Bahrain: Ahmadinejad, Manohana sa tsia

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2006)

Manana fifandraisana ara-tantara sy ara-kolontsaina marobe amin'i Iran i Bahrain.  Bahrainita marobe (na Shiita na Sonita) no manana fiaviana Persiana sy miteny Persiana, ary maro ny fiarahamonina Shiita ao Bahrain matetika mankany amin'ny toeram-pivavahana ao Iran. Tao amin'ny bilaogy sy sehatra fiadian-kevitra Bahrainita, marobe ny fanohanana an'i Mahmoud Ahmadinejad,  noho ny lazany indrindra amin'ny maha-mpanao politika madio sy ny olona tsotra, saingy tsy malaza amin'ny olona rehetra izy.

Rayyash naniry an'i Ahmadinejad mba handresy:

لطالما تمنيت فوز أحمدي نجاد في الانتخابات الأخيرة وعزز هذا الشعور التغطية الاعلامية لمناصري حسين موسوي ، حيث إعتقد الكثيرين ان الصورة المنقولة هي من احدى دول الجوار وليست من إيران !!! لست من المحبين للاسلوب الايراني في الحياة الاجتماعية بل فاليعذرني البعض لشعوري بعدم اريحية تجاه الايرانيين في مجملهم . قد يكون السبب الرئيسي هو المناكفات والمكاشفات التي مررت بها مع بعض الاخوة من ذوات الاصول الايرانية. والتي كشفت لي بعض الصور السيئة لبعضهم وزيارتي لايران التي تركتها بعد خلافي مع أحد الباعة الذي إدعى بأن البحرين إحدى الجزر الايرانية !! وقد أكليت له ما يستحق من لعنات!!

وعودا الى نجاد المتواضع والنزيه والذي كشف عن ميزة جديدة وهي الشرس !! حيث كشر عن أنيابه في المناظرة التلفزيونية مع خصومة ولكنه لم ينجح لأنه ناقش في الخصوصيات والامور التي لاتمت للسياسة بصلة وهي ضربات تحت الحزام ما كان يتوقعها منافسوه!! ولعلها كشفت بكل جلاء أن في السياسية ترفع جميع الخطط الحمراء والشرعية !!!

Efa nanantena aho tato aho ato fa i Ahmadinejad no handresy amin'ny fifidianana farany, ary nohamafisin'ny fitantaran'ny media an'ireo mpanohana an'i Mir-Hossein Mousavi izany fihetseham-po izany, satria toa tahaka ny avy amin'ny iray amin'ireo firenena manodidina fa tsy avy any Iran ireo sary alefa! Tsy mpankafy be ny endrika fiainana ara-tsosialy Iraniana aho, ary mety hamela ahy ny sasany noho izaho tsy mahazo aina amin'ireo Iraniana iray manontolo. Angamba ny tena antony dia noho ny ady sy ny toe-javatra niainako tamin'ny olona fiaviana Iraniana sasany, izay nanome ahy fahatsapana ratsy ahy momba ny sasany tamin'izy ireo. Ankoatra izany, nifarana ny fitsidihako an'i Iran taorian'ny fifandonana tamin'ny mpivarotra iray izay nilaza fa nosy Iraniana i Bahrain! Nomeko azy ny ozona rehetra mendrika azy!

Miverina amin'i Ahmadinejad manetry tena sy manao ny marina, hitantsika fa efa nanambara toetra vaovao izy, dia ny hasiahany! Nanao fihantsiana izy tamin'ny adihevitra tamin'ny fahitalavitra niarahana tamin'ny mpanohitra azy, saingy tsy nahomby izy raha niresaka raharaha manokana sy olana tsy misy ifandraisany amin'ny politika – izay tsy araka ny tokony ho izy ary tsy nampoizin'ireo mpanohitra azy! Mampiseho mazava izany fa manaisotra ny sisin-tany sy ny fahamendrehana rehetra ny politika!

Ao amin'ny Bahrain Online, sehatra fifanakalozan-kevitra malaza indrindra ao Bahrain, Tammuz naneho hevitra talohan'ny fanambarana ny valim-pifidianana:

فوز نجاد لن في صالح إيران
Tsy tombontsoan'i Iran ny fandresen'i Ahmadinejad.

Tao anatin'izany ihany, Al Shafaq nilaza hoe:

الحمد لله على فوز أحمدي نجاد
كم احب هذا الرجل المتواضع
اتمنى ان يعرف الإيرانيين قدر هذا الرجل
Misaotra an'Andriamanitra noho ny fandresen'i Ahmadinejad. Tena tiako ity lehilahy manetry tena ity. Manantena aho fa mankasitraka ity lehilahy ity ny Iraniana.

Tamin'ny fifanakalozan-kevitra hafa, Athbat Al Oyoun nilaza hoe:

أحمدي نجاد إنسان متواضع رغم إنه رئيس دوله / فهو يستحق كل الإحترام والتقدير في نظري
Lehilahy manetry tena i Ahmadinejad , na dia filoha aza, raha ny hevitro, mendrika fanajana sy fankasitrahana feno izy. A

Tsy mpankafy an'i Ahmadinejad kosa i Ali Abdulemam:

I used to call Ahmedi Najad the crazy, even when i was in Iran talking with my cousins while we are talking about his politic, i used to call him crazy so i mean no harm to all of you.

honestly i was supporting mir hussain mosavi because i feel Iran will need a presedent like Khatami, more freedom, more respect, freedom of choices to be made…this is what i believe not in iran only but in every where in the world, but at the end, we are not iranian, we have to respect this crazy [man] when he come to the power and we have to deal with him for the next four years

I was following the election by persian blogs, thanks god i know persian so it was easy for me , the strange things i discovered is, Najad failed in economic area, and its reflecting the poor people which is the majority in Iran, but the poor majority didn't talk about economy as its one of their criterias , these were talking that Najad is clean, we need to vote for clean people

Nahazatra ahy ny miantso an'i Ahmedi Najad ho adala, na dia fony aho tany Iran miresaka amin'ny havako rehefa miresaka momba ny politikany,  zatra miantso azy hoe adala aho fa tsy te-hanohina anareo rehetra.

Am-pahatsorana, nanohana an'i Mir Hussain mosavi aho satria tsapako fa mila filoha tahaka an'i Khatami,  fahafahana bebe kokoa, fanajana bebe kokoa, fahalalahana misafidy … izany no tsy inoako ao Iran ihany fa amin'ny toerana rehetra eto amin'izao tontolo izao, ary amin'ny farany, tsy Iraniana isika, tsy maintsy manaja io adala [lehilahy] io isika rehefa tonga eo amin'ny fahefana izy ary tsy  maintsy miatrika azy mandritra ny efa-taona manaraka.

Nanaraka ny fifidianana tamin'ny bilaogy Persianina aho, misaotra an'Andriamanitra, mahay teny Persianina aho ka mora tamiko izany, ny zavatra hafahafa hitako dia i Najad tsy nahomby teo amin'ny sehatra ara-toekarena, ary maneho taratra ny olona mahantra izay ny maro an'isa ao Iran izany, fa tsy miresaka momba ny toekarena ho toy ny iray amin'ireo masontsivany ny mahantra maro an'isa, nilaza izy ireo fa madio i Najad, mila mifidy olona madio izahay

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.