- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Karohina ao Ejipta i Erin Brockovich

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny janoary 2009)

Nisy nitory ho anano fanalam-baraka sy fitenitenenana foana ny bilaogera Ejypsiana iray. Nanoratra momba an'i Tamer Mabrouk izay mibilaogy avy ao Port Said ary namoaka tatitra notohanan'ny sary mampiseho ny fandotoan'ny [1] orinasa “Trust Chemical Industries” ny farihy Manzala [2] amin'ny fako shimika i Zeinobia [3]. Io mpanoratra ny bilaogy “El Hakika [4]” io dia tsy maintsy mandoa L.E 2500 ho onitra sy L.E 40.000 ho onitra ho an'ny orinasa [5] !!

Nilaza i Zeinobia:

I feel sad because there were photos enough to open an investigation about the company and its environmental practices. Lake Manzala is from the most important salt lakes in Egypt. Thousands consider this lake as a source of living from fishing . Instead of supporting Tamer ,we stand beside those who destroy our environment 🙁

“Trust Chemical Industries” company was acquired by the Indian Sanmar group [6] in 2007 by the way.

“TCI” won’t be the first pollutant factory that wins its battle against the people , we got other factories in Shobra El-Khaima and Kafr El-Sheikh and we are just giving up the struggle !!

Sometimes I believe that we can have our own Egyptian Erin Brockovich [7] !!

Malahelo aho satria nisy sary ampy hanaovana fanadihadiana ilay orinasa sy ny fomba ataony amin'ny tontolo iainana ao. Iray amin'ny farihin-dranontsira manandanja indrindra ao Ejipta ny farihy Manzala. An'arivony no mihevitra azy ho loharanom-piainana avy amin'ny fanjonoana: Raha tokony hanohana an'i Tamer isika dia niaraka tamin'ireo mpandrava ny tontolo iainantsika 🙁

Ny orinasa “Trust Chemical Industries” aloha dia azon'ny vondrona Indiana Sanmar [6] tamin'ny taona 2007.

Tsy i “TCI” no orinasa mpandoto tontolo iainana voalohany izay nandresy vahoaka tamin'ny adiny, Misy koa ireo orinasa hafa ao Shobra El-Khaima sy Kafr El-Sheikh  fa efa manaiky resy sahady isika amin'ny tolona !!

Indraindray aho mino fa mety hanana Erin Brockovich [7] Ejipsiana ihany isika!!