Amin-kafaliana no ilazàna aminareo fa efa velona izao ny Yorùbá Lingua !
Ny mpandrindra ny fandikàna ho amin'ny teny Yorùbá dia i Adéṣínà Ayẹni, na Ọmọ Yoòbá (Ilay Zaza Yorùbá ) araka ny tiany hahafantarana azy ety anaty tambajotra, monina ao Nigeria. Tany ampiandohan'ny taona kasa dia nitafa tamin’i Ọmọ ny Rising Voices, vakiteny mahaliana! Azonao arahana izy ao amin'ny Facebook, Twitter, Linkedin, ary Instagram!
Ary raha mahaliana anao ny fanjohiana anay, fenoy ity pejy firotsahana ity dia hiverina hiresaka aminao izahay!