerie Direct sy Dzair Presse, tamin’ny 22 Oktobra, daty nifanandrify tamin’ny andro nasionalin’ny fahalalahan’ny gazety ao Alzeria. Narahin’ny foriana avy amin’i Rahmani ihany koa ny fisamborana azy. Mbola any am-ponja izy ary tokony niakatra fitsarana tamin’ny 11 Novambra. Nosamborina ihany koa i Mellah sy ny lehiben’ny toniandahatsorant Khelaf Benhadda ny volana Jona 2018 noho ny fitantarana ny raharaha momba ny fivarotana rongony an-tsokosoko .
‘Tsy mpifahavalo isika’
Maty noho ny fitokonany tsy nihinan-kanina ilay mpanao gazety Alzeriana sady bilaogera Mohammad Tamalt ho fanoherana ny fisamborana azy tamin’ny volana Desambra 2016. Nanefa sazy roa taona an-tranomaizina i Tamalt tamin’io fotoana io, noho ny namoahany tononkalo sy lahatsary tao amin’ny Facebook izay nisy votoaty voalaza fa nanohintohina ny filoha Bouteflika sy ny Praiminisitra Abdelmalek Sellal.
Mbola manjazovazo ihany ny toeran'ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, roa taona taorian’ny nahafatesan’i Tamalt. Niharan’ny fandrahonana ara-pitsarana avy amin’ireo manampahefana ao amin’ny fanjakana ny feo sy ny mpanao gazety mahaleotena izay mitatitra kolikoly, ny fihetsika tsy mendrika ataon’ny polisy, sy ny fihetsiketsehana, sy ireo izay nanoratra momba ny filoha Abdelaziz Bouteflika, izay teo amin’ny fahefana hatramin’ny taona 1999.
Nanameloka ilay bilaogera Merzoug Touati folo taona an-tranomaizina ny fitsarana tao Bajaia tamin’ny volana Mey tamin’ity taona ity, noho ny fanaovana tatitra sy famoahana fanadihadiana an-tserasera ny antsafa niarahana tamin’ny tompon’andraikitra Israeliana iray tao anatin’ny fitantarany ny hetsi-panoherana fifehezan-kibo tamin’ny fiandohan’ny taona 2017.
Nandany 17 volana an-tranomaizina i Said Chitour, mpanao gazety mahaleotena sady mpanitsy ny fampahalalam-baovao iraisampirenena, anisan’izany ny BBC, France 24, ary ny Whashington Post. Niampanga azy ho ‘’nandefa vaovao tany amin’ny fanjakana vahiny’’, izay heloka bevava, ny manampahefana ary mety hahazo fanamelohana higadra mandra-pahafaty araka ny andininy faha 65 ao amin’ny fehezan-dalana famaizana , hoy ny Reporters Sans Frontières .
Nanamafy ‘’ny maha-zava-dehibe ny fampivoarana ny asa fanaovan-gazety matihanina sy mahaleotena’’ ao amin’ny firenena ny filoha Bouteflika tao anatin'ny hafatra nalefany ho an’ireo mpanao gazety Alzeriana tamin’ny andro nasionalin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety,. Na izany aza anefa dia mbola mametraka ny mpanao gazety sasany ho fahavalony ny fitondrana Alzeriana.
“Fihetsika feno fitiavan-tanindrazana ny fiampangana ny kolikoly sy ny kiantranoantrano. Tsy fankahalana ny firenenay izany”, hoy i Semmar tao amin’ny lahatsary iray talohan’ny andro nisamborana azy. ‘’Tsy fahavalon’ny Alzeria izahay, mpisehatry ny fahamarinan-toerana izahay, sy mikatsaka ny hitarihana ny firenena mankany amin’ny lalàna marina’’
Raha nandray ny hafatr’i Bouteflika ho «miabo » izy dia niantso ny manampahefana hanaja ny zon’ireo mpanao gazety :
Ce qu'il faut aux journalistes, ce ne sont pas des hommages pendant des cérémonies. C'est le respect de leur dignité et de leur liberté, et la possibilité de travailler dans un cadre judiciaire [favorable].
Tsy ny fanomezam-boninahitra mandritra ny lanonana no atao amin'ny mpanao gazety. Fa ny fanajana ny fahamendrehany sy ny fahalalahany, ary ny fahafahany miasa ao anatin’ny rafi-pitsarana [mifanaraka amin’izany].
Hatao amin’ny volana Aprily 2019 ny fifidianana, ary mbola hikasa ho filoham-pirenena fanindiminy indray i Bouteflika eo amin’ny faha- 82 taonany. Manahy ny mpanao gazety fa vao mainka hihamafy ny famoretana amin’ny fikasana hanakenda ny vaovao rehetra sy ny fanadihadiana fitsikerana ireo mpitondra mitady ny fomba handaniana azy indray amin’ny fifidianana.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...