- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Efa Amperiny izao ny Yorùbá Lingua!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Amin-kafaliana no  ilazàna aminareo fa efa velona izao ny Yorùbá Lingua [1] !

Sary natolotr'i Ọmọ Yoòbá ary nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Ny mpandrindra ny fandikàna ho amin'ny teny Yorùbá dia i Adéṣínà Ayẹni, na Ọmọ Yoòbá (Ilay Zaza Yorùbá ) araka ny tiany hahafantarana azy ety anaty tambajotra, monina ao Nigeria. Tany ampiandohan'ny taona kasa dia nitafa tamin’i Ọmọ [2] ny Rising Voices, vakiteny mahaliana! Azonao arahana izy ao amin'ny Facebook [3], Twitter [4], Linkedin [5], ary  Instagram [6]!

Ary raha mahaliana anao ny fanjohiana anay, fenoy ity pejy firotsahana ity [7] dia hiverina hiresaka aminao izahay!