- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Nisongadina nandritra ny Fetiben'ny Rano tao Kambodza

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Azia Atsinanana, Ejipta, Kambodza, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2005)

Notanterahina ny 15-17 Novambra ilay Fetiben'ny Rano (“Bon Om Tuk”), fetibe mihetsiketsika indrindra ao Kambodza. Araka ny voalazan'i Jinja [1], manamarika ny fiandohan'ny maintany sy ny Bon Kathan (fomba Bodista fatao isan-taona izay anomezana akanjo rebareba vaovao ho an'ny moanina) io Fetibe io.

Olona mihoatra ny iray tapitrisa avy amin'ny sarangam-piainana rehetra sy manerana ny firenena no nirohotra teny amin'ireo bankin'ny Tonle Sap sy ny Renirano Mekong tao Phnom Penh mba hijery ny hazakazaka an-tsambo nentim-paharazana. Toy ny voamarik'i Phatry [2]mikasika ilay vahoaka be, ”Tara be aho vao nifoha, tamin'ny 10 maraina. Efa maro tsy voaisa ireo phnom penhois, ireo olona avy any ambanivohitra, ary ireo mpizahatany nameno ny amoron-drano sy ny faritra misy ny tsangambato fahatsiarovana ny fahaleovantena.

Hifaninana ireo sambo sy mpivoy aman-jatony, ao anatin'izany ny sambon'ny ekipan-dehilahy sy vehivavy mitondra ny VIH. [3]

Araka ny voalazan'i Jinja, maro ireo tanàna nandefa ekipa ho any Phnom Penh. Matetika, apetraka anatinà tempolim-piarahamonina (‘Vat’) ny sambon'ny tanàna ary manomboka mizatra mandritra ireo volana maro mialoha ny volana Novambra ilay ekipa. Mandrafitra ekipa an-tsambo ireo orinasa, ireo fikambanana tsotra na tsy mitady tombontsoa manokana, ary ireo vondronà mpinamana.

Misy rehareha lehibe ho an'ny ekipan'ny sambo ao an-tanàna. Toy ny marihin'i KhmerAK, ”Tonga hijery ilay hazakazaka an-tsambo manerana ny renirano ny olona ary indrindra ho fanohanana ireo avy any amin'ny faritany misy azy, ary angamba izaho koa, handeha hanohana ny avy any amin'ny faritany misy ahy . . . ”

Ankoatra ilay sary etsy ambony, naka sary vitsivitsy mahatalanjona [4] mampiseho ireo sambon'ny Fetiben'ny Rano i Jinja. Naka sary ny sasany tamin'ireo sambo nirehitra tao amin'ilay renirano ny harivan'io ihany koa izy, toy ity iray ity:

Mandritra izany fotoana izany, ampahatsiahivina mikasika ny Fetiben'ny Rano ireo bilaogera Kambodziana mipetraka any ivelan'ny firenena, toa an'i Wanna [5] (rohy maty).